Fifaninanana Web We Want: Mamaly Fanafihana Ny Mpanao Sariitatra!

Anti-surveillance comic by Francisco "Fankiniano" Cardozo via Flickr (CC BY 4.0)

tantara an-tsary fanoherana ny fanaraha-maso nataon'i Francisco “Fankiniano” Cardozo via Flickr (CC BY 4.0)

Tao amin'ny bilaogy World Wide Web Foundation no navoaka voalohany ity lahatsoratra ity

Iray volana izay, niantso ireo mpanakanto rehetra ny fifaninanana Web We Want mba hamokatra tantara an-tsary momba ny lohahevitra fanarahamason'ny NSA ho fanohanana ny Andro Iraisam-pirenena #TheDayWeFightBack. Fandraisana anjara manerantany maherin'ny 70 no voarainay, ary ankehitriny, amin'ny maha-mpitsara anay ao amin'ny ekipa Web We Want, ho ambaranay ireo mpandresy. Azo jerena ao amin'ny kaonty Flickr ato avokoa ireo fandraisana anjara rehetra.

Ny Voalohany, ny mahazo ny lelavola 1000 dolara Amerikana dia i Francisco Javier “Frankiano” Cardozo Baudry. Vao 17 taona monja izy, mpikirakira manontolo ny nomerika izay avy ao Asunción, Paragoay. Ny fandraisana anjarany “Do Not Fear, I care about you” [Aza matahotra, miahy anao aho] (eto ambany) dia mampiseho ny fomba fisisihan'ny fanarahamaso isaky ny fotoana amin'ny andavanandrom-piainan'ny tanora ankehitriny. Azo trohana eto ny PDF misy ny tantara an-tsary feno pejy maromaro. Hangataka aminy izahay mba hanome endrika azo hovaina hahafahan'ireo mpikatroka manerantany mandika, mampifanaraka sy mampiasa mora foana ny asany kanto.

Anti-surveillance cartoon by Carlos Latuff via Flickr (CC BY 4.0)

Sariitatra manohitra ny fanarahamaso avy amin'i Carlos Latuff tao amin'ny Flickr (CC BY 4.0)

Ny laharana faharoa kosa dia ilay mpanao sariitatra Carlos Latuff avy ao Brezily, izay namokatra asa haikanto (eo ankavanana) mampiseho mpitondra firenena tokana mitantana ny fifandraisana manerana izao tontolo izao. Lasan'ilay Amerikana mpanao sariitatra Jimmy Margulies kosa ny laharana fahatelo, izay manasongadina ny fihainona ny resaka an-tariby ataon'ireo mpitondra vahiny.

Ny lahatsary (eto ambany) izay nalefan'ny vondrona mpiaro ny zo nomerika Red PaTodos ao Kolombia kosa dia mendrika ny hahazo mari-pankasitrahana manokana ary mandrisika azy ireo izahay mba hampakatra izany ao anaty sehatra ifarimbonana tahaka ny DotSub, ka mampiditra ny lahatsoratra arahina (script)-ny mba hahafahan'ny hafa mandika sy manampy dika an-tsoratra. Manazava tsara ireo fandrahonana sy fanamby mikasika ny fiainana manokana antserasera izany.

Mampiseho lalana iraisana ireo tantara an-tsary novokarin'ireo mpikatroka sy mpanakanto avy amin'ny firenena sy toe-piainana isan-karazany: Manaiky fa misy ny fitsofotsofohana tsy ara-dalàna ataon'ny manampahefana eo amin'ny sehatra iainany, ny fiampiainany ary ny raharahany manokana andavanandro. Nofaritan'ireo mpanoratra marobe ho toy ny hery manimba zavatra ireo sampam-pitsikilovana ary ny filoha Amerika Obama no olo-malaza voalohany misongadina amin'ny ankamaroan'ireo mpandray anjara. Naseho tamin'izany fa tsy ny solosaina irery no fomba fanarahamaso – fa misy koa ireo fandraisana anjara miresaka momba ny fihainoana telefonina sy ny fakàntsary fanarahamaso, ny ray aman-dreny mitsikilo ny zanany, ny fitsikilovana ataon'ny miaramila amin'ireo mpiserasera, ny fitsongoana dia ary koa ny andraikitr'ireo orinasa tsy miankina izay mampiasa ny ango-tahiry sy ny fahazaran'ny mpanjifa ho toy ny maodely fandraharahana. Nanazava tamin'ny teny tsotra mikasika izay ataon'ny NSA amin'izao fotoana izao ny iray tamin'ireo tantara an-tsary, raha toa  nampiseho ny fomba fifandraisantsika sy ny fijerintsika amin'ny alalan'ny fitaovana ampiasaintsika kosa ny hafa.

Voaaro amin'ny zon'ny mpamorona Creative Commons Attribution Share Alike 4.0 avokoa ireo tantara an-tsary rehetra. Fiarovana izay hahafahan'ireo mpikatroka, mpanao gazety, mpampianatra sy mpamorona manerantany mampiasa, mampifanaraka, manova ary koa manamboamboatra azy ireo ao anatin'ny fanajana ny fisokafan'ny votoaty. 

Ny habaka Web We Want dia mampiroborobo sy miady ho amin'ny fiarovana ny mombamomba ireo mpiserasera sy ny zo hifandray an-takonana. Manantena fa maro ireo ny vaovao hafa hoavy!

 

Renata Avila no lehiben'ny fanentanana amin'ny Web We Want.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.