100 Andro Any Am-pigadrana Tsy Notsaraina: Ny Tantaran'i Alaa Abd El Fattah

Androany, fenon'ilay Ejiptiana bilaogera manana ny maha-izy azy, Alaa Abd El Fattah, ny 100 andro naha-tany am-ponja azy tsy niatrika fitsarana. Nodarohana an-kerisetra i Abd El Fattah ary nosamborina tao an-tranony tao Kairo tamin'ny 26 Novambra 2013 sady nampangaina ho “nikarakara hetsi-panoherana iray antsoina hoe ‘Tsy Mila Fitsarana Miaramila Hitsara Sivily’ “, roa andro nialoha ny nisamborana azy.

Araka ny ambaran'i Rasha Abdulla, mpanoratra ao amin'ny Advox sady naman'i Abd El Fattah:

Notazonina nanomboka tamin'ny 28 Novambra izy, taorian'ny niampangàna azy ho nikarakara hetsi-panoherana tsy nahazoana alàlana teo anoloan'ny Filankevitry ny Shura (ny rantsana ambony ao amin'ny Parlemanta any Ejipta). Andro roa nialoha ilay hetsi-panoherana, nandany lalàna ireo mpanao lalàna hitakiana amin'izay rehetra mpikarakara hetsi-panoherana mba hametraka any amin'ny Ministeran'ny Atitany ny fampahafantarana momba ny resaka foto-drafitrasa mikasika ny hetsi-panoherana kasaina hatao.

[…]

Ilay hetsi-panoherana foton-dresaka dia nokarakarain'ny vondrona “No to Military Trials for Civilians” – Tsy mila fitsarana miaramila hitsara sivily, fanentanana iray niainga avy amin'ny hevitr'i Mona Seif saingy tsy mpikambana ao anatiny kosa i Alaa anadahiny. Namoaka fanambarana an-gazety ilay vondrona nilazany ny maha-tomponandraikitra azy tamin'ny fikarakarana ilay hetsi-panoherana. Niara-nameno tatitra iray tamin'ny mpampanoa lalàna ihany koa ireo mpikambana ao amin'ilay vondrona nilazàny ny maha-tomponandraikitra azy ireo tamin'ilay hetsika. Ilay hetsika, izay nitranga tamin'ny 26 Novambra, nantsoina mba hanafoanana ny fitsaran'ny Fitsarana miaramila an'ireo sivily ao anaty Lalam-panorenana izay hanaovan'i Ejipta fifidianana amin'ity volana ity [Janoary].

Antsasak'adiny teo ho eo taorian'ny nanombohany dia tamin-kerisetra no nanaparitahan'ny polisy ilay hetsi-panoherana. Vehivavy 11 no notànan'ny polisy, ny ankamaroan'izy ireo dia mpikambana ao amin'ny vondrona  “No to Military Trials” avokoa, ary lehilahy 24. Ireo vehivavy, izay voadaroka ny ankamaroany ary ny sasany nanaovana fihetsika mamoa-fady rehefa voatàna dia notànana ora vitsivitsy tany amin'ny paositry ny polisy. Noterena hiakatra tao anaty fiaran'ny polisy izy ireo avy eo ary nariana tany an-tany efitra taorian'ny misasakalina. Ireo lehilahy dia voatàna nandritry ny herinandro ary avy eo navotsotra (afa-tsy iray ihany, Ahmed Abdel Rahman) miandry fanadihadiana. Voatàna taorian'ny nanaovan'ny polisy bemidina tany an-tranony i Alaa roa andro taty aoriana ary nampangaina izy ho nikarakara ilay hetsi-panoherana. Tonga tamin'io fiahiahiana io, na dia niandry teo ivelan'ny paositry ny polisy nitànana ny anabaviny aza i Alaa ny hariva tontolon'io 26 Novambra io mandra-pàkan'ireo namany ity anabaviny ity rehefa natsipin'ny polisy tany an-tany efitra izy sy ireo namany. Na dia samy voatàna efa ho iray volana aza i Alaa sy Ahmed Abdel Rahman hiandry ny fanadihadiana, tsy mbola misy andro voatondro hanaovana fitsarana mihitsy ho an'ny raharahany.

Ny omaly tsy miova ihany ny anio amin'ilay raharaha. Mbola andrasana hatrany izay datin'androm-pitsarana – andro 100 aty aorian'ny nisamborana azy. Nampakatra ity lahatsary ity ao amin'ny Youtube ny “Tahrir Diaries” mba hanamarihana ny faha-100 andron'ny nisamborana an'i Abd El Fattah.

i Manal Hassan no asongadina ao, manoritsoritra ny zavatra nitranga tamin'i Abd El Fattah vadiny, sy Nazly Hassan mpikambana ao amin'ny “No to Military Trials”, izay namoaka ny zavatra zakain'i Ahmed Abdul Rahman, ilay mpandalo nanontany am-panajàna ny polisy tamin'ilay hetsi-panoherana sy antony hidarohana ary hanaovan'izy ireo fihetsika tsy maoty/mamoa-fady tamin'ireo vehivavy mpandray anjara

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.