Polisy Ampolony Miatrika Ny Diaben'ny Makedoniana Anjatony Manohitra ny Fahantrana

Araka ny efa niomanana [mg], tamin'ny voalohany marsa 2014, nanomboka indrindra tamin'ny 11:55 maraina teo amin'ny Antenimiera tao an-drenivohitra Skopje ny Diaben'ny “amin'ny 5 latsaka 12″ Fanoherana ny Fahantrana. Ireo rakitra an-tsary sy ny multimedia avy amin'ny diabe no ahafahana maminavina olona arivo eo ho eo nandray anjara tamin'izany izay nahitana polisy maro dia maro nanao fefy teny amin'ny lalana nalehan-dry zareo. Nofaranana tamin'ny “Rindran-kiran'ny Fahamendrehana” ankalamanjana teo amin'ny Kianja Jadran ny fotoana.

Any Makedonia, izay voalahatra ho anisan'ny firenena any Eoropa mahantra indrindra, ny ampahatelon'ny olompirenena no miaina ambanin'ny fetran'ny fahantrana [pdf].

March against Poverty in Skopje, March 1, 2014. Photo F.S. CC-BY.

Diabe Hanoherana Ny Fahantrana tao Skopje. Saripikan'ny mpanoratra tamin'ny 1 Marsa, 2014. CC-BY- 2.0

Mitaky fiovana eo amin'ny lalàna ara-piarovana sosialy hiantohana karama farany ambany ahafahan'ny olompirenena mahantra indrindra ao Makedonia miaina tsara ireo mpikarakara ny hetsika, 8 Septambra sy ny Vondrona Manohitra ny Fahantrana. Nilamina tsara ny hetsika, afa-tsy tamin-javatra tokana naningana – polisy iray nanenjika mpanao gazety sady mpanao fihetsiketsehana iray. Nanoratra [mk] tao amin'ny Facebook ny mpikatroka Petrit Saracini:

Dobro pomina marsot i koncertot protiv siromastijata, bez incidentite koi gi najavuvaa mediumite na vlasta. Osven eden moment, koga, koj drug, ako ne policijata, povotrno prekardasi, i legitimirase snimatel, a koga direktorkata na Helsinski gi prasala sto pravat, grubo ja otturnale. Pred lugje i kameri. Ic ne im cue. Na edvaj ni 1000 lugje izvadija 1000 dzandari. Nazdravje neka im se dnevnicite. I tie gi plakjame nie.

Nizotra tsara ny diabe sy ny rindrankira hanoherana ny fahantrana, tsy nisy zava-doza nitranga araka izay ‘naminanian'ny’ media manohana ny fitondrana. Afa-tsy zavatra tokana ihany, rehefa, iza indray moa fa tsy ny polisy, no nihoa-pefy, ary nanontany ny karapanondron'ny mpakasary iray. Rehefa nanontany izay ataon-dry zareo ny talen'ny Komity Helsinki, dia natosika mafy teny amin'ny tany, teo anoloan'ny olona sy ny fakantsary, ramatoa. Tsy niraharaha ry zareo. Ho an'ny olona angamba latsaky ny 1000 dia nanana polisy 1000 mitam-piadiana ry zareo. Mety handany ny tambin-karamany amin'ny fahasalamana ry zareo. Efa mandoa ho azy rahateo moa isika.

Nanambara [mk ny talen'ny Komity Helsinki Makedoniana, fikambanana iray mandala ny zon'olombelona, Uranija Pirovska fa nikasa hametraka fitoriana ny Minisiteran'ny Atitany avy amin'ny lahatsary iray nandrakitra ny fotoana, sy ny fijoroana vavolombelon'ireo nanatri-maso izy.

Tamin'ny Septambra 2013, nitatitra sy nanadihady [mk] tranga mitovy amin'izany ny fahitalavitra tsy miankina iray Nova TV, izay nahitana polisy nanery ny mpakasariny hamafa ny sarin'ny daroky ny polisy tamin'ny mpanao fihetsiketsehana niezaka ny hiaro tsy handravana ny zaridainam-bahoaka iray famantarana an'i Skopje. Hatramin'izao fotoana nanoratana izao, tsy mbola nisy ny fanenjehana ireo izay nanao izany toejavatra izany.

In front of the Government the protesters were met by police cordon and a cordon of ancient statues. The Government is turning the modernist facade into so-called 'baroque' style characteristic of Skopje 2014, at initial cost of EUR 9 Million. Photo: F.S. CC-BY.

Nipaka teo amin'ny mandatehezan'ny polisy teo anoloan'ny tranobem-panjakana sy ireo karazan-tsangambato tranainy, tena vakoka arkeolojika napetraka teo amin'ny 2007, ny mpanao fihetsiketsehana. Nandritra ny tetikasa Skopje 2014, navadiky ny Governemanta ho style faux-baroque mitentina 9 tapitrisa euros teo am-piandohana ny manoloana ny trano manana endrika maoderina. Saripikan'ny mpanoratra. CC-BY.

Nomanina sy nanaovana fanentanana tamin'ny alalan'ny pejin'ny hetsika Facebook, tamin'ny blaogy ary tamin'ny diezy Twitter #5до12 sy #5do12 ny hetsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.