Fitetezana Ny Siokantseraseran'ny Teratany #IMLD14

Navoaka indray ity lahatsoratra ity rehefa nahazoan-dalana avy amin'ny Indigenous Tweets blog (Bilaogy sy Siokan'ny Teratany).

Tamin'ny Zoma 21 Febroary lasa teo ny Andro Iraisam-pirenena hoan'ny Tenin-dreny, fankalazana momba ny teny sy ny fahasamihafana izay najoron'ny UNESCO voalohany tamin'ny 1999. Amin'ny fiarahamiasa miaraka amin'ny Rising Voices sy ny Ivontoerana Mpamelona Ny Teny amin'ity taona ity, niezaka nanentana ny olona izahay mba hisioka amin'ny tenin-drazany amin'ny fampiasana diezy Twitter # imld14 (#dilm14 amin'ny teny espaniola). Dibo-pifaliana tokoa izahay tamin'ny vokatra, ary azonao jerena ny sasany tamin'ireo sioka marobe amin'ny alalan'ny fikarohana ny #imld14 ao amin'ny Twitter, na amin'ny fidirana amin'ny Storify izay natsangan'i Laura Morris avy ao amin'ny Rising Voices .

Ho fialàna voly, nijery manokana ireo sioka nosoratana tamin'ireo teny 157 izay narahanay tao amin'ny habaky ny Siokan'ny Teratany aho. Raha atotaly dia nahitana sioka 491 misy ny #imld14 na #dilm14, nosoratana tamin'ny teny miisa 31 tamin'ireo 157. Ny teny Gàidhlig no nitarika tamin'izany izay nahitana sioka 158, narahan'ny sioka 74 tamin'ny teny  Aragoney, 45 tamin'ny teny Ojibwe/Nishnaabemwin, 41 ny teny Malagasy ary 28 ny teny IrlandeyGaeilika.

Iray amin'ny tanjona voalohan'ny tetikasa Sioka Teratany ny hitarika ny olona hampiasa ny fitenin'izy ireo isan'andro ao amin'ny Twitter sy ny habaka media sosialy hafa. Manantena izahay fa ny sasany aminareo izay sambany nisioka tamin'ny #imld14 dia hanohy hisioka amin'ny tenin-drazanareo ary handrisika ny hafa ao amin'ny fiarahamoninao mba hanao toy izany ihany koa.

Mba hisian'ny aingam-panahy bebe kokoa, hofaranantsika amin'ny santionan-tsioka tamin'ireo teny hafa vitsivitsy. Miandry fatratra mba hiha-betsaka kokoa ny fandraisana anjara amin'ny # imld15 !

Nahuatl:

Manx Gaelic:

Lezgian:

Karuk:

Nez Perce:

North Sámi:

Māori:

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.