GV Face: Ankoatra ny Gangnam Style – Ny Fanapenam-Bava Sy Ny Mozika Pop Koreana

Nantsoina hoe “fanondranan'entambarotra lehibe indrindra” ao Korea Atsimo. Lahatsary be mpijery indrindra ao amin'ny Youtube ny hira K-pop Gangnam an'ny PSY.

Saingy ambadiky ny rendrarendra sy ny karama misavovona, tsy fahafinaretana avokoa izany rehetra izany rehefa manao ny asany ireo mpanasivana ao Korea Atsimo.

Miresaka amin'ilay mpamoaka lahatsoratra amin'ny teny Koreana Yoo Eun Lee mikasika ny laza tsy mitsaha-mitombo azon'ny K-pop manerana izao tontolo izao ny lehiben'ny fitantanana, Solana Larsen.

Mpanorina ny habaka K-pop Decoder ihany koa i Yoo Eun.

Nanontany azy mikasika ny heviny mba hahatonga ny K-pop ho miavaka izahay? Inona no fiantraikan'ny K-pop eo amin'ny kolontsaina, lamaody ary ny mozika ao Korea Atsimo? Ary raha heveriny fa azo tsy misy ny media sosialy sy ny Youtube ny fahombiazana manerantany azon'ny K-pop.

Aza misalasala manontany raha misy fanontaniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.