Mitendry Aho, Avy Eo Manoratra Amin'ny Tenim-paritra

Andro vitsy lasa izay, nikarajia [“chat”] niaraka tamin'ny namako akaiky tamin'ny alalan'ny BlackBerry Messenger aho. Niresaka be sy haingana izahay, araka ny filaza mahazatra ary nataonay tamin'ny teny Pidgin Nizeriana izany. Tsy Nizeriana ny tenako saingy miara-monina aminà fiarahamonina lehibe Nizeriana. Nandritra ny resadresaka nataonay, nanjary diso fanantenana aho noho ny fikirakirana manao fanitsiana mandeha ho azy amin'ny findaiko izay manitsy ny «na» ho «N'a» na mameno ny fiteny « sha » ho “shame” na “henatra”. Ka noho izany, niditra tao amin'ny fiteniko sy ny fikirakirana fampidira-teny aho ary nasaina nifidy teny izay ho ampiasaina avy eo, tora-kehy aho satria hitako fa tao anaty lalana diso mahasosotra, tsy nahitana teny “pidgin” ny tao anatin'ny lisitry ny teny azo ampiasaina, raha tsy hoe amin'ny fitaovana elektronika maoderina.

Screenshot of "Yoruba Keyboard", a keyboard replacement application for typing in Yorùbá language available on the Windows Phone OS platform. Photo by Nuges Apps under CC BY 2.0.

Pikantsary “Kitendry Yoruba”,  kitendry solon'ny fampihatra mba hitendrena ny teny Youruba hita ao amin'ny Windows Phone OS. Sary avy amin'i Nuges Apps. mampihatra ny CC BY 2.0. 

Avy eo nieritreritra momba izany aho ary nanontany ny antony? Nahoana ny teny pidgin no tsy tafiditra ao anaty fikirakirana momba ny teny? Araka ny filazan'ny “Vaomieram-pifandraisana Nizeriana misahana ny tahiry misy ny isan'ireo mpamandrika (Nigerian Communications Commission Subscriber Data)”, manana taribiam-pifandraisana 122 tapitrisa mifampitohy sy am-perinasa i Nizeria, ka finday avokoa ny 97%. Izay mampiditra an'i Nizeria ho voalohany ao anatin'ity sokajy ity ao Afrika izany ary faha-9 manerantany. Na dia izany aza anefa, tsy tafiditra ao anaty fikirakirana fampidiran-teny ny tenin'ny be mpiresaka indrindra ao Nizeria.

Na dia izany aza tsy i Nizeria manokana ihany no tratran'izao. Manerantany, tsy hita ao anatin'ny tontolon'ny teknolojia sy ny finday ny teny ifampiresahana (lingua franca) sy ny tenim-paritra izay be mpiteny indrindra noho ny teny ofisialy. Ohatra ny teny Ourdou, izay sady tenim-pirenena no teny ifampiresahan'i Pakistana ary teny ofisialy ao amin'ny firenena dimy Indiana. Tahaka izany ihany koa, tsy hita any anaty finday ny fitenim-paritra marobe an'ny fianakaviana Bantò eto Afrika.

Azo ampiasaina ny teny fanampiny fahatelo sy ny fampiharana hafa mba hanampiana ireo mpiteny ny tenin-drazana tsy hisahirana miaraka amin'ny finday raitran'izy ireo. Ny sasany amin'ny tetikasa tahaka izany dia ahitana ny Kitendry Kannada-Hindi, izay ahafahan'ireo mpiserasera mitendry izay tiany na izany hafatra na memo amin'ny teny kanada sy devanagari (marathi / hindi) tenin'i India, ahitana ny Kitendry Multiling ihany koa, fampiharana kitendry Android ahitana teny eo amin'ny 130 eo. Saingy tsy afa-manoatra noho ny tsy fahampiana ara-bola sy ny tsy fisian'ny fanohanana avy amin'ireo mpanjifa ireo mpamorona ny fampiharana ka matetika miafara amin'ny tsy fitohizan'ny tetikasa izany.

Miatrika fahadisoana mahazatra manerantany ve isika? Na mihevitra ve izao tontolo izao fa tsy manana ny toerany ao anatin'ny fandrosoan'ny sehatry ny teknolojia ireo teny ireo? Antenaina fa amin'ny taona rehetra hoavy, hanana Android na iOS manaiky ny teny ampiasain'ny mpampiasa azy isika, anisan'izany ny kitendry sy ny fikirakirana amin'ny teny pachto sy Igbo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.