TSY Nankany Okraina Ny Mpanao Didijadona Tsetsenina Sy Ilay Nasionalista Rosiana

A Yin and Yang of Russian trollitics, Leader of Chechnya Ramzan Kadyrov and nationalist blogger Egor Prosvirnin. Unlikely bedfellows. Images remixed by author.

Yin sy Yang amin'ny politikam-pifanaratsiana Rosiana, sarotra inoana ho iray tarika ny mpitarika an'i Tsetsenia Chechnya Ramzan Kadyrov sy ny blaogera nasionalista Egor Prosvirnin. Sary nampiarahan'ny mpanoratra.

Efa impiry impiry izay ny mpiserasera aterineto rosiana sy ny fampitam-baovao mpiteny rosiana no nanaporofo fa voafandriky ny vaovao fitaka (hoax), na dia hafahafa sy tsy azo inoana aza izany. Sahala amin'ny hoe tsy vao sambany no misy olona mandray ny voasoratra ao amin'ny kaonty Twitter sandoka an'ilay mpitarika Tsetsenina Ramzan Kadyrov ho tena izy. Efa nisy ny @KadirovRussia [ru] talohan'ny tena nidiran'ilay tena Kadyrov tamin'ny Twitter sy nahazoany mpanjohy haingana. Tao anatin'ny andro maromaro, anefa, na dia fantatry ny maro aza fa mamoaka siokantserasera ao amin'ny kaontiny @rkadyrov [ru] aza i Kadyrov, dia ampiasainy izany handrohizany amin'ny sehatry ny tambajotra antserasera ankafiziny kokoa, Instagram [tatitra Global Voices amin'ny teny malagasy].

Na izany aza, blaogera mars, mpiseraseran'ny dinika, ary ny famoaham-baovao an-tserasera maro no tratran'ny siokantserasera vao haingana avy amin'i @KadirovRussia:

Mitarika ny “Fiarandalambin'ny Finamanana” izaho sy i Prosvirnin ho fanohanana Rosiana any Krimea.

Faritra be mpiteny Rosiana ao Okraina aloha i Krimea izay manohitra ny fiovam-pitondrana ao Kiev amin'izao fotoana izao. Manahy ny Krimeana fa hitsabaka [hanitsakitsaka] ny kolontsainy ny Nationalista Okrainiana, ary maro amin'ny Rosiana no manana izany fanahiana izany, [araka izay hita] ao amin'ny gazety rosiana be mpamaky. Paradisan-torapasika tsy lavitra ny toerana nanatontosana ny Lalaon'ny ririnina ao Sochi, fantatra ihany koa izy fa itoeran'ny tobin-tafika an-dranomasina Rosiana, ary ao anaty vilany misarona mangotrakotraky ny fifanenjanana eo amin'ny Rosiana, Okrainianina ary ny Tartars Crimeana amin'izao fotoana izao. Tsy misy andro izay tsy andrenesana ny tsahon'ny fandefasan'i Rosia tafika na fandefasan'i Kiev ny milisiny ao amin'ny faritra. Ny fivoaran-draharaha [ru] farany indrindra fantatra dia ny fisian'andian-dehilahy mitam-piadiana mamahatra any amin'ny tranom-panjakanan'ny faritra ary mametaka ny saina Rosiana amin'ireny.

Tao anatin'izany toe-draharaha izany dia nirotsaka tamin'ny tany lonaka ny filazana fa hiara-dia amin'ilay blaogera nasionalista (Rosiana) Egor Prosvirnin (avy ao amin'ilay Sputnik & Pogrom malaza), izay nitabataba ho amin'ny fahaleovantena Krimeana [ru] tao anatin'ny andro maromaro izay, ilay mpitarika Tsetsenina manana endrika masiaka. Tsy maninona hoe tahaka ny ahoana moa no nanesoesoana sy namelivelezan'i Prosvirnin mafy an'i Kadyrov, nipoitra tamin'ny famoaham-baovao Okrainiana maro ny vaovao, ka tafiditra amin'izany ny Komsomolskaya Pravda [cache], Obozrevatel [ru], ary ny Korrespondent [cache], izay ahitana fanehoan-kevitra fiakaran'ny rivotry ny herisetra any Crimea. Tena manahiran-tsaina manokana tokoa ny lazaina ho fidiran'i Kadyrov an-tsehatra — Ny andia-tafika Tsetsenina “Vostok” no nitari-dalana tamin'ny ady nifanaovan'i Rosia tamin'ny Georgia tamin'ny 2008 tamin'ny fisintahan'ny faritanin'i Abkhazia.

Na i Prosvirnin aza toa faly tamin'ilay saritaka tamin'ny fanoratana hoe [ru]:

Разбудили звонком с НТВ, спросив, правда ли мы с Кадыровым едем в Крым. Спросонья ступил и сказал, что они там совсем что ли ебу дались, и уже повесив трубку понял, что НАДО БЫЛО ВСЕ ПОДТВЕРДИТЬ.

Notairin'ny antso avy amin'ny NTV, manontany raha nandeha nankany Crimea izao sy i Kadyrov. Mbola tena renoka aho sy niteniteny foana hoe azon'inona koa ry zareo, fa rehefa nanapika ny telefonina aho vao tonga saina hoe TOKONY NOHAMAFISIKO DAHOLO IZANY. [naotin'ny mpandika teny: natao tsotra sy hendry ilay dikanteny]

Nilaza izy fa mety hampihoron-koditra ny Tartars Krimeana izay manohitra ny resaka rehetra miompana amin'ny fisintahana amin'izao fotoana izao ilay vaovao. Nananihany [ru] koa izy avy eo fa nanaiky ny hisahana ny faritany andrefan'i Okraina ao Lviv i Kadyrov.

"Vostok" Batallion troops at a Crimean beach, or what it might looks like if they were. Images remixed by author.

Andia-tafika Tsetsenina “Vostok” eo amin'ny moron-dranomasin'i Crimea, na ny tahatahaka ny hoe teny ry zareo. Sary namboarin'ny mpanoratra.

Mandritra izany fotoana izany, ilay tena Kadyrov toa tsy miditra mihitsy amin'ny resaka Okraina [ru] ao amin'ny kaontiny Instagram:

Получаем информацию, что у проживающих в этой стране соотечественников появились серьезные проблемы с сохранностью бизнеса и личной безопасностью. Мы никогда не претендовали на чужое, но и своё защитим. Следует четко осознавать, что не дадим в обиду чеченцев и других россиян, где бы они не находились.

Nahare vaovao izahay fa manana olana goavana momba ny fiarovana fandraharahany sy ny tenany ny mpiray tanindrazana amintsika monina ao amin'io firenena io. Tsy nitady izay tsy antsika na oviana na oviana isika, fa hiaro kosa ny mpiray tanindrazana amintsika. Aoka atao mazava tsara, fa tsy hamela na Tsetsenina na Rosiana handratra anay izahay, na aiza ry zareo na aiza.

Fanambarana manahirana — angamba mbola manahirana kokoa noho ny vaovao hosoka milaza ny fifanatonana amin'ny nasionalista rosiana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.