Bangladesh : ‘Gunday’ Horonan-Tsarimihetsika Nahatezitra ny Vahoaka

Tezitra tamin'ilay sarimihetsika Bollywood vaovao, “Gunday“, ny vahoaka tany Bangladesh noho ny fandikan'io sarimihetsika io vilana ny ady ho an'ny fahaleovantenan'ny firenena tamin'ny 1971. 

Ny ady Indo-pakistane tamin'ny 1971 no seho voalohany amin'ilay horonan-tsarimihetsika ary notsinontsinoavina kosa  ilay hetsika 1971 izay niteraka an'i Bangladesh. Ilay ady Indo-pakistane nandritra ny 13 andro izay ratsy fiafara ihany no nasongadin'io sarimihetsika io fa tsy nasiany resaka ny tena zava-dehibe dia ilay sivy volana niadiana ho an'ny fanafahana an'i Bangladesh tamin'i Pakistana, izay novinavinaina ho nahafatesana olona manodidina ny telo tapitrisa.

Tao amin'ny tambajotra sosialy no nanehoan'ny vahoaka bangla ny hatezerany sy ny fitakiany ny fialantsinin'ilay  mpanatontosa sarimihetsika, i Yash Raj.

Fa nisy ihany koa ireo hetsika ivelan'ny aterineto. Vondrona tanora maro no nanao hetsi-panoherana teny an-dàlamben'i Dhaka. Nomelohin'ny  governemanta tamin'ny fomba ôfisialy ihany koa io sarimihetsika io.

Poster of Gunday movie. Image courtesy Wikimedia

Izao no nosoratan'ny mpiserasera amin'ny Twitter Abdullah Al Nadim :

Anay io adim-panafahana io. fa tsy ady Indo-Pak. Ampahany amin'ny adim-panafahana nataonay fotsiny ny ady Indo-Pak. #GundayHumiliatedHistoryOfBangladesh

 I Worldfriend4u kosa dia nametra-panontaniana ny amin'ny fahalalàn'ny mpanatontosa ilay horonan-tsarimihetsika ny tantara :

#GundayHumiliatedHistoryOfBangladesh Menatra noho ny aminao mpanao jadona sy manamaivana ny zava-niseho ny firenenao iray manontolo. Tsy misy fantatrao ny momba ny tantara.

Izao no bitsik'i Saima Selim :

#GundayHumiliatedHistoryOfBangladesh hadalana re izany!! raha tsy afaka nanao fikarohana fototra akory dia aza mitady ny antsoina hoe mpisolotena @yrf

Nitaraina i Zarin Tasnim Maliha :

Lainga bevava!!! Naverin'ny Bollywood noforonina indray ny tantaran'ny 1971 -_- #Bullshit #GundayHumiliatedHistoryOfBangladesh

Noporofoin'i Sedative Hypnotics  ao amin'ny Facebook ary miaraka aminà rakitry ny zava-niseho tamin'ny ady ho an'ny fanafahana an'i Bangladesh tamin'ny 1971 izay nadikan'ilay horonan-tsarimihetsika vilana : 

৯০ হাজার পাকিস্তানী আর্মি ভারতীয় বাহিনীর কাছে আত্মসমর্পণ করে নি। করেছে বাংলাদেশ-ভারত যৌথবাহিনীর কাছে। এই কপি টা ভারতের প্রতিটা ঘরে ঘরে পৌছায় দেবার দাবি জানাই। প্রথমে ‘গুন্ডে’ মুভির পরিচালকের বাসায়।

Tsy nilavo lefona tamin'ny tafika Indiana akory ireo miaramila Pakistane 90.000 migadra. Nitolo-batana tamin'ny fiarahan'ny hery Indiana sy Bangladesh ry zareo. Angatahiko mba hanana ity raki-tantara ity avokoa ny tokantrano Indiana rehetra. Voalohany indrindra, tokony halefa any an-tranon'ilay mpanatontosa ny “Gunday” ity rakitra ity.

Tao amin'ilay resadresaka nifanaovana tamin'ny Bollywood Hungama, naneho ny tsy hafaliany tamin'ilay horonan-tsarimihetsika i Mrityunjay Devrat, mpanatontosa ilay horonan-tsarimihetsika “Children of War” (Ireo ankizin'ny ady) nifototra tamin'ny adim-panafahana tany Bangladesh, ary nametraka indray ny fanontaniana momba ny endrika nomena ilay ady : 

Raha toa ka omena fahafahana ny ho marina aho, dia tsy maintsy ambarako fa tena tsy marina ny nataon'ilay mpanao ny  “Gunday”. Heveriko fa tena tsy fandraisana andraikitra gioavana sy haratsiam-panahy ny fampiasana resaka saro-pady toy ny ady tany Bangladesh ho fitadiavam-bola.

Niala tsiny tao amin'ny bilaogin-dry zareo ny trano mpamokatra sarimihetsika Yash Raj noho ny “tsy fisian'ny fanajana na fanafintohinana” naterak'ilay horonan-tsarimihetsika ka nahatezitra ny vahoaka Bangla.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.