Vehivavy Teknisiana Môzambikàna Miresaka Momba Ny Fiantraikan'ny Tambajotra Sosialy Ao An-toerana

Ity tafatafa amin'ny fiteny Pôrtiogey ity dia navoaka voalohany tao amin'ny vovonana Median'olon-tsotra Môzambikàna Olho do Cidadão (Mason'ny Olom-pirenena) tamin'ny 10 Jolay 2013.

Ludmila Maguni (@_mwaa_ no Twitter e Instagram)

Ludmila Maguni (@_mwaa_ ao amin'ny Twitter sy Instagram)

Amin'ny vanim-potoana iray izay maha-marobe ny Môzambikàna miditra anaty aterineto ho toy ny làlana iray hampisehoana amin'izao tontolo izao ny tena zava-misy iainany, hatramin'ny fizaràna amin'ny ao an-toerana misy azy ny zava-mitranga eran-tany, dia niresaka tamin'i Ludmila Maguni izahay, Môzambikàna iray isan'ny eken-teny ao amin'ny Twitter, izay miresaka mikasika ny fiantraikan'ny tambajotra sosialy eo amin'ny fiarahamonina Môzambikàna.

Vinavinaina ho eo amin'ny 4.8 isan-jato fotsiny amin'ireo Môzambikàna 25 tapitrisa no manam-pahafahana miditra aterineto, araka ny angon-drakitra tamin'ny 2012. Ao Môzambika, manome habaka midadasika ho an'ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra kokoa ny aterineto sy ny tambajotra sosialy. Raha resaka fahalalaham-pitenenana, voakilasy any amin'ny laharana faha-73 ny firenena ao anatin'ny tatitra navoakan'ny fikambanana Reporters Without Borders (mpitatitra vaovao tsy voafetran'ny sisintany) tamin'ny 2013 (ny tatitra vao haninga navoaka tamin'ny 2014 dia mametraka ny firenena ho any amin'ny toerana ambany kokoa, faha-79).

Ludmila no lohan'ny Departemantan'ny Rafi-pampahalalam-baovaon'ny Ministeran'ny Siansa sy ny Teknolojia ao Môzambika. Saingy toy ny ankamaroan'ireo Môzambikàna afaka miditra aterineto ihany, mampiasa ny tranonkala koa izy hizaràna vaovao, hanabeazana sy fampialàna voly. Ao amin'ny Twitter izy dia fantatra amin'ny @_Mwaa_. Teraka tao Maputo, saingy milaza ny tenany ho tinaizan'ny tanàna maro, raha atao amin'ny teny hafa, olon'izao tontolo izao. Araka ny famaritana ao amin'n'y mombamomba azy, “Môzambickàna izy voalohany, Afrikana faharoa, ary fahatelo dia Olon'izao tontolo izao”. Sady mandefa hafatra amin'ny fiteny Pôrtiogey sy Anglisy izy. 

Lazain'i Ludmila fa ny antony nampahomby ny tambajotra sosialy tao Môzambika dia ny olona mahatsiaro malalaka afaka mifandray amin'ny tsirairay sy mifampizara vaovao :

Quando falamos de redes sociais, a primeira coisa que nos vem a cabeça são as redes sociais que usamos no dia a dia pela internet, mas penso que não podemos nos esquecer que naturalmente os seres humanos sempre se organizaram em grupos, e as redes sociais sempre existiram. E penso que é por isso que as redes sociais eletrônicas tem tanto sucesso hoje em dia, porque naturalmente sentimos vontade de nos comunicar uns com os outros, de partilhar informação, etc.

Rehefa miresaka momba ny tambajora sosialt isika, ny zavatra voalohany tonga ao an-tsaina dia ireo tambajotra sosialy fampiasantsika isanandro ao amin'ny aterineto, saingy tsy tokony ho hadinointsika fa voajanahary ho an'ny olombelona ny mitambatambatra ho vondrona, ary efa nisy hatramin'izay ny tambajotra sosialy. Ary heveriko fa io no antony mahatonga ny tambajotra sosialy ety anaty aterineto hahomby be amin'izao fotoana izao, satria mahatsapa mandrakariva ny filàna voajanahary ny fifandraisan'ny tsirairay isika, hifampizara vaovao, sns… 

Ary noho ny tambajotra sosialy, nahazo fankaherezana hiresaka ny raharaham-pirenena amin'ny fomba malalaka sy tsy miolankolaka ny olom-pirenena : 

Os Moçambicanos estão a usar esta plataforma para expressarem os seus sentimentos (bons ou maus) sobre o nosso pais, sobre o que está acontecendo na vida política do país e no dia-à-dia. Todos nós como cidadãos temos uma palavra a dizer sobre o que quer que seja, penso que com a capa das redes sociais muitos ganham coragem e conseguem realmente dizer o que lhes vai na alma.

Mampiasa ity sehatra ity hanehoany ny fahatsapàny (tsara na ratsy) momba ny firenena sy mikasika izay zava-mitranga eo amin'ny tontolo politika ary ny fiainana andavananadro. Amin'ny maha-olom-pirenena, manan-javatra holazaina daholo isika rehetra, tsy olana izay lohahevitra. Heveriko fa amin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy, afaka mahita fandrisihana hiresaka izay tena ao an-tsainy ry zareo.

Inoan'i Ludmila fa azon'ny tambajotra sosialy, amin'ny fombany manokana, atao ny mipetraka ho tetezana mampitohy ny olom-pirenena amin'ny governemanta :

Conheço alguns países em que através do Twitter, Facebook, blogs, os governos usam estes instrumentos para estarem mais próximos do cidadão, gostaria que em Moçambique também fosse assim.

Fantatro fa any amin'ny firenena sasantsasany, mampiasa Twiter, Facebook sy bilaogy ny politisiana mba hanakaikezany ny vahoaka ary tiako mba ho toy izany koa ny eto Môzambika.

Nandritry ny vola Desambra i Ludmila dia tafiditra tao anatin'ny fikarakarana ny andiany fahatelo amin'ny Hackathon, izay natao tao an-tanànan'i Maputo ary ny tanjona tamin'izany dia ny hampiroborobo ny fampivelarana ireo fampiasa amin'ny smartphone ho afaka mamaly ireo filàna manokana ilain'ny tsena. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.