Los Inestables: Jery todika Ny Lasa, Miroso Ho Amin'ny 2014

Fanamarihan'ny Rising Voices: Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Sol del Carpio, iray amin'ireo mpandrindra ny tetikasa Radio Los Inestables, tetikasa nahazo vatsy 2013 avy amin'ny Rising Voices.

inestables1

Nanatontosa ny asany rehefa nahazo hery nandritra ny atrikasam-panazarana tao amin'ny Hopitaly fitsaboana aretin-kozatra aman-tsaina (neuropsychiatrique) ao Córdoba, Arzantina taorian'ny fialan-tsasatry ny fahavaratra ny “Los Inespertos, atrikasam-peo nomerika sy ny fitaovam-pandraisampeo .

Saingy voalohany indrindra, tianay ny mizara aminareo ireo sary sy fahatsiarovana sasany tamin'ny lanonam-pamaranana ny hetsika nanomboka 2013 natao tamin'ny faran'ny taona teo. Tamin'ity fankalazana ity, nisy ireo hetsika natao tao amin'ny plaza ao an-tanànan'i Córdoba, anisan'izany ny fandefasana onjam-peo mivantana, mozika, sy ny fihaonan'ireo mpandray anjara amin'ny atrikasa, izay nizara ny traikefany sy ny zava-nianarany nandritra ny taon-dasa, ary koa ny fanantenan'izy ireo amin'ny taona hoavy.

Amin'ity fandraketam-peo ity, afaka mihaino ny hevitr'ireo mpandray anjara tamin'ny tetikasa ianao. (Eo ambany ny dikan-teny):

Fiarahabana ho ireo namanay rehetra ato amin'ny Global Voices.

Voadika teny eto ambany ny feo sasantsasany amin'ireo mpandray anjara tamin'ny fandraisam-peo:

6

“Rising, atrikasa hoan'ireo tsy mana-traikefa”
«Mianatra momba ireo fitaovana mampandeha ny radio, mampakatra dosiey, ny fomba fandraketana mozika, mampifandray fitaovana, solosaina, fitazonana ny fanamafisam-peo (mpandray feo), ny tambajotra sosialy, ny fomba fandraketam-peon'ny tena, fanatsarana ny fepetra mba hahafahan'ny olona maro hahazo izany fahalalana izany.”

«Mila mifandray sy milaza zavatra isika rehetra, nanjary zavatra tena ilaina amin'izany tanjona izany ireo fahaizana ara-teknika amin'ny radio.”

«Ho ahy… nanampy ahy ity atrikasa ity, tsy dia nahalala firy momba ny solosaina aho, tsy nahay ny fomba fandraketana habaka. Maro ny zavatra nianarako tamin'ity taona ity. Somary mafiloha kely aho amin'izany zavatra izany.”

“Tsy misy fomba atao manokana ny fianarana manao radio.”

2“Tiako ny resadresahana sy izay zavatra momba ny resadresaka, saingy fantatro ihany koa fa fanamby ho ahy izany. “

“Tena faly aho rehefa tonga eto.”

“Mino aho fa ankoatra ny atrikasa, lasa mpinamana izahay ary mifanampy, tsy te-hiala aho ka noho izany ho tafaraka izahay amin'ity taona hoavy ity.”

“Amin'ity taona hoavy ity, te-hianatra mba ho lasa mpikirakira (radio) aho, hianatra ny fomba fampifandraisana fitaovana, ary ny fananganana tafatafa”

“Ny fanantenana dia ny hanatratrarana ny tanjona fa ho afaka hirotsaka an-tsehatra kokoa ireo mpandray anjara ary afaka manjohy ireo andraikitra hananan'ny hafa manokana, ho fomba iray hanalalahana (onjam-peo).”

“Mino aho fa samy manana filàna lehibe mba haneho hevitra isika rehetra rehefa tsy niloa-bava nandritra ny taona maro, noho izany, te-hisaotra an'ny Rising Voices aho.”

inestables2

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.