#EuroMaidan Mpamonjy Voina Voatifitra Teo Amin'ny Tenda, Mibitsika hoe : “Velona aho!”

Volunteer medics attend to the wounded

Mpitsabo mirotsaka an-tsitrapo mikarakara ireo naratra tamin'ny marainan'ny 20 Febroary 2014 rehefa nitifitra an-jambany an'ireo mpanao hetsi-panoherana ireo mpitifitra niafina tany an-tafon'ny Hotely  Ukraine. Sary an'i Alan Turgutoglu © Fizakàmanana Demotix

Rehefa nitifitra tany amin'ireo mpanao hetsi-panoherana EuroMaidan ireo mpitifitra miafina tamin'ny 20 Febroary 2014, tovovavy iray mpitsabo mpirotsaka an-tsitrapo no voa teo amin'ny tendany, saingy mbola nahavita nanoratra tao amin'ny Twitter hoe : “Maty aho”. An'arivony maro ireo olona nizara ny hafatra avy aminy mandra-pibitsiny indray fa velona soa aman-tsara izy, ora roa taty aoriana.

Tapaka ny tsy fifanafihana feno ankiandry kendry tohana teo amin'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny governemanta Okrainiana tamin'io maraina io rehefa injay niantefa tany amin'ireo olona an-jatony tao an-kianja ny tifitra nataon'ireo mpitifitra miafina. Nikendrena loha na tenda ny maro tamin'ireo tifitra, mazava ho azy fa ny hamono ho faty no tanjona. [Misy ireo saripika sy lahatsary – TANDREMO sary mahery setra].

Vao nanomboka ny tifitra dia nihazakazaka namonjy teny an-toerana ireo mpitsabo mpirotsaka an-tsitrapo na teo aza ny loza. Isan'ireny i Olesya Zhukovskaya, 21 taona, mpirotsaka an-tsitrapo avy any Ternopil, .

Nirotsaka an-tsitrapo ho ao Maidan i Olesya efa ho telo volana izao. Araka ny voalazan'ny mpitantana ny pejy Facebook mikasika ireo mpikatroka mafàna fo ao Maidana, antsoina hoe “Єлюди – maidaners”, nanintona ny sain'ireo hafa mpirotsaka an-tsitrapo izy noho ny fahasahiany. Ny 19 Febroary, ny andro nialoha io fitifirana io, olona iray no nanoratra tao amin'ny pejy ho fankaherezana azy ireo hanamarika ny momba an'i Olesya sy hanoratra fohy mikasika azy.

Олеся Жуковська з Тернополя (Кременець) на Майдані з першого дня. Їй 21 рік, працює за 250 км від дому медиком-фельдшером. На Майдан поїхала як медик-волонтер. Що вона там тільки не бачила. На Грушевського їй згорів одяг, поруч граната впала…..але вона нікуди не пішла, а лишилась допомагати людям. За 3 місяці перебування на майдані захворіла, мала страшну ангіну і лежала в лікарні. кілька днів тому поїхала додому до мами, бо матуся плакала і просила показатись їй живою, а Олеся одна єдина в сім'ї. Поїхала на кілька днів додому. Але вчора, коли побачила, що коїться на Майдані, попри сльози мами, переживання тата та родини, вночі поїхала на Майдан автобусом, в якому були тільки чоловіки, 18 людей і вона сама……Зараз вона на Майдані в медпункті біля йолки. я горджусь такими як вона, думаю, що Олеся варта того, щоб Ви про неї написали».

Avy any Kremenets, faritr'i Ternopil i Olesya Zhukovskya ary efa tao Maidan [kianja afovoan'i Kiev] hatramin'ny andro voalohany. 21 taona izy, ary miasa ho mpitsabo mpanampy any amin'ny 250 km miala ny tokantranony. Nankao Maidan izy hanao ny asan'ny mpitsabo mpirotsaka an-tsitrapo. Niainany ny zavatra rehetra. Tao [amin'ny arabe nitrangan'ny fifandonana voalohany tao] Hrushevskogo, may  ny fitafiany raha nipoaka tsy lavitra azy ny grenady iray…saingy tsy niala izy fa nijanona nanampy ny olona. Taorian'ny volana telo laniny tao Maidan, narary izy, narary tenda mafy tokoa ary tsy maintsy nijanona tany amin'ny hôpitaly.

Andro vitsy lasa izay dia nandeha nody tany an-tokantranony nijery ny reniny izy, satria nivavaka sy nandatsa-dranomaso foana ho an'ilay hany mba zanany ny reniny ny mba hodiany an-trano tsy ho azon-doza. Nijanona tany an-tranony nandritry ny andro vitsivitsy izy. Saingy omaly, rehefa nahita ny zava-nitranga tao Maidan, na teo aza ny ranomason-dreniny, ny ahiahin'ny rainy sy ny fianakaviana hafa, nandray ny fiara fitaterana ny alin'iny izy ho any Maidan niaraka taminà olona 18 hafa, lehilahy daholo ireo…. Ankehitriny eto Maidan izy izao, ao amin'ny tobim-pahasalamana akaikin'ilay “Hazo Noely”. Mirehareha aho manana olona tahaka azy ary mino fa mendrika an'i Olesya ny mba hanoratanareo fohy mikasika azy [ato amin'ny pejinareo].

Ny ampitson'izay no nitifitra ny mpanao hetsi-panoherana ireo mpitifitra miafina. Ity ny bitsik'i Olesya tamin'io maraina'io :

TONGAVA MALAKY ATY KIEV DAHOLO, AMIN'NY FOMBA REHETRA! Ilaina ny fanohananareo! Raha vono ankitsirano no niseho ny maraina, hisy zava-doza ny hariva! Indrindra fa rehefa ho avy hitifitra ireo Tandrefana manam-pisainana ‘na inon-kidona-na inon-kihatra’  ny tarika Rosiana [araka izay iantsoan-dry zareo ny mpanao hetsi-panoherana any anaty fanambaràna ofisialin'i Putin].

Araka ny fanamarinan'ora hita eto, dia 20 min teo ho eo taorian'izay no nahavoatifitra azy teo amin'ny tendany, na dia nitafy ny akanjo maha-mpamonjy voina mpirotsaka an-tsitrapo azy mibaribary tsara aza izy. Efa naratra izy, saingy mbola vitan'i Olesya ny nibitsika hoe [uk]:

Maty aho

Niely be avy hatrany ilay bitsika nalefany. Na ireo media aza dia nitatitra ny fahafatesan'i Olesya :

Ny tantara tsy mampino nanjo ilay mpamonjy voina mpanampy voatifitra teo amin'ny tendany nefa mbola nahavita nibitsika hoe “maty aho”

Kanefa tsy maty i Olesya, fa nentina tany amin'ny hôpitaly ary niatrika fandidiana. Tamin'ny fotoana indrindra izay niezahan'i Maidan hanaiky ity famoizan'aina tsy mbola nisy toa azy ity, nibitsika indray izy hoe [uk]:

Velona aho! Misaotra anareo tsirairay avy izay nanohana sy nivavaka ho ahy! / Aty amin'ny hôpitaly aho. Efa tsy misy atahorana intsony ny toe-pahasalamako.

Maro no niantso an'i Olesya ho toy ny “Maherifon'i Maidan” [uk]. Nahazo mpanjohy manodidina ny 8.000 izy tao amin'ny kaontiny Twitter tao anatin'ny andro iray monja. Olona maro manerana ny tany no nandefa hafatra fanohanana :

Olesya, salamà! Aty Maosko izahay, saingy miaraka aminao kosa ary malahelo anao. Zava-dehibe no vitanao.

@OlesyaZhukovska, mahereza ary ho ela velona anie ianao! Okrainiana, Tiorka, Venezoeliana, Breziliana, ao anatin'ity daholo izahay rehetra! Fitiavana sy fihina ho anao

@OlesyaZhukovska <3 avy aty Alemaina. Salamà malaky ary mahereza. Mino ny herin'ny vahoaka aho. Mba hahazo ny demaokrasia itolomanareo anie ianareo!

Ho fankasitrahana ny zavatra vitan'i Olesya sy ny sorona nataony, nanao hetsika fanehoana firaisankina ho azy ireo Hôngora mpiasan'ny vokovoko mena :

mpirotsaka an-tsitrapo miisa 200 avy amin'ny vokovoko mena Hôngroa naneho ny firaisankinany. Salamà malaky, @OlesyaZhukovska !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.