Bilaogera Indiana Mampiharihary Ny Fomba Fangalaran-dasantsy Tamin'ny Alalan'ny Lahatsary

Screenshot from the video uploaded by Kiruba Shankar

Pikantsary avy amin'ny lahatsary nampiakarin'i Kiruba Shankar

Efa mahazatra ny fangalaran-dasantsy ao India ary fitoriana marobe mahakasika izany no mbola tsy voavaha, nanampy nampivandravandra ity olana ity ny lahatsary malaza tao amin'ny pejy Facebook-na bilaogera iray.

Nanazava ny fomba nahitàny voalohany ity halatra ity i Kiruba Shankar, mpandraharaha ara-nomerika, mpanoratra, mpampianatra, mpamboly ary bilaogera tranainy ao Chennai, India:

I just caught the staff red-handed at Bharath Petroleum fuel station on Mount Road. They tried stealing Rs.700 worth of petrol. I paid Rs.2000 for the fuel and as the meter reached Rs.1300, one of the guys tried distracting me by asking me for my car number. Immediately, his accomplice manning the fuel pump stopped the pump and quickly reset the meter. As soon as the guy asked me for the number, I smelled a rat and saw the pump just when the guy was resetting it.

Vao avy nahatratra ambodiomby mpiasa tao amin'ny tobin-dasantsy Bharat Petroleum tao amin'ny Lalana Mount aho. Niezaka nangalatra 700 Ropia (vola India) tamin'ny vidin-dasantsy izy ireo. Nandòa vola 2000 Ropia vidin'ny lasantsy aho  ka rehefa tafakatra 1300 Ropia ny teo amin'ny kaontera, mody niezaka nandrebireby ahy nanontany ny nomeraon'ny fiarako ny iray tamin'ireo mpiasa. Najanon'ireo mpiray tetika aminy avy hatrany ny paompin-dasantsy ary naveriny aotra haingana ny teo amin'ny kaontera. Raha vao nanontany ahy ilay nomerao ilay lehilahy, dia toa nahare voalavo nitsoriaka aho ary nahita ilay paompy tamin'ny fotoana namerenan'ireo mpiasa ny kaontera ho aotra (zero).

Tao amin'ny fivoahan'ny Lalana Mont ao Bharat Petroleum ao Chennai no nisehoan'izany tranga izany. Nampiakarin'i Kiruba tao amin'ny Facebook ny lahatsary, avy hatrany dia nalaza ity lahatsary maharitra iray minitra sy 44 sekondra ity ka olona maherin'ny 6000 no nizara azy ary nahitana (tiako-j'aime) 3000. Maro ireo olona nizara ny zava-niainany mitovy amin'izany tao amin'ny takelaka fametrahana fanehoan-kevitra ary nanomboka nitatitra izany ihany koa ireo fampahalalam-baovao ao an-toerana.

Rajesh Murugesan, mpaneho hevitra tamin'ilay lahatsary, nilaza hoe:

Hey guys why blame only Bharat Petroleum, it happens with all petrol bunks. our Indian officer's just need to fill their pockets and are not worried about others. These officer's to be punished or teased in public.

O ry namana, fa maninona no Bharat Petroleum ihany no omena tsiny, mitranga amin'ny tobin-dasantsy rehetra izany. Te-hameno ny paosiny fotsiny ireo mpiasam-panjakana Indiana ary tsy miraharaha ny hafa. Tokony hosaziana na dorana imasom-bahoaka ireo mpiasam-panjakana ireo.

Yashwanth Vee, mpaneho hevitra nanoratra hoe:

It is a good thing that you came out and posted this on a social network. Hope the responsible person sees this video and takes some kind of action.

Zavatra tsara fa nivoaka ianao ary nandefa ity tranga ity tao amin'ny tambajotra sosialy. Antenaina fa mahita ity lahatsary ity ny tompon'andraikitra ary handray fepetra.

Kiruba nandefa vaovao mikasika ny fepetra noraisin'ireo manampahefana:

The social media outrage coupled with the coverage in national dailies has brought this incident right up to the CMD and top management of Bharath Petroleum.

They requested Mr.Kshitij Midha, Area Sales Manager for South Chennai to meet me in person. He is incharge of overseeing 35 fuel stations, including the one where the incident took place. […]

The BPCL official did an investigation with the owner and staff at Ashwini Automobiles (the franchisee who runs the fuel station). After cross examining, they did find the two men guilty and they have been fired from their jobs. […]

BPCL has the official complaint numbers displayed in all petrol pumps but most of the customers don’t take the extra effort to lodge a complaint. He encouraged people to complain which will keep the staff grounded.

Mivantana avy hatrany any amin'ny CMD sy ny tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Bharat Petroleum ny fahatezerana tao amin'ny media sosialy miampy ny fitantaran'ny gazetim-pirenena mpivoaka isan'andro.

Nangataka tamin'Andriamatoa Kshitij Midha,Talem-paritry ny Varotra ao Atsimon'i Chennai izy ireo mba hihaona amiko mivantana. Misahana ny fanarahamaso ireo tobin-dasantsy 35 izy, anisan'izany ilay toerana nitrangan'ny fangalarana. […]

Nanatontosa fanadihadiana tamin'ny tompony sy ireo mpiasa ao amin'ny Ashwini Automobiles (orinasa mpiantoka mitantana ny tobin-dasantsy) ny manampahefana avy ao amin'ny BPCL. Taorian'ny fanadihadiana lalina, lehilahy roa no hitan'izy ireo fa meloka ka voaraoka tamin'ny asany izy ireo. […]

Manana ny isan'ireo fitarainana ofisialy napetraka tamin'ny tobin-dasantsy rehetra ny BPCL, saingy maro amin'ireo mpanjifa no tsy manao ezaka mba hametraka fitoriana. Nandrisika ny olona izy mba hametraka fitarainana izay hahatonga ny mpiasa hitandrina amin'ny asany.

Nanome soso-kevitra mba tsy ho voafitaka eny amin'ny tobin-dasantsy i Shushant Kulkarni, bilaogera avy ao Pune:

You might be getting fooled if you are not paying close attention. […] I have noticed this a lot many times, have gotten first hand experience getting cheated a couple of times :), but eventually learned the pattern. You have experienced these or may be you are not paying attention to these.

Mety ho voafitaka ianao raha tsy mitandrina. […] Nanamarika izany efa imbetsaka aho, efa niaina izany mivantana ary efa voafitaka indroa :), saingy nandray lesona tamin'izany. Efa niaina izany ianao na angamba koa mety tsy nahatandrina izany.

Nizara toro-hevitra sahala amin'izany ihany koa ny bilaogy Allrounder. Nidera ny andraikitry ny media sosialy tamin'ny fampisehoana ireo fanao ratsy eo amin'ny fiarahamonina i Vinaya Naidu tao amin'ny bilaogy Lighthouse Insights:

A rampant malpractice at most fuel stations in the country, one that needs to be tackled in these times of high fuel prices. It is interesting to observe how social media can play an important role in eliminating this, if leveraged fruitfully as Kiruba did.

Fanao ratsy mihanaka eny amin'ny ankamaroan'ireo tobin-dasantsy ao amin'ny firenena, izay mila hiadiana amin'izao fotoanan'ny vidin-dasantsy miakatra izao. Mahafinaritra ny mahita ny andraikitra lehibe sahanin'ny media sosialy amin'ny famongorana izany, raha trandrahana am-pahombiazana tahaka ny nataon'i Kiruba.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.