SARIPIKA: Olombelon'i Karaiba

Tamin'ny fanarahan-dia ny bilaogy Olombelon'i New York notontosain'ilay mpaka sary Brandon Stanton, nanatontosa ny azy manokana amin'ny tetikasa mipariaka manerantany ihany koa ireo matihanina sy ireo mpankafy amin'ny fakàna sary. Manangona ny sary sy ny tantaran'ireo olona avy amin'ny fiainana samihafa ao amin'ny bilaogy sy ny pejy Facebook izy ireo. Ity ny topi-maso ny sasany tamin'ireo pejy izay nahitana ny fandraisana anjaran'i Karaiba, ka mampiseho ny asan'ireo mpaka sary ao amin'ny faritra izay te-hampahafantatra ny fireneny na ny tanànany amin'ny alalan'ny sarin'ireo olona isan-karazany.

Iray amin'ireo tetikasam-paritra voalohany ny Humans of Aruba,(Olombelon'i Aruba) nataon'i Vanessa Paulina:

"Natahotra ny fakàntsariko ireo ramatoa raha nanatona azy ireo aho ka nandositra izy ireo avy eo. Nihaona tamiko tamim-pifaliana kosa ity rangaha ity ka nijanona aho ary nanontany azy raha afaka maka sary azy sy nanazava taminy ny tanjon'izany.  Nanaiky izy, ka nanontany an'i Fransisco Bennet izay mombamomba azy aho sy ny tsiambaratelon'ny fiainana tsara. "

“Natahotra ny fakàntsariko ireo ramatoa raha nanatona azy ireo aho ka nandositra izy ireo avy eo. Nihaona tamiko tamim-pifaliana kosa ity rangaha ity ka nijanona aho ary nanontany azy raha afaka maka sary azy sy nanazava taminy ny tanjon'izany.
Nanaiky izy, ka nanontany an'i Fransisco Bennet izay mombamomba azy aho sy ny tsiambaratelon'ny fiainana tsara.”
Sary avy amin'i Vanessa Paulina. Nahazoana alalana.

Nanome aingam-panahy an'i Corrie Scott ny Olombelon'i New York ka nanomboka ny Olombelon'i Barbados izy tamin'ny volana Septambra 2013. Araka ny filazany, ity karazana tetikasa ity dia “fomba mahafinaritra ho antsika rehetra mba hahafantarana antsika olombelona manerana izao tontolo izao”

"How long does it take you to make these hand crafted palm brooms?" "About 10 minutes not counting the collecting of the palm leaves, shredding them, gathering the wood for handles and more." "How long have you been making them? For me they are an art form in their beauty and the best broom I have ever used." "40 years." "Make lots of sales?" " Some, but only to older people as the young generation always asking me what they are for."

“Maharitra hafiriana ny fanamboaranao an'ireto kifafa amin'ny hazom-boanio vita amin'ny tanana ireto? Eo amin'ny 10 minitra eo, tsy mikaonty amin'izany ny fanangonana ravim-boanio, ny fanorotoroana azy, sy ny fanangonana hazo hoan'ny tahony sy ny sisa maro hafa”. Hafiriana no efa nanaovanao ity asa ity? Ho ahy, karazana kanto izy ity amin'ny hatsarany sy izy kifafa tsara indrindra tamin'izay  nampiasaiko” “40 taona”. “Mahalafo betsaka?”. “Vitsivitsy ihany, saingy ny antitra no tena mpividy azy, ny tanora kosa manontany ahy foana hoe atao inona itony”. Sary avy amin'i Corrie Scott, Nahazoan-dalana.

Nanomboka tamin'ny volana Oktobra 2013 kosa ny Olombelon'i St. Croix izay notontosain'i Charlene Springer:

"The Almighty Creator create all of us and then he give us a way of life. He guides the human beings with prophets to teach these human beings how they should live, how you should worship. This is why I color my beard because of our holy prophet, (peace be upon him, and peace be upon all of the holy prophets), he used to color his beard so I just do that to follow him. It is not for style or beauty, just to follow him. My prophet is Mohammed born in Saudi Arabia and his teaching are spread all over the world. His teachings does not deny any teachings of the previous prophets and actually all the previous prophets teach the same thing, it is the people that keep messing with the prophet's teachings. This is why the Almighty keeps sending different prophets to remind them that this is my way don't go astray."

“Namorona antsika rehetra ilay Nahary Tsitoha ary nanome fomba fiainana ho antsika. Nitari-dalana antsika tamin'ny alalan'ny mpaminany izy hampianatra antsika ny tokony ho fomba fiainantsika, ny fomba tokony ivavahanao. Izany no antony nandokoako ny volombavako noho ny mpaminantsika masina, (fiadanana anie ho azy, ary fiadanana ho an'ny mpaminany masina rehetra), mahazatra azy ny mandoko ny volombavany ka manao izany aho ho fanarahana azy. Tsy hoe manao style na ijerena hatsara-tarehy, fa fanarahana azy fotsiny. ny Mpaminaniko dia i Mohammed teraka tany Arabia Saodita ary miely manerantany ny fampianarany. Tsy mitsipaka nyy fampianaran'izay mpaminany teo alohany ny fampianarany ary ny marina dia mitovy ny fampianaran'ny mpaminany rehetra teo aloha, ny olona no mikorontana amin'ny fampianaran'ny mpaminany. Izany no antony mahatonga ny Tsitoha mandefa mpaminany samihafa hampatsiaro azy ireo fa tsy mandeha any amin'ny fahaverezana ny lalako.”
Saripikan'i Charlene Springer. Nahazoana alalana.

 Nanomboka nanangana ny pejin'ny Olombelon'i Bermuda kosa i John Manderson tamin'ny volana Novambra:

1397911_567566716646232_479817562_o

Teratany Bermuda i Johnny Barnes (teraka John James Randolf Adolphus Mills, 23 Jona 1923) hita manofahofa tanana amin'ny fifamoivoizana eo am-pototry ny tsipiky ny fihodinana ao Hamilton, Bermuda, manomboka ny 3:45 maraina ka hatramin'ny 10 maraina, isaky ny andro fiasana, na manorana na mibaliaka. Misy fikambanana ao  Bermuda nanamarika tamin'ny boky fitarihan-dalana sy efa niresaka ny momba azy tamin'ny horonantsarimihetsika fanadihadiana, fa fantatra amin'ny fanofahofana tanana sy ny filazana ‘Tiana anao aho, tia anao Andriamanitra,’ izy amin'ireo fiara mandalo eo mandritra ny maraina ironan'ny olona mankany Hamilton.” Saripikan'i John Manderson, Nahazoana alalana.

 

Nanangana ny Humans of Haiti (Olombelon'i Haiti) ihany koa i Nathalie Tancrede tamin'ny Novambra. Tamin'ity volana ity izy no namoaka ny pejy ary manantena “hitondra fifantohana amin'ny hatsarana sy ny fandeferan'ny vahoaka Haisiana.”

"My parents could not afford to send me to school. I now live in the streets with a few other guys." He acts tough with the others but told me privately that all he wants is to go to school and learn like the other kids.

“Tsy afa-mandefa ahy any an-tsekoly ny ray aman-dreniko. Amin'izao fotoana aho miaina eny an-dalambe miaraka amin'ny boaikely hafa.”
Mahery fihetsika izy miaraka amin'ny hafa saingy niteny manokana tamiko fa ny hany mba tadiaviny dia ny hianatra any an-tsekoly miaraka amin'ny ankizy hafa
Saripikan'i Nathalie Tancrede. Nahazoana alalana

 

Nanomboka ny Humans of the Bahamas (Olombelon'i Bahamas) i Edward Russell III rehefa nahita ny tetikasa Olombelon'i New York, taoriana kelin'izany dia nandao ny asany tao amin'ny gazety tao an-toerana izy rehefa mpanao gazety mpaka sary nandritra ny dimy taona.

I looked at this man smiling. "You want to take a picture ey?" I nodded. "Go ahead then." Took the shot. "That will be two dollars please!"

Nijery am-pitsikiana ity lehilahy ity aho.
“Te-haka sary ianao ee?”
Nihatoka ny lohako.
“Andao ary.”
Nopihana ny sary.
“Roa dolara izany azafady!”
Saripikan'i Edward Russell III. Nahazoana alalana.

 

Bobby Ramroop mamelomaso ny pejin'ny Humans of Georgetown (Olombelon'i Greorgetown ao Guyana):

1377982_437442436359741_2091216032_n

“Raha manana efitra fisakafoanana Shinoa ianao, sambany mba mivarotra akoho tena izy. Ary raha lavo ianao sy ny olona hafa, mamelà azy ireo ary maniria ny tsara indrindra ho azy ireo. Aza mandefa karatry ny krismasy izay mandrahona ny hametaka volon-katsaka amin'ny kihon-dalana roa voalohany amin'ny tsinaibeny. Raha manaraka izany ianao dia hanana fiarahamonina tsara kokoa isika.”
Saripikan'i Bobby Ramroop. Nahazoana alalana.

Ny hajian-tsary amin'ity lahatsoratra ity dia avy amin'i Corrie Scott, nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.