Okraina: “Maty Tety An-Tànako Ny Tovolahy Iray” #EuroMaidan

From the roof of Globus shopping center

Sarin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena nalaina avy any ambony tafon'ny Trano lehibe fivarotana “Globus” ao Kiev, Okraina (19 Febroary)
Sary an'i  Anastasia Vlasova © Fizakàmanana Demotix

 

Mpianatra iray ao Kiev, Okraina no nibitsika ny maraina ka hatramin'ny misasakalin'ny andro nisian'ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpanao hetsi-panoherana sy  ny polisy izay namoizana aina 25 raha kely sy naharatràna an-jatony maro.

Tamin'io andro io, 18 Febroary 2014, tsy vitan'ny parlemanta Okrainiana ny nametra ny fahefan'ny Filoha Viktor Yanukovych, izay tena lasibatra voalohany ho an'ireo hetsi-panoherana izay nitohy nandritry ny telo volana tao Maidan Nezalezhnosti [Kianjan'ny Fahaleovantena].

Ireto ambany ireto ireo bitsika nofantenana tamin'izay nalefan'i @Mira_mp izay nanatri-maso ny zava-nitranga teny aloha teny amin'ny naha-mpanao hetsi-panoherana azy tao an-kianja, ary amin'ny naha-mpirotsaka an-tsitrapo azy tao amin'ny hopitaly mba hanampy ireo naratra.

Ny bitsika voalohany dia maneho ny fiandohan'ireo fifandonana:

Toy ny mbola hifoka misimisy kokoa indray an'ity entona ity aho.

Tao Hrushevskogo [arabe nipoahan'ireo fifandonana voalohany iray volana tany aloha tany] nirehitra indray ny kodianana)

Ao amin'ny [kianja Mariinsky] mihiaka ny hoe “andevo” ny vahoaka raha manondro ireo titushki [jiolahimboto nokaramain'ny governemanta hidaroka sy hamono lolo ireo mpanao fhetsi-panoherana] sady mampiseho vola amin-dry zareo)) Nahatsiaro sahirana izy ireo ka nanodina ny lohany.

Tranolay iray mirehitra ao [an-kianjan'i Mariinsky] amin'izao fotoana izao. Amin'ny ankapobeny, tsy mazava tsara izay tena zava-mitranga eto. ary zara raha misy fifandraisana azo raisina [amin'ny tambajotra finday].

Teny an-dàlana ho any amin'ny hopitaly ny bitsika manaraka avy aminy. Ny ora dia milaza fa taorian'ny nanombohan'ny famoretana ireo mpanao hetsi-panoherana tao akaikin'ny parlemanta nataon'ny polisy sy ireo mpitandro filaminana manokana izany.

Ho any amin'ny hopitaly izahay. Maratra mafy ny roa amin'ireo sakaizan'ny raiko – eo amin'ny lohany sy ny tanany. Mikisaka ho ady an-trano ity fitakiam-panovàna ity.

Misy ny ahiahy ny amin'ny mety hisamboran'ny polisy ireo izay mitatitra ny fisian'ny naratra, ka nibitsika izy hoe:

Angamba tsy tokony ho any amin'ny hopitaly izahay. Nakleo nijanona akaikinà toeram-pivarotana fanafody iray, mikarakara ny ratran-dry zareo ary mitondra azy ireo mody.

Toariana kely dia niverina nankany Maidana izy hanaraka ny raharaha tao amin'ny parlemanta.

TAfaverina eto Maidana izahay izao. Antenaiko fa mba efa nahatsiaro saina izay i Bo,  naratra teo amin'ny lohany izy.

Teo am-pijerena ny fampitàna mivantana [avy ao amin'ny parlemanta] izahay. Nisy vehivavy lehibe iray nitney hoe : “Ireo izany ry tsy misy saina nofidian'ireo mpifanolo-bodirindrina tamiko ve ? dia ho sahirana ry zareo androany an!” Tiako ireto olonba ireto!)

Manaraka ny fampitàna mivantana avy ao Maidan [ny vahoaka] . Tsy mahazo alàlana hiditra any ireo vehivavy na lehilahy tsy mitondra [aroloha na akanjo fiarovana hafa].

Nentina niala teo tain'ny alàlan'ny fiara mpitndra marary i Rybak [mpitondra tenin'ny parlemanta].Valiny avy amin'ireo mpanao hetsi-panoherana – misy mahafantatra ve hoe fiara mpitondra marary toy inona ilay izy? tokony hotorahantsika baomban-tsolika!

Olona teo no [voalaza] fa maty. Nivadika ho ady ilay hetsi-panoherana am-pilaminana.

Mitifitra [anay] ny Berkut [andian-tafika manokana] sady mitoraka vato avy eny amin'ny Globus [Toeram-pivarotana lehibe ao Maidan].

Vahoaka sesehena no eny an'arabe. Nakatona ny metro, marobe ireo mitanjozotra ao Maidan.

Tamin'ny 6 ora hariva latsaka 7 minitra [fe-potoana nomen'ny governemanta hialan'ireo mpanao hetsi-panoherana]. Tena feno fireharehana aho amin'ireo olona tsrairay izay nitorevaka tao Maidan! Betsaka zokiolona sy vehivavy eto!

Raha vao nanomboka namely an'i Maidan ireo andian-tafika manokana dia betsaka no voalaza fa naratra tamin'ny andaniny sy ny ankilany. Nangatahan'ireo mpanao hetsi-panoherana mba handao ny toerana misy ny fifandonana ireo zaza amam-behivavy.

Tsy mahavita mijanona ato an-trano aho. Handeha ho any amin'ny hopitaly ao [amin'ny araben'i] Shovkovycha

Tsy afaka ny handainga amin'ny ray sy reniko ary i Dan aho. Nefa tsy afaka mihataka lavitra an'i Maidana koa. Vonoiko ny findaiko si tsy misy fanontaniana [azo] atao.

Avy any amin'ny hopitay ny bitsika manaraka.

Tsy milaza na inona na inona momba an'i Bo ireo mpitsabo. Tsy afaka mahita ny fanavaozam-baovao ao amin'ny [Twitter] ihany koa aho no sady efa ho lany ny vatoaratro. Any isika mihaona.

Tonga tao amin'ny hopitaly laharana 17 izahay. Feno olona marobe maratra ato! Tonga avy any i Kyevers maka sy mitatitra ireo tsy dia atahorana loatra ny ratrany.

Feno rà sy razana ato. Ity no alina nampivarahontsana indrindra teo amin'ny fiainako.

Maty tety an-tànako ny tovolahy iray naratra teo amin'ny lohany sy ny tratrany. Tsy ho adinoko mandrakizay ity alina ity.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana #EuroMaidan ao Okraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.