Mitady Izay Hoampangaina Tamin'ny Fianjerana Fanorenana Nahafatesan'Olona maro Tao Korea Atsimo

Mpianatry ny kolejy folo no maty ary 105 no naratra tamin'ny fidarabohan'ny tranobe iray tany Korea Atsimo tamin'ny 17 Febroary 2014. Ao amin'ny firenena izay mbola haingana loatra ny tsiaron'ny voina mahatsiravina tao Sampoong, izay nahafatesan'olona mihoatra ny 500, sy ireo fidarabohan'ny trano hafa mbola tadidin'ny olondehibe loatra, tondraky ny ahiahy amin'izao fiverimberenan'ny loza izao ny habaka an-tserasera sy ny adihevitra amin'ny hoe iza na inona no mila ampangaina rehefa misy ny tahaka izao.

Nitranga izao voina izao rehefa nisy ranomandry mavesatra nirodona teo amin'ny tafon'ny tranobe ahitana mpianatry ny taona voalohany avy amin'ny Oniversiten'i Pusan mianatra ny raharaham-bahiny nitoetra tao hanatontosa ny roa andron'ny fanoroana ny lalam-piofanana tokony arahina mialoha ny hirotsahana amin'ny enimbolana voalohany any.

Misy tatitra navoakan'ny gazety voalohany nanondro ny vaomieran'ny mpianatra nanomana ny lanonana [ko] tsy misy fanarahamason'ny oniversite ary indrindra indrindra, noho ny nisafidinana io toerana io, na any amin'ny Reny Natiora (lasy ankalamanjana). Nisy orampanala mavesatra [ko] tsy fahita mahazatra tao an-toerana sady nihoatra lavitra ny taham-pirotsahana ao amin'ny faritra nahazo ny tanànan'i Gyeongju nandritra ny andro maromaro misesy, ary ny vesatry ny ranomandry fotsiny, araka ny tatitra, dia efa nanery mafy andrim-by ka nampiongotra azy ireny.

Na izany aza, rehefa nandroso ny famotorana, dia maromaro ihany no tonga tamin'ny tsoa-kevitra fa voina vokatry ny nataon'olombelona azo sorohina ihany iny. Ilay fanorenana Manua Ocean Resort izay nirodana ohatra dia toa novitaina maimaika tao anatin'ny roa volana sy tapany monja [ko], ary hatramin'ny nahavitan'ny fanorenana tamin'ny 2009, dia tsy nisy fanaraha-maso fanao isam-potoana natao taminy [ko].

Tsy tahaka ny tranobe nisy nidaroka baomba io, fa nirodana noho ny havesatry ny ranomandry fotsiny. Ny voalohany indrindra mendrika hotezerana dia ireo izay nanangana ny fanorenana sy ny manatontosa ny fikolokoloana azy. Fa maninona no misy olona sasantsasany ato amin'ny randram-baovaoko ato no mbola miresaka fa tsy ampy vola ny kolejy ka nanapa-kevitra ny vaomieran'ny mpianatra ny hisafidy toerana moramora kokoa hanaovana ny fanoroana ny lalam-piofanana tokony arahina?

Ahoana ny nahatongavan'izao toe-javatra izao, na dia eo aza ny vola nolaniana [hanamafisana] ny sokajin'asam-panorenana taozava-baventy, ary na dia nisy aza izany dia mbola mahita toera-pivarotana na tetezana mirodana isika? 

Firodanan'ny Tsenambarotra Sampoong, Voinan'ny Hwaseong Sealand, Haitranon'ny Baran'i Incheon [ko], voinan'ny fanaovan-dasin'i Taean Manamoron-dranomasin… ireo rehetra ireo dia voina noho ny nataon'olombelona, mba efa nandray lesona avy amin'izy ireo ve isika? Tamin'ity fandraisam-bahinin'i Gyeongju Mauna ity dia mahatsiaro fadiranovana sy tezitra tokoa aho – noho ny fananako zanaka.

Misy zavatra itovitovizana ihany eo amin'ny firodanan'ny toerana fandraisam-bahinin'i Gyeongju sy ny fisovohana tany amin'ny angon'ny karatry ny fananambola nitranga vao haingana: ny kolontsaina “tia mandray risika” ao amin'ny fiarahamonintsika. Samy mifantoka amin'ny fanangana-java-baovao avokoa izy rehetra ireo, saingy tsy mitandrina amin'izay voina mety hitranga na tsy miraharaha ny amin'ny tokony hanaovana fikolokoloana.

Sary tamin'ny tatitry ny firodanana tao Gyeongju Mauna io, izay nozarain'ny mpiseraseran'ny vondro-piarahamonina an-tserasera ‘Tiako ny baolina fandaka’.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.