Venezoela: Noraofin'ny Polisy Ny Findain'ireo Mpanao Fihetsiketsehana

Nitatitra ireo olona marobe fa noraofin'ny polisy sy ireo manampahefana Mpiambina Nasionaly ny findain'ireo mpanao fihetsiketsehana ka voagadra ao Venezoela. Satria tonga amin'ny faha-15 andron'ny fihetsiketsehana eny an-dalambe i Venezoela, nihevitra ireo mpanao fihetsiketsehana fa hijery ny mombamomba azy ireo manokana ny polisy, sy hamafa ny sary  sy lahatsarin'ny fihetsiketsehana ary nandefa hafatra any amin'ny fianakaviana sy naman'izy ireo. José Vicente Haro, Venezoeliana mpisolovava sady mpampianatra lalàna mpiaro ireo mpianatra gadra, nisioka hoe:

Nalain'ny [polisy] teny amin'ireo voagadra ao amin'ny CICPC ny findain'izy ireo ary nilaza izy ireo [ny polisy] fa haveriny amin'ny Alatsinainy. Nojeren'ireo polisy izay tao anatin'ny findain'izy ireo.

Tamin'ny herinandro lasa, nilaza ny vaovao fa nampiasan'ny polisy handefasana hafatra mananihany hoan'ireo namany sy fianakaviany ny findain'ireo mpianatra. Nilaza i Eduardo Lischinsky izay nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana hoe:

Nampiasain'ny polisy ny findain'ireo gadra mpianatra mba hamazivaziana ireo namana sy fianakaviana miezaka miantso azy ireo.

Nilaza ihany koa i Marie Mena, mpanao gazety mpanao fanadihadiana nanaraka akaiky ny fanagadrana ireo mpianatra fa farafaharakeliny mpanao gazety roa no notazonina am-ponja ary nalain'ny Mpiambina Nasionaly ny findain'izy ireo:

Nogadraina ireo mpanao gazety @JPBIERIL sy @perezvaler17 ary nalain'ireo Mpiambina Nasionaly ny findain'izy ireo. Mitandrema @espaciopublico @ipysvenezuela

Rehefa avy niresaka tamin'ireo fianakavian'ny gadra ilay mpanao gazety LuisCarlos Díaz dia tsy vitan'ny hoe mihazona ireo finday mba hamazivaziana fotsiny ireo polisy fa mbola nofafan'izy ireo ihany koa ny sary sy ny lahatsary ary porofo hafa momba ny fihetsiketsehana tao anatin'ireo finday:

Fomba famoretana hafa ao Venezoela ny fakàna ny findain'ireo gadra mba hamafana ireo sary sy lahatsary ary hijerena ny mombamomba azy ireo manokana ao anaty finday.

Ao anatin'ny fihetsiketsehana sy noho ireo fampahalalam-baovao niharan'ny sivana, nitodika tao amin'ny aterineto ny Venezoeliana mba hizara sary, lahatsary, ary vaovao mikasika ny fihetsiketsehana sy ny famoretana taorian'izany. Nandefa lahatsary mivantana misy ny iray amin'ireo faritra nanaovana fihetsiketsehana maherisetra indrindra  ireo mpanao fihetsiketsehana tao Chacao, distrikan'i Caracas, ka olona 230.225 no efa nijery izany hatramin'ny 18 Febroary. .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.