Mpanao Sariitatra Alzeriana Miatrika 18 Volana An-tranomaizina Satria Voalaza Fa Nanimbazimba Ny Filoha

Djamel Ghanem no anarany, ary tanora Alzeriana mpanao sariitatra izy. Asa izay mbola sarotra ao amin'ny firenena anjakan'ny sivana sy ny fanenjehana ireo izay sahy maneho ny ao an-tsainy. Miatrika sazy 18 volana an-tranomaizaina i Ghanem noho ny sariitatra iray mbola tsy navoaka misy ny sarin'ny filoha Alzeriana, Abdelaziz Bouteflika ary nolazain'ny manampahefana fa manaraby azy. 

Djamel Ghanem

Djamel Ghanem tao amin'ny “Algérie Focus”. Nahazoan-dalana

Raha ny marina dia tsy misy idiran'ny filoha Bouteflika na koa milaza mivantana momba azy ilay sariitatra mbola tsy navoaka. Olom-pirenena roa mamazivazy momba ny fe-potoam-piasana fahaefatra kasain'ny ny filoha am-perinasa ankehitriny alaina indray taorian'ny fitondrany an'i Alzeria nandritra ny 15 taona no asehoan'ilay sariitatra. Mampitaha ny fe-potoam-piasana fahaefatra amin'ny lamban-jaza ilay sariitatra. Te hampita hafatra i Ghanem amin'ilay sary fa heverina toy ny zaza ny Alzeriana.

Noho izany, noentina teo anatrehan'ny fitsarana izy ary norahonana sazy an-tranomaizina. Tadiavin'ny mpampanoa lalàna ao Oran (tanàna faharoa lehibe indrindra ao Alzeria, miorina 400 kilaometatra avaratra-andrefan'ny renivohitr'i Alzeria ) mba hiaiky ity mpanao sariitatra ity fa tena nikasa hanaraby ny filoha. Saingy nolavin'i Ghanem ankitsirano izany fikasana izany.

Samy tsy nisy nametraka fitoriana an'i  Ghanem na i Bouteflika, na ireo mpanolo-tsainy. La Voix de l'Oranie (Feon'i Oran), mpampiasa an'i Ghanem teo aloha, gazety mpivoaka isan'andro fantatra amin'ny lahatsoratra fanadihadiany manohana ny fitondrana, no nitory azy noho ilay sariitatra izay mbola tsy navoaka mihitsy an-gazety akory.

Rehefa notorian'ilay gazety niasany ihany i Ghanem, dia hitany fa mikatona ho azy avokoa ny varavarana rehetra an'ireo media Alzeriana. Tamin'ny resadresaka nataon'ny Algerie-Focus taminy, nanazava i Ghanem fa sarotra taminy ny nitady mpisolovava mba hiaro azy manoloana ireo olana hafa: 

Le directeur de publication d’un autre quotidien a été menacé si jamais il me recrutait. Je suis devenu persona non grata. A travers moi, ils veulent abattre l’opposition algérienne qui dit non à un quatrième mandat

Norahonana ny talen'ny famoahan-dahatsoratra amin'ny gazety iray hafa raha vao mihevitra ny handray ahy hiasa. Nanjary olona tsy atokisana intsony aho. Amin'ny alalako no tian-dry zareo handavoana ny mpanohitra Alzeriana izay mitsipaka ny fe-potoam-piasana fahaefatra.

Taorian'ny fakàna ambavany voalohany, nangataka ny hanomezana sazy an-tranomaizina 18 volana hoan'i Ghanem ireo mpitsara. Heverina hivoaka amin'ny volana Martsa ny didim-pitsarana. Nandritra izany, naneho ny fanohanany sy firaisankina amin'i Ghanam ireo mpiserasera. Nisy ny fanangonan-tsonia antserasera mitaky ny famotsorana an'i Ghanem:

Si les médias et l’opinion se taisaient sur cette atteinte à la liberté d’expression et ces violations des droits d’un citoyen dans les bureaux d’un juge, les tribunaux pourraient demain condamner un journaliste pour avoir pensé du mal du président de la république, d’un gradé de l’armée, d’un ministre ou d’un élu. Nous signataires de cet appel exigeons l’arrêt des poursuites judiciaires engagées contre Djamel Ghanem

Raha mangina manoloana izao fanohintohinana ny fahalalam-pitenenana sy ny fanitsakitsahana ny zon'Olombelona ao anatin'ireo biraon'ny mpitsara izao ny fampahalalam-baovao sy ny hevi-bahoaka, mety hanameloka mpanao gazety mitsikera ny filohan'ny repoblika, miaramila manamboninahitra, minisitra na olom-boafidy ny fitsarana rahampitso. Mitaky ny fanatsaharana ny fanenjehana atao amin'i Djamel Ghanem izahay amin'ny alalan'ity fanangonan-tsonia antserasera ity 

Amin'ny fiarovana ny filoha amin'ny tsikera, mitady handidy hametraka foto-kevitra didy jadona eo amin'ireo olom-pirenena ny fitondrana. Ahitan-doza ny fahalalaham-pitenena ao Alzeria. Ohatra iray mivaingana amin'izany ny tranga mahazo an'i Ghanem ka miharatsy ny toe-draharaha hoan'ireo mpanao sariitatra sy ny olona sasany te-haneho hevitra .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.