Mpitsidika Mitantara Ny Fahatsapany Ho Nasian'ny Polisy Bolgara

Central Bus Station Sofia. Photo by Nikola Gruev, published on Wikipedia under CC-BY license.

Foibe Fiantsonan'ireo Fiara Mpitatitra Ao Sofia. Sary an'i Nikola Gruev, nampiasàna ny lisansa Creative Commons-BY.

 Notantarain'i Anastas Vangeli, mpahay siansa politika sady bilaogera, tao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny Facebook ny niainany ny fanorana nataon'ireo polisy Bolgara azy fony izy teny an-dàlana avy any Makedonia. Tamin'ny 9 Febroary 2014, “notànan'ny” polisy roa mitam-piadiana izy, taminà toerana mitokana iray ao amin'ny foibe fiantsonan'ny fiara mpitatitra ao Sofia, mandra-panomeny vola ho azy ireo. Raha fehezina dia hoy izy nanoratra:

Mety ho ity no iray amin'ireo zavatra ratsy indrindra nampalahelo teo amin'ny fiainako. Manampy ny hadisoam-panantenana anefa dia mbola teo koa ny fanomezan-tsiny avy amin'ny olona rehefa mba notantaraiko azy ireo ny zava-nitranga:

  • Notakiana izany aho satria manana endrika “toy ny vahiny” sy manankarena
  • Notakiana izany aho satria nidehadehaka nampidera ny boky Shina teny amiko ary niendrika mpanankarena.
  • Heverina ho efa nahalala sy efa nivonona tamin'ny zavatra toy izany aho
  • Tokony ho nijoro tsara hatramin'ny farany, ohatra, tsy hamela azy ireo hitondra ahy tany aminà efitrano mitokana, tsy mamela azy ireo haka ny volako.
  • Heverina ho tsy tokony hitaraina aho, satria zavatra miseho isanandro ny toy izany ary tsy izaho no ndeha hiavaka.

Ireny fanambaràna rehetra ireny izay tsy hoe miresaka fotsiny ny zavatra misy iainana amin'ny kolikoly hita eny rehetra eny sy ny fanararaotana ataon'ny polisy sy ny fitondràna, fa koa mikasika ny tsy fisian'ny fitserana tanteraka sy fahatsapana ny hirifirin'ny hafa, na fahatsapantena aza hoe indray andro any mety ho anjaranao. Ankoatra izay, famantarana io fa hoe efa miraviravy tànana ny vahoaka amin'ny hisian'ny fanantenana fa hisy fiovàn-javatra; ary koa amin'ny andraikitr'izy ireo tokony handraisany anjara hisian'izany fiovàna izany. Amin'ny farany, ny fanjakàna no mitàna sy ampihimamba ny fampiasàn-kery; ireo noheverina fa hiaro ahy indray no nampiasa hery namely ahy (na dia tsy manana Pasipaoro Bolgara aza aho – tsy misy sarinteny mihitsy an). Araka izany dia diso toerana daholo ireo karazana fanehoankevitra manamaivana rehetra amin'izy ity.

Ireny fihetsika rehetra ireny dia azo ampifandraisina amin'ny iray amin'ireo toetra tena mampiavaka ny “fikororosiana miala amin'ny demaokrasia,” novelabelarina nandritry ny Fihaonambe Fahafiton'ny Hetsika Manerantany Ho An'ny Demaokrasia, natao tany Lima tamin'ny Oktobra 2012:

“…lasa tena miparitaka be izao ny kolikoly ka mahatonga ny olom-pirenena hanaiky azy ho toy ny fenitra”

Nahatsiaro ireo olona naneho hevitra (amin'ny fiteny isan-karazany) ao amin'ny lahatsoratr'i Vangelis ao amin'ny Facebook  mikasika ilay tranga fa efa fomba fanaon'ny polisy Bolgara ny “mampandoa haba ny vahiny” tahaka izany, efa hatramin'ny taona 1990 – saingy tsy nampoizin-dry zareo hipongatra indray izy io amin'izao andro sy fotoana izao. Ny sasany amin'ireo mpaneho hevitra dia mampifandray an'ireny amin'izay mitranga any amin'ny firenena hafa, miala avy any Rosia hatrany  Kenya. Nanoratra ilay mpikatroka mafàna fo, Besim Nebiu, hoe:

Mariho ny fomba fanontaniany mivantana anao raha toa ka tsy maintsy handray fiaramanidina eny an-tseranana ianao. Manome ‘tombony’ azy ireo amin'ny fomba fitondràny anao izany. Nisy namako iray mipetraka any Kenya, nanoratra indray mandeha izay tao amin'ny bilaogy, nanoritsoritany ny fomba “nanòran'ireo” polisy mpandray kolikoly azy (ora 8 be izao izay niezahan-dry zareo nampitombo ny vola halainy). Mazàna dia sorohan-dry zareo “ireo mpivezivezy manahirana,” mba hahafahan'ny fihetsika adàlany miasa sy tsy dia hampisafoaka loatra, ka aorian'ny 15 minitra, avelan-dry zareo ianao, ary lasa izy mitady izay olona azony pehana moramora kokoa.

Special Winter uniform of Bulgarian Border Police. Source: Ministry of Interior.

Fitafy manokana rehefa andro ririnina, natao ho an'ireo Polisy mpiandry sisintany , natolotra [bg] tao amin'ny tranonkalan'ny Ministeran'ny Atitany. Araka ny fanambaran'ny niharam-pahavoazana, ireo manampahefana voalazany dia nitafy fanamiana maitso ary nitondra “badge” famantarana ny Polisy Kaominaly (“Ohranitelna Politsiya”), izay araka ny filazan'ny Ministera dia mitafy fanamiana manga antitra.

 Komitata, Bolgara bilaogera, dia nandika ny lahatsoratr'i Vangeli tao anatin'ny lahatsorany [bg] nomeny lohateny hoe “Miaro Antsika ry Zareo ary Tsy Fampisehoana an-tSehatra izany,” izay ahitàna fanehoam-pijery mikasika ny zava-misy ao an-toerana momba ireo fanànam-panjakana atao tantely afa-drakotra amin'ireo hetsika mampiahiahy ataon'ny polisy nefa ankalazain'ny ministera mpiahy:

Системата на МВР не е реформирана. Предното неслужебно правителство положи големи усилия, но поради липса на решителност и политическа воля, реформите останаха скромни и далеч не необратими.

Tsy nisy fanavaozana ny rafitry ny Ministeran'ny Atitany. Nanao ezaka goavana ny governemanta teo aloha, saingy noho ny tsy fisian'ny fahavononana matotra tamin'ny fandraisana fanapahan-kvitra sy ara-politika, mijanona ho zara raha misy sy lavitry ny fitsimbadihana tanteraka ny fiovàna.

Ao amin'ny lahatsorany, niresaka ihany koa i Komitata momba ny fifanakalozan-kevitra tao amin'ny Twitter [bg] ka ao anatin'izany ireo Bolgara no manontany raha manan-jo hisava azy ireo any amin'ny toeram-piantsonan'ny fiara mpitatitra ny polisy, ary nanasongadina torohay mikasika ny zon'ny olom-pirenena mandritry ny fisavana ataon'ny polisy [bg].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.