Matahotra Angaha Ireo Tiorkmenina Talohan'ny Lalao Olaimpikan'ny Andro Ririnina Ao Sochi?

Maro ny soritrasa handefasana ny ekipan'i Tiorkmenistana hilalao amin'ny Lalao Olaimpikan'ny andro ririnina 2014 ao Sochi, saingy tsy nisy tanteraka izany na dia iray aza.

“Hanararaotra ny fanasan'ny Rosiana tokoa isika amin'ny fandraisana anjara amin'ny Lalao Olaimpika 2014 ao Sochi, ka ilaina ny manomboka manao fanazarantena sahaza dieny izao “, hoy ny Filoha Gurbanguly Berdymuhamedov tamin'ny 2007.

Nandritra ny lanonana, nanantena hahita ny ekipam-pireneny tao Sochi ny Tiorkmenina saingy ny filohan'izy ireo ihany no tazan'ireo tamin'ny lanonam-pisokafana nahitana kalaza fanta-daza maro.

Turkmen President meeting with Russian leader in Sochi. Scree capture from video uploaded February 12, 2014, by Emma Harding.

Filoha Tiorkmenistana nihaona tamin'ny filoha Rosiana tao Sochi. Pikantsary avy amin'ny lahatsary nakarin'i Emma Harding tamin'ny 12 Febroary 2014.

Mavitrika tokoa ireo mpiserasera Tiorkmenina tamin'ny adihevitr'izy ireo momba ny Olaimpikan'i Sochi. Tao amin'ny etir.com, orindraharahan'ny bilaogy madinika, maro ireo naneho ny endrika fialonana tamin'ny filoha, ary koa ny fahagagany tsy nahita mpilalao avy ao Tiorkmenistana na dia iray aza. ‘A MEMORY’ naneho hevitra hoe [tr]:

Ýa nesip!

Tsara vintana izy!

Nahafinaritra ny maro amin'ireo nanatrika ny lalao mitafy amin'ny maha-mpandraharaha azy kokoa mihoatra ireo mitafy maha-mpanao fanatanjahantena azy i Berdymuhamedov, izay naka seza aoriana any amin'ny faritra ho an'ny mpanao fanatanjahantena hatramin'ny nitrosonany nanamaloka ny fandresena tsy misy iadian-kevitra azony tamin'ny hazakaza-tsoavaly nataony. NepesX namazivazy [tr] hoe:

yarysha gatnasmasa bolyala

Tsy maninona rehefa tsy mandray anjara amin'ny fifaninana izy

Mandritra izany fotoana izany, nandrandrana ny fahasimban'ny tanora ao amin'ny firenena ireo mpitsidika tao amin'ny habaky ny mpanohitra chrono-tm ka izay no nambaran'izy ireo fa antony tsy nisian'ny atleta Tiorkmenina tamin'ny Olaimpika. 

‘Sochustvushii’ [Сочувствующий] naneho hevitra hoe [ru]:

А кого посылать вся молодёж сидит на норкате тесты на употребление допинга из туркмении никто не пройдёт

Tsy nisy na dia iray aza azo nalefa [tany amin'ny Olaimpika]. Mampiasa fanafody mampatanjaka avokoa ny tanora rehetra. Tsy hisy na dia iray aza ao Tiorkmenistana hotiliana amin'ny fihinanana fanafody mampatanjaka.

Nanangana kianjan'ny ririnina ny Tiokrmenistana tamin'ny taona 2011, ary noheverina fa hiditra amin'ny lalao fanao amin'ny andro ririnina voalohany izy ireo, ka vao maika mahasanganehana ny tsy-fandraisan'izy ireo anjara.

Jorabay nanontany [ru] am-panantenana hoe:

Pochemu turkmenskix hockeistow ne otpravit’ w sleduyuschiy raz — w 2018 godu?

Maninona raha mandefa Tiorkmenina mpilalao hockey amin'ny lalao Olaimpika manaraka amin'ny taona 2018?

Ary i ‘lale’ nionona [ru] tamin'ny toetr'andro mafanan'ny firenena:

Zima y nas teplaya …vot pochemy nety spotsmenov k zimney Olimpiade,

Mafana ny ririnina aty amintsika… izany no antony tsy ananantsika atletan-dririnina.

Tsy niombokon-kevitra amin'izany i ‘Anonim’ [Аноним]:

скоро подрастут фигуристы и хоккеисты …. а так больше не вижу ни в каких вида спорта переспектив

Efa hahatratra ny fahamatorana ireo mpilalao mpikorisa an-dranomandry (skate) sy mpilalao hockey aty amintsika atsy ho atsy… Ankoatra izay dia tsy mahita taranjam-panatanjahatena azo antenaina [ho antsika] aho.

Manana politikam-panjakana mitodika any amin'ny fahasalamana sy ny fanatanjahantena i Tiorkmenistan. Eo am-pikarakarana ny fandraisana ny Lalao Aziatika Anaty Trano sy ny Haiady ny firenena ary eo ampanaganana ny Vohitra Olaimpika. Anisan'ny vinavinan'ny firenena ihany koa ny hampiantrano ny Lalao Aziatika sy ny Lalao Olaimpika amin'ny taona 2023.

Fotoana nahafahan'ity firenena fahaefatra manerantany amin'ny hadirin'ny tahirin'entona fandrehitra ity nampidera ny harenany izany, saingy misy ny mihevitra fa amin'ny fandresena rehetra voarakitra ho azony tao amin'ny fireneny manokana, ny zavatra irin'ny filoha Berdymuhamedov indrindra eto amin'izao tontolo izao dia ity meday Olaimpika Tiorkmenina tsy mety azo ity. Hatreto ny voarakitry ny repoblika amin'ny lalao dia mivaky hoe: fandraisana anjara 5, fandresena 0.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.