Mitaky Ny Hampitsaharana Fifampiraharahana Ara-barotra Feno Kolikoly Sy Tsy Ara-drariny Ny Yemenita

Niverina nidina an-dalambe ireo Yemenita mba hitaky ny harem-pireneny – ary milaza fa azo ialana ireo manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.

Amin'ny alalan'ny teny filamatra “Mitaky Ny Harenany Ny Vahoaka”, nanatevin-daharana ny Fandrindrana Ny Revolisiona Elektronika ao Yemen (YREC) ny tanora revolisionera ao Yemen mba hitaky ny fanafoanana izay faritan'izy ireo fa fifanekena ara-barotra “tsy ara-drariny”momba ny entona voajanahary navadika ho rano  (LNG), ka manatosaka ny harem-pirenena.

Araka ny fifanekena mandeha amin'izao fotoana izao, namidin'ny fitondrana telo aloha mora tamin'ny Total ao Frantsa sy ny Kogas Koreana ny LNG an'i Yemen, izay nitondra fatiantoka maherin'ny 4 miliara dolara isan-taona hoan'i Yemen. Nanambara ireo mpanao fihetsiketsehana fa namidy mora tamin'ireo orinasa ireo tamin'ny vidiny ambany noho ny vidiny eny an-tsena ny LNG, taorian'ny fifampiraharahana nanjakan'ny kolikoly. Nilaza izy ireo fa 2 dolara no nivarotan'i Yemen ny entona fandrehitra (gaz), kanefa ny vidin'ny gazy ankehitriny eny an-tsena dia 10 dolara.

Nitaky onitra manoloana ny fahavoazana nateraky ny fifampiraharahana ireo mpanao fihetsiketsehana ary nanery ny governemanta mba hamerina ny anjaran-[drenivolan’] i Yemen amin'ny famokarana LNG. Araka ny fifampiraharahana, 22 % ny anjaran-[drenivolan’]i Yemen amin'ny LNG. Mankany amin'ireo orinasa vahiny avokoa ny ambiny, indrindra ny anjaran-drenivolan'ny Total izay 39 % .

Tamin'ny Alakamisy ( 6 Febroary 2014), nokarakaraina manerana ny renivohitra Sanaa sy Hodeidah ao andrefana ireo diabe sy famoriam-bahoaka.

Protesters in the capital Sanaa marching and holding signs condemning Yemen's LNG sales agreement.

Mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny renivohitra Sanaa midina an-dalambe sy milanja sora-baventy miampanga ny fifampiraharahana ara-barotra momba ny LNG ao Yemen.


(video navoakan'i presstv)

The slogan on the sign held in Hodeida's march reads "the people want to recover their wealth...the people want to recover their gas...the people want to recover their assets"

Teny filamatra ao amin'ny sora-baventy nandritra ny diabe tao Hodeida, izay mivaky hoe “te-haka indray ny harenany ny vahoaka…te-haka indray ny entonany ny vahoaka…te-haka indray ireo anjara fananany ny vahoaka”

Tao Hodeidah, nanomboka tao an-tanànan'ny kianjan'ny Fanovana ny diabe, manavatsava arabe marobe mba hanentana ireo olom-pirenena sy mampahafantatra azy ireo ny kolikoly ambadiky ny fifampiraharahana.

Protesters in Hodeida holding signs demanding president Hadi to review Yemen's LNG deal

Mpanao fihetsiketsehana ao Hodeida milanja sora-baventy mitaky ny filoha Hadi mba handinika hamerina indray ny fifampiraharahana momba ny LNG-n'i Yemen

Roa taona lasa izay, ny YREC no nanomboka ny fanentanana tamin'ny alalan'ny teny filamatra hoe “Mitaky ny Harenany Ny Vahoaka” mba hangataka ny hamerenana ny harenany sy ny anjara fananan'i Yemen, sy hiady amin'ny kolikoly ary hitondra ireo mpanasonia kolikoly tamin'ny fifampiraharahana ho eny amin'ny fitsarana.

Marobe ireo Yemenita nandray sy nanaiky avy hatrany ny fanentanana, Yemenita izay miaritra toe-draharaha ara-toekarena sarotra dia sarotra sy mampidina ny fari-piainan'izy ireo ho any amin'ny fahantrana lalina kokoa sy mampidangana ny tahan'ny tsy fananan'asa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.