Fanentanana Fitakiana Fitovian-jom-pirenena Eo Amin'ny Lahy sy sy Vavy Saodiana

Eo an-dalana ny fanentanana izay mikendry ny hahafahan'ireo ankizy natera-behivavy Saodiana hahazo zom-pirenena Saodiana.

Ny Fanentanana Hanova ny Andininy Faha-7 Amin'ny Lalàna Momba Ny Zom-pirenena dia mitaky fanomezana zom-pirenena hoan'ireo ankizy izay Saodiana ny reniny ary tsy Saodiana ny rainy. Ireo ankizy izay manana ray Saodiana ihany no mahazo zom-pirenena ankehitriny. Midika izany fa ny ankizy Saodiana reny, ka mizaka zom-pirenena hafa ny rainy dia tsy mahazo fampianaram-panjakana na fanampiana ara-pahasalamana, ohatra.

Nizara ity ohatra ity habaky ny fanentanana [ar]:

سيف بن يزن، كغيره الكثير، ابن مواطنة سعودية من أب غير سعودي. لا يعرف وطناً غير المملكة العربية السعودية. حصل على الثانوية العامة بمعدل 98٪. بعد ذلك حاول ان يدرس الطب ولكن مُنع من تحقيق هذا الحلم بحجة أنه “أجنبي” لذلك اضطُر إلى أن يكمل تعليمه في احدى التخصصات الأخرى المتاحة للأجانب “في نظر النظام” في ذلك الوقت. فالتحق بكلية الحقوق “القانون” بجامعة الملك عبدالعزيز. وفي عام 2010 تخرج من جامعة الملك عبدالعزيز مع مرتبة الشرف بمعدل 4.69 من 5. ثم قرر مواصلة تعليمه في الخارج. لكن مرة أخرى، برنامج الابتعاث لم يقبل ضمه نظراً لأنه من “الأجانب”. إيماناً بأهمية العلم، قرر والده أن يرسله على حسابه الخاص للدراسة، وبذلك اقتطع والده من دخل العائلة وتحملت العائلة مشقة مالية مُرهِقة. حصل على ماجستير القانون التجاري الدولي من جامعة بوسطن ثم حصل على قبول بجامعة هارفرد وألتحق بها. الآن يعيش الحلم واقعاً بدراسة ماجستير القانون في جامعة هارفرد.

Tahaka ny maro hafa i Saif bin Yazen, zanaka lahinà Saodiana reny izy ary tsy Saodiana ny rainy.Tsy mahafantatra fonenana hafa ankoatran'ny Fanjakana Arabia Saodita izy. Nahazo mari-pahaizana taona farany tamin'ny lisea izy tamin'ny fitambarana isan-jato 98. Niezaka nanohy fianarana sampana dokotera izy saingy voaràra izany nofiny izany noho izy “vahiny” ary noho izany, voatery nisafidy taranja hafa izy mba hamita ny fianarany amin'ny iray amin'ireo taranja manokana misokatra hoan'ireo vahiny (araka ny lalàna). Niditra nianatra tao amin'ny Kolejy momba ny Lalàna ao amin'ny Oniversiten'i Roi Abdulaziz izy ary nahazo mari-pahaizana manokana amin'ny 4,69 samin'ny 5 AMP tamin'ny taona 2010. Tapa-kevitra hanohy ny fianarany any ivelany izy, saingy mbola tsy neken'ny Fandaharan'asa momba ny Vatsim-pianarana indray satria “vahiny”. Raha nanomboka nino ny maha-zavadehiben'ny fianarana ny rainy, tapa-kevitra handòa ny fandanian'ny zanany lahy, izay nozakain'ny fianakaviany mihitsy ny vola lany izay tena lafo dia lafo. Nahazo mari-pahaizana “maîtrise” momba ny Lalàna Ara-barotra Iraisam-pirenena tao amin'ny Oniversiten'i Boston ka noraisana ary nanohy nianatra tao Harvard.

Toy izao ny lazain'ny andininy faha-7:

يكون سعوديا من ولد داخل المملكة العربية السعودية أو خارجها لأب سعودي، أو لأم سعودية وأب مجهول الجنسية أو لا جنسية له أو ولد داخل المملكة لأبوين مجهولين، ويعتبر اللقيط في المملكة مولودا فيها ما لم يثبت العكس.

Ireo izay teraka tao anatin'ny Fanjakana Arabia Saodita na ivelany dia sokajiana Saodiana raha Saodiana ny rainy na Saodiana ny reniny ary koa raha mizaka zom-pirenena tsy fantatra ny rainy na tsy manana zom-pirenena na tsy fantatra ray aman-dreny izy. Ireo zazasary kosa dia sokajiana toy ny teraka tao amin'ny Fanjakana raha tsy hoe voaporofo ny antony hafa.

Nanatontosa fanangonan-tsonia ny fanentanana ary niantso ny vahoaka mba hanasonia izany.

Mpisera Twitter @Delilah_SD naneho hevitra hoe:

Manome zom-pirenena [Saodiana] hoan'ireo mpilalao baolina kitra sy mpanakanto isika, sy ireo izay tsy avy amin'ny firenena na tsy nanao na inona na inona mihitsy hoan'ny firenenana, nefa dia tsy mahazo ny zom-pirenena izay nateraky ny reny Saodiana!

Abdull Yazan nanampy hoe:

Ny vehivavy no atsasaky ny fiarahamonina. Izy ireo no niteraka sy manangana ny ilany hafa.

Jameel namehy hoe:

Tsy mahamenatra ve raha voatery handeha any amin'ny Minisiteran'ny Fifindram-monina ny vehivavy Soadiana mba hahazo fahazoan-dalana hitsidika ny zanany lahy manokana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.