Hitondra Filaminana Ao Yemen Ve Ny Fihaonambem-pirenena?

Tonga amin'ny fampitsaharana ihany ny fihaonambem-pirenena (NDC) tao Yemen, rehefa niitatra efa-bolana ankoatra ny enim-bolana araka ny napetraka mialoha. Raha maro ireo miarahaba an'i Yemen tamin'ity dingana ity, miandry kosa ny Yemenita raha hisy tokoa ny tena fanovana politika sy ny fiafaran'ny herisetra eny ifotony.

Ny fihaonambem-pirenena  izay nifarana tamin'ny 21 Janoary, dia efa nanomboka tamin'ny 18 marsa 2013 ary natao hifampiresahan'ny rehetra ireo fanamby marobe izay atrehin'i Yemen. Nahavita fifanakaloza-kevitra, fifampidinihana ary fifampiraharahana naharitra 10 volana, izay nanaovana ireo toromarika momba ireo fanamby, fifandonana ara-politika ary ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena samihafa ireo mpikambana 565, izay misolo tena ireo vondrona politika isan-karazany.

Fampiharana ny voalazan'ny Fifanarahan'ny Vaomieran'ny Fiarahamiasan'ny Firenena ao amin'ny Helodrano ny fifampiresahana, izay nanome tsy fanasaziana [fr] ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh ho solon'ny famindram-pahefana nataony mankany amin'ny filoha-lefiny Abdu Rabu Mansour Hadi.

Nankasitraka an'i Yemen ireo mpanaramaso iraisam-pirenena.

Masoivoho Tiorka ao Yemen, Fazli Corman, izay tonga nanatrika ny lanonam-pamaranana nisioka hoe:

Mahafinaritra ny fiarahana tao amin'ny efitra nanaovana ny lanonam-pamaranana tamin'ny fihaonambem-pirenena

Nervana Mahmoud, Bilaogera sady mpaneho hevitra Ejipsiana nisioka hoe:

Arahabaina! nahavita tsara kokoa noho ny hafa i Yemen RT  @AlArabiya_Eng: mamarana ny fihaonambem-pirenena nanahirana i Yemen

Nisioka ihany koa i Kenneth Roth, Tale mpanatanteraka ao amin'ny Fanarahamason'ny Zon'Olombelona hoe:

Ao anatin'ny faritra feno fahadisoam-panantenana, mitoetra ho tantara somary mahavelombolo ihany i Yemen satria nifarana ny Fihaonambem-pirenena. Ny lalàmpanorenana indray no dingana manaraka

Niarahaba an'i Yemen tamin'ny siokany ny sekreteran'ny Raharaham-bahiny Britanika, William Hague:

Arahabaina i Yémen  tamin'ny lanonam-pamaranana ny Fihaonambem-pirenena. Zava-dehibe ankehitriny ny fanatanterahana. Maro ny asa miandry

Mbola tsy nientanentam-po tahaka izao tamin'ny fiafaran'ny Fihaonambem-pirenena  ny Yemenita.

Safa Mubgar, mpiara-manorina ny Vodrona Tsy Miankina ao Yemen miorina ao Londra, nisioka hoe :

#Yémen (Fihaonambem-pirenena sns) – fahasahian'ny fanantenana !

Nanamarika ilay Bilaogera Alaa Isam, izay miahiahy ny amin'ny fitohizan'ny herisetra:

Malahelo manoloana ireo vola nolaniana tamin'ny fihaonambem-pirenena tao Yemen, nampiely ny fofon'ny vanjan-tafondro manerana ny firenena ny fiafaran'ny #NDCY  #YemenAtsimo

Adam Baron, mpanao gazety monina ao Yemen, nanampy hoe:

“Nifarana tamin'ny herisetra ny fihaonambem-pirenena tao Yémen, tsy misy fanomanana fifidianana” : ny lahatsoratro androany dia milaza ny ny toe-javatra momba ny @McClatchyDC.

Nahitsy fiteny i Baron tao amin'ny lahatsoratra navoakany: 

…the conference was intended to provide an inclusive forum to address the grievances of groups ranging from the Houthi rebels, who’d been the target of a series of brutal government wars, to southern separatists to disaffected youths, while undertaking wide-ranging constitutional and administrative reforms…Instead, it became an example of Yemen’s many conflicts. Initially slated to last six months, its work was the subject of repeated disagreements that led to the conference’s extension. Meanwhile, violence continued in much of the country, underlining the persistence of the political divisions.

…Natao hifampiresahana iraisan'ny rehetra ny valandresaka mba hamahàna ny ratram-pon'ireo vondrona manomboka amin'ny mpikomy Houthi, izay lasibatra tamin'ny andiam-panafihana mahery vaika nataon'ny governemanta, ka hatramin'ireo mpisintaka tatsimo, sy ny tanora tsy faly, raha nodinihana ny fanitsiana ny lalampanorenana sy ny fitantanam-panjakana… Nefa, lasa ohatra amin'ireo fifandonana marobe ao Yemen izany. Nolazaina mialoha fa haharitra enim-bolana ny fihaonambe, saingy noho ireo tsy fitovian-kevitra sesilany no nahatonga ny fanalavana azy. Na dia izany aza anefa, mbola mitohy ny herisetra any amin'ny faritra maro amin'ny firenena, izay mampisongadina ny fisian'ny fizarazarana ara-politika hatrany.

Manahy ihany koa i Danya Greenfield, talen'ny Foibe Rafik Hariri Hoan'ny Afovoany-Atsinanana fa tsy tsara fiafarana avokoa ny zava-drehetra. Hoy izy nanoratra tao amin'ny Atlantic Council :

Unfortunately, the completion of the Dialogue on its own won’t resolve these conflicts, nor will it improve economic conditions or mitigate malnutrition. These are the daily realities that plague most Yemenis, who worry about the lack of security and meeting their families’ basic needs. They have yet to see the benefits of the political transition or an improvement in the quality of their lives…Now the pressure is on for Yemen’s leaders to put the interests of the country ahead of narrow, parochial interests and make good on the demands of those who bravely put their lives on the line for change three years ago.

Indrisy, tsy hamaha ireo ady ireo ny fahavitan'ny Fifampidinihana, ary tsy hanatsara ny toekarena na hampihena ny tsy fanjarian-tsakafo. Ireo zava-iainana isan'andro tena manahirana ny ankamaroan'ireo Yemenita, izay miahiahy ny amin'ny tsy fisian'ny filaminana sy ny filàna fototry ny fianakavian'izy ireo. Mbola miandry indray ny tombotsoa avy amin'ny tetezamita politika na ny fanatsarana ny fari-piainan'izy ireo… Mankany amin'ny mpitondra ambony ao Yemen ankehitriny ny fanerena hampandroso ny tombotsoam-pirenena amin'ny fampihenana ny tombotsoa manokana ary mamaly ny hetahetan'ireo izay nanokana an-kerimpo ny fiainany hizotra mankany amin'ny fanovana tao anatin'izay telo taona izay.

Taorian'ny savorovoro 10 volana tao Yemen, faly ny Yemenita amin'ny ankapobeany satria tontosa ihany ny fihaonambem-pirenena. Ny fanontaniana dia amin'ny fomba ahoana ary rahoviana no hampiharana ireo vahaolana, satria marobe ireo Yemenita miandry izany am-panantenana, fa tsy hoe ny hitantana ny tetezamita politika ihany fa indrindra indrindra ny hanatsara ny fari-piainany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.