Gadona Toy Inona No Eny An-dalamben'i Espaina?

el sonido de las calles

“Ny feon'ny arabe”

Gadona toy inona no eny an-dalambe? Io fanontaniana io no manokatra ny “The sound of the streets – ny gadon'ny arabe” [es], horonantsary iray fanadihadiana maneho ny endriky filôzôfian'ny asa sy ny fiainan'ireo artista dimy mpivazo an-dalambe — Manuel Marcos, El Terraza de Jeréz, Pedro Queque Romero, Little Boy Kike, misy mpihira roa, ary tarika iray, Los Milchakas, izay miasa eny an-kalamanjana.

Novokarin'ny BuenaWille [es] – habaka iray mampiroborobo ireo tetikasa koltoraly – nalefa voalohany tamin'ny May 2013 ilay fanadihadiana, teo ambany lisansa Creative Commons. Amin'ny maha-tsy fitadiavam-bola azy, ny tena tanjony dia ny hanandratra ireo mozikan'ny làlana sy hampiseho ny fijoroana vavolombelon'ireny mpiangaly mozika ireny ho hitan'ny daholobe. 

“Noho ny fitiavana ny mozika sy ny fitadiavana no ilalaovako,” hoy Abdul Yabbar, mpihira sy mpitendry gitara eny an'arabe ao Granada, izay taorian'ny nahavery asa azy dia tsy nanana safidy afa-tsy ny fampiasàna ny talentany “hivoahana amin'ny fiainana.” Ireo mpandray anjara ao anatin'ilay lahatsary dia miaina sy manome ny kantony any atsimon'i Espaina, toerana anjakan'ny hafanana ary misy olona tsara fandray, raha ny filazan'izy ireo. Mitatitra ny lafintsaran'ny asa ataony ny ankamaroan'izy ireo, nefa koa miresaka mikasika ny fahasarotana tonga miaraka amin'io endri-piainana io, toy ny tsy firaharahian'ireo mpandeha an-tongotra, ny tsy fandeferan'ny manampahefana, ny tsy fitoniana ara-toekarena, ary hatramin'ny fitarainan'ny manodidina izay indraindray tonga hatramin'ny fitorahana zavatra na sakafo any amin'izy ireo noho izy ireo tsaraina ho manelingelina, toy izay nanjo indrindra an'i Abdul. 

Ity ilay fanadihadiana amin'ny endriny feno [es]: 

Misy ihany koa ireo olona izay mankafy ireto mpiangaly mozika ireto no miezaka manao izay haha-toerana mahafinaritra ny arabe. Olona iray  mpampiasa YouTube no nampakatra lahatsary iray avy amin'ny tarika  iray antsoina hoe Milchakas, izay mipoitra ao anatin'ilay lahatsary fanadihadiana, nahazo mpitsidika efa maherin'ny 7.000. Ity manaraka ity ny fanehoankevitra ao anatin'ny fampahafantarana azy : 

Ity tarika iray mahafinaritra ao Granada, Espaina ity dia manome hafaliana sy haravoana betsaka ho an'ireo mponina ao an-toerana sy mpizahatany tonga tsy mitsahatra mandalo azy ireo ao amin'ny araben'i  Alhambra ary angamba, Sacromonte. Fifangaroanà hira espaniôla, reggea ary karazany vitsivitsy hafa ny mozikan-dry zareo

Natambatry ny talentany sy ny fitiavany mozika ireto mpanakanto ireto, saingy manonofy  ny hampisondrotra ny tenany ny ankamaroany, te-ho fantatra misimisy kokoa, ary ho afaka ny hiaka-tsehatra any anaty bars. Tsy mora ny miaina an-dalambe ary tahaka ny miha-sarotra hatrany ny miasa eny amin'izy ireny. Toy izany no fandehany, ohatra, ao an-drenivohitra Espaniôla izay hameperan'ny Filankevitry ny Tanànan'i Madrid ny asa fitadiavan'izy ireo. Na iza na iza te-hilalao eny an'araben'ny renivohitra dia tsy maintsy mandalo fihainoana mba hahazo lisansa (fahazoan-dàlana) izay hahafahan'izy ireo hiasa ao amin'ny Distrika Foibe. Ny asa artistika fanao eny an'arabe izay efa nandalo fitsapàna dia mbola misedra andianà fameperana samihafa [es] momba ny ora, ny elanelana eo amin'ny mpiangaly tsirairay, ny sàkan'ny arabe nahazoan'izy ireo alàlana hilalaovany, ary ny haavon'ny fandotoana ara-peo, ankoatry ny hafa.

Niteraka kiana ireny fepetra vaovao ireny, tsy takatry ny sain'ireo mpanakanto aza. Lahatsary iray manokana ahitàna olona roa mpiangaly mozika manakiana ny didin'ny filankevitry ny tanàna. Na ny media na ny tambajotra sosialy dia samy naka ilay lahatsary mahatsikaiky sy manakiana tao amin'ny Youtube [es] izay efa nisy 350.000 sahady no nijery azy :

Ity ny ampahan-kira mitantara tarika iray izay mitonona ho Potato Omelette Band (Tariky ny Atody sy Ovy Voaendy): 

Ay mi Madrid, pobre ciudad mía, que quitan artistas para poner policías, tú que eras toda alegría, ahora gris color ceniza, no hay mejor jurado que el de la gorra, a veces no hay nada, a veces te forras …pobre músico que no se ha vendido, esta ciudad no es para artistas.

Oh ry Madrid-ko, ry tanànako mahantra izay manaisotra ny mpanakanto ka manolo azy amin'ny polisy, ianao ilay zatra mifaly ankehitriny no lasa miloko volon-davenona, tsy misy mpitsara mendrika ankoatry ny ao an-drenivohitra, matetika tsy misy na inona na inona, matetika ianao no mandravarava… mpiangaly mozika mahantra izay tsy mahavita mivarotra akory ny fahaizany, tsy natao ho an'ny mpanakanto ity tanàna ity. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.