Mampihataka Ireo Vondrom-pivavahana Ho Ivelan'ny Lalàna Ny Mpanjaka Saodiana

Namoaka didim-panjaka manendry sazy an-tranomaizina hoan'ireo Saodiana miady ivelan'ny firenena sy hoan'ireo “mpikambana amin'ny vondrom-pivavahana sady mahery fihetsika” ny mpanjakan'i Arabia Saodita Abdallah. Niteraka fanehoan-kevitra isan-karazany tao amin'ny tambajotra fampahalalam-baovao an'olo-tsotra izany didim-panjakana.

Saodiana an'arivony no nanatevin-daharana ny ady an-trano tao Syria, anisan'izany ireo tanora mpiady, ka niadi-hevitra mikasika izay tokony omena tsiny ny fampahalalam-baovao Saodiana. Nilatsaka ihany koa ny didy taorian'ny fanambaran'i Ejypta fa vondrona mpampihorohoro ny Mpirahalahy Miozolomana. 

Sampam-pahalalam-baovaom-panjakana Saodiana nitatitra hoe:

Whoever participates or is involved in hostilities outside the Kingdom or joins radical religious and intellectual groups or currents, will be sentenced by no less than three years and not more than twenty years in prison. However, the punishment will be increased to no less than five years and no more than thirty years in prison for armed forces servicemen, a royal order stated here today.

Na iza na iza mandray anjara na voasaringotra ao anaty ady ivelan'ny Fanjakana na manatevin-daharana vondrom-pivavahana sy vondrom-pandinihana mahery fihetsika, dia ho voasazy tsy latsaky ny telo taona ary tsy mihoatra ny roapolo taona an-tranomaizina. Na dia izany aza, hitombo tsy latsaky dimy taona ary tsy mihoatra ny telopolo an-tranomaizina ny sazy hoan'ireo mpitandro ny filaminana, hoy ny didihitsivolan'ny mpanjaka nilaza androany.

Na dia izany aza, tsy nambaran'ilay didihitsivolana arabo hoe “vondro-pivavahana mahery fihetsika” fa “mpivavaka sy mahery fihetsika”, izay niteraka tsikera tamin'ny fiteny tsy mazava ampiasainy. Nanomboka nampiasa diezy Twitter ireo mpiserasera: “Mampihataka ny vondrona mpirahalahy Miozolomana ho tsy ara-dalàn ny mpanjaka Abdallah.”
Mpianatra ambony momba ny siansa politika, Khalid al-Dekhayel nilaza fa tena mampihataka ny Mpirahalahy Miozolomana ho tsy ara-dalàna ny didihitsivolana:

Mampiditra ny Mpirahalahy Miozolomana ho “antokom-pivavahana na ireo izay ambara fa mpampihorohoro ao amin'ny firenena, faritra na manerantany” ny famaritana rehefa nolazain'i Ejipta fa izany izy io.

Mpisera Twitter Saodiana Sultan al-Fifi nanamarika ny amin'ny fifanoheran-kevitra tamin'ny filazana ny lalàna Sharia ho fandraràna ireo vondrom-pivavahana:

Ho fiankinantsika amin'ny fampiharana ny Sharia Islamika, homelohintsika ireo izay miaraka amin'ny Mpirahalahy miozolomana ka mampiasa ny fivavahana hahazoana tombontsoa politika.

Mpisera Twitter Abdullah al-Awlah, namoaka lohatenin-gazety tamin'ny taona 1960, raha nanohana ireo mpirahalahy miozolomana i Arabia Saodita izay manohitra ny fitondrana nasionalista notantanin'i Gamal Abdel Nasser tao Ejypta. Hoy ny vakin'ny lohateny: “Printsy Fayçal: nitolona ho fiarovana an'i Allah tamin'ny fanahiny sy ny volan'izy ireo ny mpirahalahy miozolomana.”

Midika izany fa izay olona milaza izany dia ho voasazy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.