Orampanala Ao Iran: 500.000 Tsy Mahazo Herinaratra, Entona Fandrehitra Ary Rano

Snow in Mazandaran. Source: Mehr. Photographer: Pejman Marzi.

Ranomandry ao Mazandaran. Loharano: Sampan-draharaham-baovao Mehr. Mpaka sary: Pejman Marzi.

Olona 500.000 no voalaza fa voafandrika any an-tanànakely any tsy manana herinaratra, entona fandrehitra ary rano taorian'ny tafiotran-dranomandry tany amin'ny faritany avaratr'i Iran, Gilan sy Mazandaran.

Nilaza ny manampahefana iray tao an-toerana fa iny no firotsahan-dranomandry mavesatra indrindra tao anatin'ny 50 taona. An'arivony ireo novonjena sy nampidirina tanaty fialofana vonjimaika na nampidirina hopitaly.

Nisioka i ZA1-1RA :

Tsy manahy ny ho an'ny fianakaviako aho, manana tahirim-bary am-bolana ry zareo.

Nisioka i Farshad Faryabi :

Tsy hody any Soeda ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Soedoà, Carl Blidt, [izay manohy ny dia eto Iran] fa betsaka kokoa ny ranomandry eto Iran.

Nisioka i Soheila Sadegh:

Nisy sekoly ravan'ny ranomandry tao Gilan.

Nisioka i Maysam Bizar :

Niakatra in'efatra ny vidin'ny rano nandritra ny firotsahan'ny ranomandry. Raha tsy mamindra fo eo amin'ny samy isika isika, inona no antenaintsika avy amin'ny fahavalo?

Nisioka i Mozdeh A:

Izay fitahiana ho an'ny hafa, dia ozona ho antsika.

Saham Borghani nizara sarin'ny dite sy ranomandrin'ny volana lasa (10 Janoary).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.