Bilaogera Namoaka Ny Tranonkalan'ny Kolikoly Momba an'i Sochi

The costs of the Sochi Olympics according to Alexey Navalny. Screenshot.

Ny fandaniana tamin'ny fikarakarana ny Olaimpikan'i Sochi araka an'i Alexey Navalny. Pikantsary.

Niditra tamin'ny fanentanana iadiana amin'ny kolikoly ny Rosiana mpitarika ny fanoherana sy mpikatroka miady amin'ny kolikoly sady bilaogera Alexei Navalny, tamin'ny famoahana tranonkala ahafahan'ny olona sy ny milina mifampitafa ka navoitrany tao ny nantsoiny ho ny “fandaniana marina” tamin'ny fikarakarana ny olaimpikan'i Sochi.

Nisioka i Navalny tamin'ny fanomezana ny rohin'ny tranonkala:

Ohatrinona ny lany tamin'ny Olaimpika?  Iza no nandoa izany?  Iza no nangalatra ary ohatrinona? http://t.co/FN8bZAwtdw pic.twitter.com/uCilgqiToG

Noho ny fanarahan'ny tandrefana akaiky ny antsipirihan'ny lalao, dia notaterin'ny New York Times, sy ireo fampahalalam-baovao miteny anglisy fotoana vitsy monja taorian'izany ny fanairana farany nataon'i Navalny. Nandray izany hafainganana izany ho lalao maloto sy hetsika efa niomanana ilay bilaogera Pro-Kremlin antsoina hoe Stanislav Apetyan (mitazona ny twitter @politrash):

Nisy lahatsoratra nivoaka tao amin'ny New York Times tanatin'ny 15 minitra monja taorian'ny lahatsoratr'i Navalny: http://t.co/hBHYx9Pq6n Tahaka ny mjika ihany izany!

Namaly an-tselatra ny mpakasary Ilya Varlamov:

@politrash tena normal mihitsy izany. Efa zaraina amin'ny fampahalalam-baovao mialoha ny zavatra tahaka izany, toy ny tantara nomena anao manokana. Aiza ny olana amin'izany?

Araka an'i Apetyan [ru], ny olana dia midika izany fa ny natsanganaho an'ny mpanjifa vahiny ilay tantara — ka mametraka moramora fa te-hahazo ny fifantohan'ny vahiny i Navalny. Nanambara [ru], anefa, i Varlamov fa nanome ny tantara tamin'ny fampahalalam-baovao rosiana mpanohana ny fitondrana ihany koa i Navalny, saingy tsy namoaka na inona na inona momba izany ry zareo. NIsy mpisera twitter iray hafa nitsikera an'i Navalny eo amin'ny tokontaniny iray manontolo :

@varlamov @politrash ny fanontaniana lehibe eto dia hoe ohatrinona no lany tamin'ny fikarakarana ireo toerana handraisana ny Olaimpika sy ny fampiatranoana ny lalao, sy ny hoe ohatrinona ny lany ho amin'ny fotodrafitr'asan'ny faritra.

Nilaza i Navalny fa nandainga momba ny vola lany tamin'ny tetikasan'ny Olaimpikan'i Sochi i Putin, raha nilaza izy fa nitentina 214 miliara robla izany (na manodidina ny 6,5 miliara dollars). Nanambara i Navalny fa mbola be lavitra noho izany ny tarehimarika marina, any ho any amin'ny $46 miliara. (Nisy tetikasa taloha nataon'ilay mpanao politika avy ao amin'ny fanoherana Boris Nemtsov nahita ny fandaniana ho nahatratra $51 miliara.) Ny fandresen-dahatra [ru] avy amin'ny bilaogera mpanohana ny governemanta dia nolaniana indrindra tamin'ny “Olaimpika madiodio” ny 6,5 miliara raha lany tamin'ny fikarakarana ny fotodrafitr'asan'i Sochi — lalana, fitaovam-pandraisana ary ny seranam-piaramanidina, kosa ny ambiny. Ny zavatra rehetra izay tena ilain'ny iray amin'ny faritra vitsy fitsidiky ny mpizahantany any Rosia.

Ny tarehimarik'i Navalny dia miaraka amin'ny loharanom-baovaon'ny sampandraraham-panjakana isan-karazany, araka ny filazany [ru], taorian'ny fitsarana sy ny fampijaliana ara-pieritreretana. Saingy tsy mifantoka fotsiny amin'ny tetikasam-pananganana ny fotodrafitrasan'ny lalao olaimpika ihany ny tetikasa, fa mifantoka amin'ny olona lazainy fa nahazo tombontsoa indrindra ihany koa avy amin'ny fanodikodinam-bola. Tafiditra amin'izany ny Governoran'ny Faritra Krasnodar (misy an'i Sochi) sy ny vinantolahiny; ny naman'ny filoha Putin eo amin'ny judo, ilay miliaridera Arkadiy Rotenberg; ilay mpanakarembe Vladimir Potanin; ary ny filohan'ny filankevi-pitantanan'ny Lalamby izay orinasam-panjakana, Vladimir Yakunin. Ary izany, ho an'ny sasany, no tena fanafintohinana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.