Nanome voninahitra ny nandaniana ny lalàm-panorenana vaovao tao Tonizia ireo bilaogera nanerana ny faritra, taona telo taorian'ny nanonganana ilay mpanao jadona Zeine el Abidin Ben Ali.
Amin'ny làlana tsara ny firenena hoy izy ireo, izay voalohany niditra tamin'ny atao hoe Lohataona Arabo.
Miarahaba ireo Toniziana ilay Yemenita bilaogera, Noon Arabia:
Majority vote in #Tunisia‘s National Assembly on the constitution. Congrats Tunisia, a step forward & hopeful example for the Arab Spring
— نون عربية (@NoonArabia) January 27, 2014
Lanin'ny maro an'isa tao amin'ny Antenimieram-pirenen'i #Tonizia ny lalàm-panorenana. Arahaba ry Tonizia, dingana iray mandroso any aloha & ohatra mahabe fanantenana ho an'ny Lohataona Arabo
Manaraka ny onjany eo ilay Alzeriana Megari Larbi :
Happy for Tunisia to have a new constitution. Giant step towards stability. Good luck brothers.
— Megari Larbi (@Larbi71) January 27, 2014
Faly ho an'i Tonizia manana lalàm-panorenana vaovao. Dingana goavana be mankany amin'ny fahamarinan-toerana. Mirary soa ry rahalahy.
Avy any Ejipta, mitsetra ny zava-misy ao an-tanindrazany i Mohamed El Dahshan :
WE HAVE A CONSTITUTION! Oh, sorry, I'm just celebrating with my #Tunisia friends. The Egyptian constitution is worth less than toilet-paper.
— Mohamed El Dahshan (@eldahshan) January 27, 2014
MANANA LALAM-PANORENANA ISIKA ! Oh , azafady, Eo am-panaovana fety miaraka amin'ireo namako avy any #Tonizia aho izao. Tsy ambony noho ny taratast fifirana akory ny lalàm-panorenana Ejiptiana.
Mitohy ny fampitahàna.
Borzou Daragahi mibitsika hoe :
Amazing: #Tunisia secularists & Islamists celebrate together as new constitution read aloud; big contrast to #Egypt pic.twitter.com/LbGYh7eqBQ
— Borzou Daragahi (@borzou) January 26, 2014
Tsy mampino : #Tonizia miaraka mankalaza ny laika sy ny islamista raha novakiana tamin'ny feo avo ny lalàm-panorenana ; mifangarika be amin'i #Ejipta
Ary ilay Israeliana Elizabeth Tsurkov nitefoka ny hoe :
So happy for Tunisia. They now have the most democratic constitution in MENA. All of this is thanks to the brave Tunisian people #Sidibouzid
— Elizabeth Tsurkov (@Elizrael) January 26, 2014
Faran'izay faly ho an'i Tonizia. Manana ny lalàm-panorenana faran'izay tena demaokratika ry zareo ankehitriny aty MENA. Izany rehetra izany dia noho ireo vahoaka Toniziana manam-pahasahiana.
Manampy i Carl Bildt , minisitry ny raharaham-bahiny ao Soeda :
Three years after igniting process of change in Arab world Tunisia adopts its new democratic constitution. http://t.co/z1afwKM1st
— Carl Bildt (@carlbildt) January 27, 2014
Taona telo taorian'ny dingana ho amin'ny fanovàna ato anatin'ny tontolo Arabo, mankatoa ny lalàm-panorenana demaokratikany vaovao i Tonizia.