Ejipta : Ho Toy Inona ny Hoavin'i Maréchal El Sissi?

Maréchal (-n'ny Kianja???) ankehitriny no galonan'ilay Jeneraly teo aloha lehiben'ny tafika Ejiptiana, Abdel Fattah El Sissi, ny laharana ambony indrindra amin'ny galonan'ny tafika ao amin'ny firenena. Tsy dia mazava loatra ny mikasika ilay fisondrotana, nambaran'ny filoha mpisolo toerana Adli Mansour, na efa fisavàna làlana sahady amin'ny ho fialàn'i Sissi amin'ny andraikiny sy ny hihazakazahany hirotsaka ho filoham-pirenena amin'ny fifidianana kasaina hatao amin'ny faran'ny Aprily.

Hadalàna no nandraisan'ny tambajotra sosialy an'ilay fanambaràna. 

Ilay Ejiptana Mohamed El Dahshan mitenyhoe ny fisondrotana azon'i Sissi dia hitondra soa ho an'ny tontolo iainana [ar]:

Tsara a ny nahalasa Maréchal an'i Sissi. Ho azontsika ampiasaina indray izany izao ny sorabaventy sy ny  soratra fandraikitra izay nampiasaina hanonganana ny fitndran'ny Maréchal. Tsara ho an'ny tontolo iainana ihany koa io.

Avy any Arabia Saodita, miteny i Essam Al Zamil fa fialohavan'ny haha-“filoha voahongana” azy ny fisondrotany.

Nampisondro-tena ho Maréchal i Al Sisi. Ndeha hisika hanantena hahita azy ho toy ny filoha iray voaongana.

Raha ilay Ejiptiana Noha Zayed kosa mihevitra fanaintainana hafa :

Miaraka aminà fanaintainana mafy, nisaotra an'Andriamanitra aho fa maty ny rahalahiko (maty teo an-tanan'io olon-dozabe io) noho izany dia mba tsy mahita izay zava-mitranga izy  

Ary ilay Jordaniana, Mohammad Al-Abed indray mivazivazy hoe :

Ho an'i Amr Hussein, Sissi no olona fahadimy tonga tamin'io toerana be mpitsiriritra io :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.