Mitantara Ny Fiainany Ao Amin'ny Twitter Ny Vehivavy Kyrgyz Iray Nalaina An-keriny Ho Vadiana

Na dia heloka bevava mety ahazoana sazy fito taona an-tranomaizina aza ao Kyrgyzstan ny fangalàna an-keriny ny vehivavy ho alaina ho vady, dia mijanona ho fomba fanao hita manerana ity firenena ity izany. Maro ireo Kyrgiz, indrindra fa ireo tambanivohi-dahy, no mahita fa ‘fomba amam-panao’ nasionaly sy fomba fiterahana ny fanaovana ala kachuu. Vokatr'izany, zara raha misy  ireo vavolombelona sy tra-pahavaoazana no mitatitra any amin'ny polisy, ary betsaka ireo polisy no misalasala ny hanasazy ireo manao izany.

Screenshot from video, ‘Bride Kidnapping in Kyrgyzstan', uploaded on January 17, 2012, by YouTube user Vice.

Sary nalaina tamin'ny lahatsary, ‘Fakàna An-keriny Vehivavy Ho Vady Ao Kyrgyzstan’, nakarina tamin'ny 17 Janoary 2012, an'i Vice mpampiasa YouTube .

Kanefa efa eo an-dalam-piovàna ny raharaha ao Kyrgyzstan, noho ny fandresen'ny tsirairay manampy tsikelikely amin'ny famongorana ny fomba fanao maka an-keriny ny vehivavy halaina ho vady. Tovovavy iray, antsoina hoe Roza, vao tsy ela akory izay no niharan'ny fakàna an-keriny tao Bishkek renivohitr'i Kyrgyzstan, nataonà andian-dehilahy, nanery azy hanambady ny naman'izy ireo. Voavonjy ihany ilay vehivavy rehefa niantso polisy avy hatrany ilay olona iray nanatri-maso ny fakàna an-keriny.Taorian'ny nahafaka azy, dia nanambara ny tantarany tao amin'ny Twitter (@katale_ya) i Roza. Ireto ambany ireto ny sasantsasany tamin'ireo bitsika izay tena niparitaka  vetivety tao Kyrgyzstan.

Vao omaly aho no nandray anjara voalohany tamin'ny fomba fanao nentim-paharazana tamin'ny fakàna an-keriny ny vehivavy halaina ho vady; mazava ho azy fa izaho ilay alaina ho vady, na ilay ondry, izay nandraman-dry zareo nalaina an-keriny!..

Teny an-dàlana avy niasa ka hody aho no nohazonin'izy ireo avy ao aoriana ka nilazàny hoe: “Aza matahotra, fa tsy haninona anao izahay”…

Hoy aho tany an'eritreritra hoe, “Izay no vita, Roza, ataovy veloma farany ny fiainanao! Ho entin'ireto any amin'ny tany tsy fantatra any ianao, haholany ary avy eo vonoiny…”

Mazava be fa nanohitra aho. Nasiako tamin'ny famahanana [finday] latsaka [tao anaty kitapo] aloha ny ila-mason'ny iray tamin'ireo lehilahy; namely iray hafa aho avy eo ary nanaikitra olona iray…

Niady hatramin'ny farany aho, saingy hitako nony avy eo fa tsy Uma Thurman aho [mpilalao sarimihetsika vehivavy nalaza tao Hollywood tamin'ny horonantsary mahery setra Kill Bill] ary tsy afaka hiady aminà lehilahy fito… Rehefa nanomboka reraky ny ady aho dia nanomboka nihiaka amin'izay…

Natosik'izy ireo ho ao anaty fiara aho, ary nentiny tany amin'ny toerana tsy fantatra tany, dia avy eo nobatainy tamin'ny tànany ho ao anaty trano mba hahazoany antoka fa tsy hitsoaka aho…

Rehefa niditra tao amin'ilay trano izahay, dia nahita vehivavy miray monina amiko aho nijoro teo sady nitsiky. Nisy vehivavy sy lehilahy hafa ihany koa tao, nibanjina ahy toy ny mahita irony rajako ao anaty vala fitehirizana biby irony…

Napetrak'izy ireo tao anatin'ny iray tamin'ireo efitrano aho ary nanomboka nilaza tamiko ny amin'ny hatsaran'ilay “fofombadiko”, hoe tokony hanambady azy aho, hoe hanambady ihany aho na ahoana na ahoana ary mety hanenina avy eo [raha tsy manambady azy].

Reraka sy te hatory mafy aho rehefa avy miasa, ka tsy dia tena henoko loatra ny zavatra nolazain'izy ireo … Hany ka nanapa-kevitra ny hamela azy ireo hametraka fehy loha teo amin'ny lohako aho [fihetsika maneho sy manamarika ny fanekena hanambady ilay mpaka an-keriny] mba hampitony azy ireo ka hahafahako mitsoaka moramora rehefa tonga ny maraina.

Lasa natory aho avy eo, kanefa nony afaka dimy minitra, dia niditra tao amin'ilay efitra ilay voalaza fa fofombadiko ary nilaza fa tany amin'ny ray aman-dreniko, hono; nangataka izy mba hilazako ny ray aman-dreniko [an-telefaona] fa nijanona aho ka noho izany dia efa nanaiky izy ireo [ilay fanambadiana]..

Kanefa dia noteneniko izy fa ho tsoriko amin'ny reniko ny marina, hoe tsy te hanambady aho, ary mila [ny reniko] hanavotra ahy hiala aty aho… Nisy nampaneno ny lakolosy tao am-baravarana nony avy eo! Noheverin'izy ireo fa vahiny no tonga (amin'ny 4 ora maraina!)  

Nefa polisy ilay izy! Andriamanitra ô, raha mba hainao mantsy hoe nanao ahoana ny hafaliako nahita azy ireo!!!

Nanontany ahy izy ireo raha notazonina tsy araka ny sitrapoko tao aho. Mazava loatra fa izany mihitsy no navaliko azy. Avy eo, nalain'ny polisy [ho any amin'ny biraon'ny polisy tao an-toerana] izaho, ilay ‘fofombady’ ary ny namany.

Hita fa noho ny fandraisana andraikitry ny lehilahy iray nifanolo-bodi-rindrina izay nahita azy ireo naka ahy an-keriny (nivoaka hifoka sigara teo ivelany tamin'io fotoana io mihitsy), ka niantso [polisy], ary nampilaza azy ireo ny momba ilay fiara [izay nitondran'izy ireo ahy nitsoaka].

Nandany ora efatra ny polisy nitady ahy, feno azy ireo ny tanànan'i Bishkek nitady ilay fiara…

Nametraka fitoriana aho rehefa tonga tany amin'ny [biraon'ny polisy] izahay. Ho an'ireo bandy mitapitapy: ny fakàna an-keriny [ ny vehivavy halaina ho vady] dia efa azo saziana dimy ka hatramin'ny fito taona an-tranomaizina ankehitriny!!

Kanefa nanapa-kevitra i Roza fa tsy hampiakatra fitsarana ireo lehilahy naka an-keriny azy. Na dia tsy neken'ireo marobe mpampiasa Twitter aza anefa ny fanapahan-kevitr'i Roza hamela ireo naka an-keriny azy hiala maina amin'izao ka tsy ho voasazy, nilaza izy fa tsy sitrany ny “hamotika ny fiainan'ireo lehilahy ireo”. Hoy izy nibitsika taoriana kelin'izay:

Mandeha ny fiainana na izany na tsy izany…

Tiako hadinoina ho toy ny nofy ratsy izany rehetra izany…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.