Fiarahamonim-Pirenena Ejiptiana : Avoahy i Alaa Abd El Fattah Sy Ireo Voatàna Tsy Ara-Drariny

Narindran'ny IFEX sy ny Electronic Frontier Foundation ary navoaka tao amin'ny Fihaonamben'ny Bilaogera Arabo tamin'ny 23 Janoary 2014 ity fanambaràna manaraka ity.

Nandray fepetra henjana hampanginana izay rehetra mety ho endrika fivoriana, fikambanana na fanoherana virtoaly ny “governemanta vonjimaika” miaramila any Ejipta.

Taorian'ny fahalanian'ny lalàna mandràra ny hetsi-panoherana am-pilaminana tamin'ny Novambra 2013, dia ampolony ireo mpandray anjara sy mpikarakara no naiditra am-ponja. Isan'izany i Alaa Abd El Fattah, ilay kalaza amin'ny famoronana lozisiely, mpitoraka bilaogy sady mafana fo ara-pôlitika.

Nanaovan'ny mpitandro filaminana bemidina ny tranon'i Alaa tamin'ny alin'ny 28 Novambra, novelesiny i Alaa sy ny vadiny raha nanontany ny taratasy fampisamborana, nentiny tany amin'ny toerana tsy fantatra  ary notazominy nandritra ny alina, notapenana ny masony ary nasiana rojo vy ny tànany. Amin'izao fotoana izao dia any amin'ny fonjan'i Tora, fonja tsara aro fanta-bahoaka any Ejypta, raha ara-tantara dia trano nitazonana ireo lehilahy heverina ho nanao heloka bevava sy mpampihorohoro, no tànana izy. 

Fa tsy heloka aminà herisetra no nanenjehana an'i Alaa. Fanoherana ny fampiharana ny famoretana ataon'ny fanjakàna sady mpiaro mafana fo ny fahalalahan'ny vaovao, ny lozisiely malalaka sy manana loharano misokatra, ary fijerena toerana amin'ny fiteny Arabo any Afovoany Atsinanana, izy no iray amin'ireo ejiptiana voalohany mpiserasera amin'ny aterineto nanamora ny hetsika ho amin'ny fiovana politika manodidina hevitra tsotra : fahalalahan'ny fanehoan-kevitra.

Nanampy ny tany Arabo amin'ny fananganana vondronà mpitoraka bilaogy mba hampiroboroboana ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra sy ny zo maha-olona ny bilaoginy fanta-bahoaka — noforoniny niaraka tamin'ny vadiny, Manal. Nahazo ny loka avy amin'ny Mpitati_baovao tsy voafefin'ny sisintany tamin'ny Bobs 2005 izany. Nanangona ireo bilaogy avy any amin'ny Tany Arabo ary mitahiry izany hanoherana ny famoretana ny tranonkala mpisava làlana sy vaovaon-ndry zareo, Omraneya. Izao no nolazain'ny haino aman-jery tsy miankina malaza iray : “[Omraneya dia ] indraindray tranon'ny fifandimbiasam-panehoan-kevitra ary indraindray fanamafisam-peon'ireo feo nampanginina.”

Taorian'ilay fitroarana tamin'ny 25 Janoary 2011 dia mbola nitohy nampiroborobo ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra tamin'ny alàlan'ny vovonana tety anaty aterineto i Alaa. Nanomboka hetsika iray nahafahan'ny olon-tsotra niara-niasa manerana ny firenena izy tamin'ny fandrafetana ny Lalàm-panorenana Ejiptiana. Tompon-kevitra sy nikarakara ny Tweet-Nadwas (“Fikaonan-dohan'ny Bitsika”), izay namory ireo mpikatroka mafàna fo sy mpitoraka bilaogy maneran-tany tao amin'ny Kianja Tahrir, mba handray anjara taminà endrika fifanakalozan-kevitra misokatra momba ireo olana sarotra manomboka any amin'ny Islamisma mankany amin'ny Fanavaozana ara-Toe-karena.

Aza mijery ambany amin'ny tongotsika, ‘ndao hibanjina ny ho avy sy haminavina fanjakana tonga lafatra ; izaho manokana dia tsy tia ny fanjakana saingy fantatro fa tsy hisy izany. Ho solon'izany dia tsy maintsy mifantoka amin'ny dingana izay mety hitondra ahy hanangana fanjakana ‘tsara’ aho. – Alaa Abd El Fattah (Tweet Nadwa, 14 Jona 2011)

Nogadraina na nenjehin'ireo governemanta rehetra nandray fitondrana tany Ejipta i Alaa. Tamin'ny 2006, raha mbola vao 22 taona izy dia nogadrain'ny fitondrana Mubarak. Tamin'ny 2011 nogadrain'ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika (SCAF). Nampangain'i Morsi tamin'ny 2013. Ary ankehitriny dia gadrain'ny fitondrana miaramila amin'izao fotoana izao izy. Tsy izy irery anefa no ao anatin'izany tsingerin'ny fanenjehana izany fa miaraka aminy any am-ponja koa ry Ahmed Maher, Mohamed Adel, ary Ahmed Douma, mpitolona mafana fo — izy rehetra ireo koa dia lasibatry ny fitondrana ankehitriny. Tanora an'arivony hafa ihany koa no migadra na tsy hita popoka.

Izao no nolazain'i Laila Soueif, renin'i Alaa, iray amin'ireo mpamorona ny hetsi-panoherana Kefaya ary fanta-daza ho iray amin'ireo tompon-kevitra tamin'ilay fitroarana tamin'ny volana Janoary 2011 : 

Iray amin'ireo mivantambantam-piteny sy mpanakiana tsy azo ifampiraharahana amin'ny herisetra sy famoretan'ny fanjakana an'ireo olona mitovy taona aminy i Alaa. Amin'io lafiny iray io indrindra, dia tadiavin'ireo izay eo amin'ny fitondrana hamidy am-pitsanganana ny nofinofiny ilazany fa hoe ny firenena iray manontolo no manohana azy hanohitra ny Firahalahian'ny Silamo sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny hoe i Alaa, izay tena henjankenjana amin'ny fanakianana ny Firahalahiana fony i Morsi mbola filoha, dia nanakiana – tena namelively mafimafy kokoa mihitsy aza – ny fitondrantena mamoafadin'ireo mpitandro filaminana sy ny fanapoahan'ny tafika ny nofinofin'izy ireo. Indrindra indrindra fa tsy irery izy tamin'izany hevitra izany. Ny fisamborana sy ny fanaratsiana azy amin'ny haino aman-jery dia hafatra iray ho an'ireo mpanakiana ny fitondrana mba hanakombona ny vavany.

Efa nomen'ny fitondrana amin'izao fotoana sazy mihantona herintaona tamin'ny tranga tahaka izao i Alaa (niaraka tamin'ny anabaviny Mona Seif), fa saingy fitsarana samy hafa. Mety hampitombo ny taona hoatrehan'i Alaa ny vesatra hanenjahana azy amin'izao fotoana izao. Izao no ambaran'i Ahmed Seif, rain'i Alaa Abd El Fattah sady mpiaro Zon'olombelona fanta-daza: 

“Nampiasa ny fahefana rehetra nananany mba hisakanana ny fampakarana fitsarana ambony nataon'i Alaa tsy hamerina azy any am-pona ny Fampanoavana. Efa iray volana izay no nahavita tanteraka ny fanadihadiana nataony ny Fampanoavana ary nandefa izany tany amin'ny Fitsarana heloka bevava, nefa hatramin'izao dia tsy nahazo alàlana hijery ireo antontan-taratasy ihany ireo mpisolovava, ary tsy voatondro na ny toerana na ny andro hanaovana ny fitsarana.”

Koa satria nanakaiky ny 25 Janoary, tsingerin-taona fahatelon'ilay hetsika fitakiana fanovàna, dia nasehonay ny ahiahinay hoe hanamarika firehana mampitaintaina ho an'ny fahalalahan'ny olon-tsotra any Ejipta ny raharaha Alaa.

Mangataka ny hamoahana tsy misy hatak'andro sy fitsarana tsy mitanila ho an'ireo rehetra voatàna any am-poja amin'ny tsy rariny, mifanaraka amin'ny Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny Zon'olombelona sy ny  Fifanekena Iraisam-pirenena momba ny Zo sivily sy ara-politika, izay andraisan'i Ejipta anjara ireto mpanao sonia eto ambany ireto.

Nosoniavin'ny,

7iber
Access
ActiveWatch – Media Monitoring Agency
Afghanistan Journalists Center
Arab Digital Expression Foundation
Arabic Network for Human Rights Information
ARTICLE 19
Association for Freedom of Thought and Expression
Association for Progressive Communication
Association of Independent Electronic Media
Bahrain Center for Human Rights
Canadian Journalists for Free Expression
Centre for Independent Journalism – Malaysia
Derechos Digitales
Digital Rights Foundation, Pakistan
Egyptian Organization for Human Rights
Electronic Frontier Foundation
Foundation for Press Freedom – FLIP
Freedom Forum
Freedom House
Freedom of the Press Foundation
Global Voices Advocacy
Globe International Center
Human Rights Watch
Independent Journalism Center – Moldova
Index on Censorship
Initiative for Freedom of Expression – Turkey
International Federation of Journalists Asia-Pacific
Internet Sans Frontières (Internet Without Borders)
IPYS Venezuela
Jadaliyya
Journalists’ Trade Union
Mada Masr
Media, Entertainment and Arts Alliance
Media Foundation for West Africa
Media Institute of Southern Africa
Media Rights Agenda
Mosireen
National Union of Somali Journalists
Norwegian PEN
Pacific Islands News Association
Pakistan Press Foundation
PEN American Center
PEN Canada
PEN International
Public Association “Journalists”
Social Media Exchange (SMEX)
The Workshops (Egypt)
World Association of Newspapers and News Publishers

Ireo olon-tsotra nanao sonia
Rasha A. Abdulla, Ph.D., avy amin'ny Anjerimanontolo Amerikana ao Kairo
Amir Ahmad Nasr, mpanoratra ny “My Isl@m”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.