Iza No Miantoka Ny Vola Lanin'ny Lalao Olaimpika Rosiana?

A photoshopped logo of the Sochi games with a saw mascot. In Russian, the verb "to saw" carries a meaning of "embezzlement." Anonymous image distributed online.

Fangon'ny Lalaon'i Sochi natao photoshop ahitana tsofa ho maskotiny (sarim-biby mampalaza azy). Amin'ny teny rosiana ny matoateny “manatsofa” dia mety hidika hoe “manodikodim-bola.” sary avy amin'olon-tsy fantatra nozaraina an-tserasera.

Mbola manohintohina ny fikarakaraka ny lalao olaimpikan'i Sochi ny fiampangana fisian'ny trangan-kolikoly. Ary tapabolana monja mialoha ny lanonam-panokafana, dia mbola misonga ny ahiahy. Ny kianjabe izay hanaovana ny lanonam-panokafana dia mbola eo am-pananganana araka ny tsaho, ary efa nitaraina tamin'ny fahasimban'ny lalana vokatry ny orana sy ny atsanga ireo mpanao gazety efa tonga any. Ankoatra izany, nilaza tamin'ny filoha Vladimir Putin ny minisitry ny angovo rosiana Alexander Novak tamin'ny 9 Janoary fa tsy mbola mandeha ny tambajotran'ny herinaratra (na dia nanambara aza izy fa ho vita tanteraka izany amin'ny 25 Janoary). Mandritra izany fotoana izany, dia nilaza ny filohan'ny Federasiona Iraisampirenenan'ny Fikorisana an-dranomandry fa “ohatra ratsy” ho an'ny tanàna handray ny lalao amin'ny manaraka ny fahalafosan'ny tetibidin'ny fanomanana ny Lalao Olaimpikan'i Sochi (lazaina ho $55 miliara).

Mailaka tamin'ny fiarovana ny tetikasany ny tao Kremlin. Nilaza ny Praiminisitra lefitra Dmitry Kozak, izay tompon'andraikitra tamin'ny fanaraha-maso ny fikarakarana fa tsy nitaraina na dia indray mandeha aza momba ny asam-panomanana ny Komity Olaimpika Iraisampirenena. Nolazainy ihany koa fa mbola ambany noho ny vola lany tamin'ny Oniversiadin'i Kazan ao Tatarstan ny totalin'ny vola lany tao Sochi [ru].

Nanapa-kevitra ny hampandresy lahatra [ru] ihany koa ny Filoha Putin tamin'ny fihaonana tamin'ny mpanao gazety avy any Angletera, Etazonia, ary ny fahitalavitra shinoa sy rosiana nandritra ny tafatafa isam-bondrona. Nandritra ny tafatafa ny mpanao gazety Amerikanina George Stephanopoulos no niresaka momba ny tsahon'ny kolikoly. Nahay nanodina ny resaka i Putin, voalohany tamin'ny filazana fa diso filaza momba ny fiampangan'ny filohan'ny ISF (Federasiona Iraisampirenena) an'i Rosia ny gazety mba handafosan-gazety maromaro kokoa. Taorian'izany dia nomarihany fa tsy nahita porofo fisian'ny kolikoly na fanodikodinam-bola izy:

[…] если у кого-то есть конкретные данные о коррупционных проявлениях в связи с реализацией сочинского олимпийского проекта, мы просим предоставить нам эти объективные данные. Мы будем рады и благодарны и используем эту информацию для того, чтобы наводить порядок в этой сфере.

[…] raha misy manana porofo mazava amin'ny fisian'ny kolikoly misy ifandraisany amin'ny fananganana ny tetikasan'ny Lalao Olaimpikan'i Sochi , dia mitady izany tahirin-kevitra izany izahay. Ho faly sy hankasitraka izahay ary hampiasa ilay vaovao hampiverina ny filaminana ao amin'ity sehatra ity.

Namaly bontana ny mpanao politika avy amin'ny fanoherana Boris Nemtsov, izay efa nanoratra gazety fotsy [ru] momba ny kolikoly tao Sochi, ary nilaza fa mihoatra ny antsasa-manilan'ny tetikasa fanomanana ny lalao olaimpika no voaodina:

Надо помнить, что главным инвестором в Олимпиаду стали российские пенсионеры, учителя, врачи и военные. Именно они заплатили за всю эту аферу и фестиваль воровства.

Tokony hotsaroantsika fa ny tena mpampiasa volatamin'ny fanomanana ny lalao olaimpika dia ireo Rosiana mpisotro ronono, mpampianatra, dokotera ary miaramila. Ry zareo no mandoa ny lany rehetra amin'ity hosoka sy ny fetiben'ny halatra ity.

Russian pensioner -- the "General sponsor of the 2014 Olympics." Anonymous image distributed online.

Rosiana mpisotroronono — ilay “mpanohana ara-bola ankapoben'ny Lalao Olaimpika 2014.” sary avy amin'ny olon-tsy fantatra nozaraina an-tserasera.

Mety ho kely loatra, tara loatra ny fandresen-dahatr'i Putin. Niely nanerana [ru] ny tambajotra sosialin'i Rosia manokana antsoina hoe VKontakte ny lahatsoratra navoakan'i Nemtsov tamin'ny Facebook. Nisy fitsapa-kevitra niseho tampoka teo amin'ny fanambanin'ny pejy nanontany hoe: “Inona no nantenain'ny [PM lefitra] Kozak?” Manakaiky ny 80% no namaly fa nantenain'i Kozak ho adala tsy misy atidoha ny vahoaka.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.