Shina: Avoahy Ilham Tohti — Tohano ny Fampihavanana Ara-Poko

Free Ilham Tohti! by Twitter user @HisOvalness

Avoahy Ilham Tohti! avy amin'ny mpisera Twitter @HisOvalness

Nosamborin'ny polisy tamin'ny 15 janoary teo i Ilham Tohti, mpanorina ny Uyghur Online sady mpisolovava tony fihetsika ho amin'ny politikan'ny fizakantenan'ny foko ao Shina. Mametraka azy ho mpisintaka ny mpitondratenin'ny Antoko Komonista Shinoa (CCP). Maro amin'ny avara-pianarana fanta-bahoaka no mandresy lahatra fa mety hiafara amin'ny toe-draharaha tsy azo avotana intsony momba ny fampihavanana ara-poko ao Shina ny fitsarana azy.

Saingy tsy mitovy amin'izany kosa ny eritreritry ny Shinoa mpitondra amin'izao fotoana izao. Ny milina mpampiely ny hevitry ny Antoko Komonista Shinoa isoloan'ny Global Times vava dia niteny tamin'ny matoandahatsoratry ny 18 janoary fa manana fifandraisana akaiky amin'ny Kongresy Uyghur Manerana Izao Tontolo Izao, vondrona ampitan-dranomasina izay tondroin'ny CCP ho mpisintaka faratampony, i Ilham Tohti. Ampangain'ny tatitra ihany koa i Ilham Tohti ho mpandrisika ny mpiara-mianatra aminy sy mpampiely tsaho sy hevitra mampisintaka amin'ny alalan'ny Uyghur Online, tranonkala iray naorina tamin'ny 2006 hiresaka momba ny fifandirana ara-poko ao Shina avy amin'ny fomba fijery Uyghur. Tsy azo nidirana intsony moa ny tranonkala hatramin'ny nisamborana an'i Ilham.

Araka ny voasongadina ao amin'ny fanangonan-tsonia an-tserasera nosoniavin'ny avara-pianarana Shinoa mihoatra ny 1000 ho famoahana an'i Ilham Tohti, dia nanana anjara toerana manana ny lanjany tamin'ny fampihavanana ara-poko ao Shina ity profesora Uyghur mampianatra ao amin'ny Oniversite Minzhu ao Beijing ity:

Ilham Tohit has always opposed Xinjiang independence and violence of any kind. He actively pushes for friendly communication between Uighurs and Chinese. He put his faith of solving the Xinjiang issue in the Chinese government adjusting its problematic Xinjiang policy. Because of this, he has criticized the Chinese government’s Xinjiang policy, and at the same time, proposed various changes. His criticism and suggestions are all based on serious academic research. He is regarded by the intellectual community as a precious man who bridges Uighurs with Chinese, and by the local Xinjiang people as a courageous representative of Uighurs. In the future, he should be an important civic leader in solving the Xinjiang issue, and play an irreplaceable role in ethnic reconciliation.

Nanohitra hatrany ny fahaleovantenan'i Xinjiang sy ny herisetra amin'ny endriny rehetra i Ilham Tohit. Navitrika hatrany izy tamin'ny isian'ny fifandraisana am-pirahalahiana eo amin'ny Uyghur sy ny Shinoa. Nametraka ny fitokisany amin'ny famahana ny olana ara-politikan'i Xinjiang eo ampelatanan'ny governemanta Shinoa izy. Noho izany toe-javatra izany, nitsikera ny politikan'ny governemanta Shinoa momba an'i Xinjiang izy, sady manolotra fanovana isan-karazany mandritra izany fotoana izany. Miorina amin'ny fikarohana akademika tena matotra ny tsikerany sy ny tolokeviny. Jeren'ny vondro-piarahamonina avara-pianarana ho olona sarobidy mampifandray ny Uyghur sy ny Shinoa izy, ary jeren'ny vahoaka monina ao Xinjiang ho solontena mahasahisahy ny Uighur izy. Rahatrizay, tokony ho mpitarika sivika manandanja amin'ny amin'ny raharaha Xinjiang, ary manana anjara andraikitra tsy voasolo amin'ny fampihavanana eo amin'ny foko. 

Since the 2008 Lhasa violence to the 2009 Urumqi riots to today, the failure of China’s ethnic policy is obvious to all. The detention of Ilham Tohti demonstrates that the Chinese government is continuing its mistakes. The Communist Party’s grip on power is temporary, but the wellbeing of the Chinese people should be lasting. The Chinese Communist Party maintains present stability by sacrificing the future of the people. Every Chinese citizen has the right to hold the Communist party accountable, taking shared responsibility for the sake of the future of the country. Citizens of other countries may also pay attention to this event, because the suffering of the Uighur people is the suffering of all human beings, and China’s failure could jeopardize the entire world.

Miharihary amin'ny rehetra tsy fahombiazan'ny politika ara-pokon'i Shina hatramin'ny herisetra tany Lhasa tamin'ny 2008 ka hatramin'ny rotaka tao Urumqi tamin'ny 2009 ary mandraka ankehitriny. Ny fitazonana an'i Ilham Tohti no manaporofo fa mbola manohy ny fahadisoany hatrany ny governemanta shinoa. Mandalo ny fifikiran'ny Antoko Komonista eo amin'ny fahefana fa tokony haharitra mandrakizay kosa ny mahasoa ny vahoaka shinoa. Mifikitra amin'ny fitombenana misy ankehitriny ny Antoko Komonista Shinoa amin'ny fanaovana sorona ny hoavin'ny vahoaka. Manan-jò hitazona ny Antoko Komonista ho tompon'andraikitra ny olom-pirenena shinoa tsirairay avy, mandray ny andraikitra nozaraina ho fiahiana ny hoavin'ny firenena. Mety hifantoka amin'ity raharaha ity ihany koa ny olona avy amin'ny firenenkafa, satria ny fijalian'ny vahoaka Uighur dia fijalian'ny olombelona rehetra, ary mety hampididoza an'izao tontolo izao iray manontolo ny tsy fahombiazan'i Shina

Araka ny filazan'ny vadin'i Ilham, tao amin'ny kaonty iray noraiketin'ny mpanoratra Tibetana Woeser, dia nosamborina manoloana ireo zanany lahy i Ilham ary noraofina ireo solosainany:

Probably between 3:30 and 4:00, there was knocking on Ilham’s door. Ilham opened the door and a line of Xinjiang police burst in, pushing him onto the sofa. There were a lot of police and Ilham was quickly taken away by one group of them. The eldest son was frightened and began to cry. Ilham had time to tell his son not to cry.

Angamba teo anelanelan'ny tamin'ny telo sy sasany ka hatramin'ny efatra ora, nisy nandondona ny varavaramben'i Ilham. Nanokatra ny varavarambe i Ilham ary dia nifanesika niditra tao an-tranony ny andiana polisy Xinjiang, ary nanosika azy teo ambony sezabe. Maro ny polisy tao ary nalain'ny iray amin'ireo vondrona niboseseika tao hiaraka aminy i Ilham. Natahotra ny zanany lahimatoa ka nanomboka nitomany. Nanam-potoana nampanginana ny zanany i Ilham.

The police began to search everywhere throughout the home, including the closets and the children’s bedroom. Afterwards they took away the family’s four computers, three cell phones (including Guzelnor’s cell phone), portable hard drives, flash drives and writeable CDs/DVDs. They also took Ilham’s lesson plans, his student’s exams and essays, and books, etc. In addition, they carried off his small strongbox containing his official papers and bank cards.

Nanomboka nisavasava ny tao an-trano iray manontolo ny polisy, ka anisan'izany ny tany amin'ny efitra fidiovana sy ny efitra fandrianan'ny ankizy. Taorian'izay dia noraofin-dry zareo ny solosaina efatry ny fianakaviana, finday telo (ka tafiditra amin'izay ny findain'i Guzelnor), renikaratra fitondra, lakile USB ary kapila CD/DVD maro. Nalaindry zareo ihany koa ny drafitry ny lesona nataon'i Ilham, ny fanadinan'ny mpianany ary boky sy asa-soratra isan-karazany, sns. Ankoatra izany dia nentin-dry zareo ihany koa ny vata-vy (“coffre-fort”) keliny misy ny taratasiny ara-panjakana sy ny karatry ny bankiny.

Tamin'io andro io ihany, notafihana ihany koa ny efitra fatorian'ny mpianaratr'i Ilham anankifito ary notazonina ny mpianatra lehilahy dimy amin'izany.

Yesterday, while Ilham was being taken away by the police, 7 Uyghur students who were studying at Central Minzu University (5 males, 2 females) were taken by the police from their individual dormitories. Their cell phones, computers and bank cards were also taken. Late that night the 2 female students were released and sent home. However there is absolutely no word about the 5 male students, just as is the case with Ilham.

Omaly, raha noraofin'ny polisy i Ilham, dia nisy Uyghur mpianatra 7 izay mianatra ao amin'ny Oniversiten'i Minzu Afovoany (5 lahy, 2 vavy) nalain'ny polisy tany amin'ny efitra manokana fatorian'izy ireo tsirairay avy. Noraofina ihany koa ny findain'izy ireo, ny solosainan'izy ireo ary ny karatry ny bankin'izy ireo. Efa alina tokoa vao navotsotra ireo vehivavy mpianatra 2 ary nalefa nody. Na izany aza dia tsy misy na inona na inona fantatra momba ireo lehilahy mpianatra 5, ary tahaka izany ihany koa ny momba an'i Ilham. 

Tsy misy mahazo mivoaka ny tranony moa amin'izao fotoana izao ny fianakavian'i Ilham ary tsy misy tratra antso. Maro ny mihevitra fa midika fampanaovana ny fitenenana ho heloka bevava izao fisamborana izao. Ny fanangonan-tsonia an-tserasera dia mandrisika ny Shinoa mpitondra hamotsotra avy hatrany an'i Ilham Tohti, na raha tsy izany dia manome porofo mivaingana momba ity raharaha ity ary mamela ny mpisolovavany sy ny fianakaviany hihaona aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.