Mitaraina Amin'ny Fihisatry Ny Asa Famonjena Sy Ireo Fialofana Tsy Manara-Penitra Ireo Traboinan'ny Rivomahery Haiyan Ao Filipina

Dead bodies are still being retrieved in Palo, Leyte. Photo from Tudla.

Mbola an-dàlam-panangonana azy foana hatramin'izao ny faty any Palo, Leyte. Sary avy amin'i Tudla

Azonareo jerena ihany koa ny pejinay manokana “Mandravarava an'i Filipina i Haiyan”.

Efa volana roa mahery izao no lasa taorian'ny namelezan'ilay rivomahery Haiyan (Yolanda) ny faritra afovoan'i Filipina saingy mbola maro amin'ireo sisampaty no mitaraina mikasika ny fihisatry ny fahatongavan'ny fanampiana avy amin'ny governemanta ho an'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo. Any amin'ny tanàna kely iray ao Palo, Leyte, mbola an-dàlam-panangonana azy ny faty:

Any Brgy. San Joaquin, Palo, Leyte, volana roa mahery taorian'ny nandalovan'ilay rivomahery Yolanda, mbola an-dalam-panangonana azy foana ny faty ao amin'ny faritra iray feno honahona ao an-tanàna. Araka ny tatitr'ireo mpirotsaka an-tsitrapo manao ny asa fanangonana ny faty ao an-tanàna, tsy nahazo tohana avy amin'ny governemanta ry zareo, toy ny fitaovana na tolo-tànana amin'ny fanangonana ny razana. Misedra olana ireo mpirotsaka an-tsitrapo amin'ny fanangonana ireo razana noho ny ny tsy fahampian'ny fitaovana sy ny fahasarotan'ny fidirana amin'ilay faritra.

Namono olona maherin'ny 6.000 i Haiyan (tsy mbola nahavita namarana ny fanisàna ny namoy ny ainy ny governemanta)  rehefa nitondra onja mitovy amin'ny haavonà rihana efatra tao amin'ny faritra atsinanan'i Visayas ao Filipina. Iny no tafiotra nahery indrindra sy faran'izay namoizana aina betsaka teo an-tany tamin'ny taona 2013.

An-tapitrisa no lasa tsy manan-kialofana taorian'ny nandravaravan‘i Haiyan tanteraka ireo faritra midadasika tany an-toerana. Tacloban, renivohitry ny faritanin'i Leyte no teboka aotra ho an'ity loza voajanahary ity. Fiaramanidina kely baikoin-davitra iray an'ny “Thijs Bertels Videoproducties”  no mirakitra mazava tsara ny halehiben'ny faharavana navelan'i Haiyan tao amin'ilay tanàna

Manampy ny vesatra mianjady amin'ireo mpialokaloka ny fanorenana fialofana vonjimaika sy tsy manara-penitra voalaza fa mitentim-bidy mihoam-pampana nataon'ny governemanta. Ity tantara ratsy farany ity no mahatezitra olona maro izay niampanga ny politisiana ho mangalatra amin'ny vola natokana ho an'ny fanarenana.

Manamafy ireo mpanadihady fa lafobe tokoa ireo trano fatoriana. Raha ny fahitàna azy dia mitohy manao làlan-dririnina ny kolikoly. Mampalahelo loatra.

RT raha ekenao fa mendrika tsaratsara kokoa noho izany ireo sisampaty tamin'ny #YolandaPH ! tsy resaka fanampiana tsy manara-penira sy kitoatoa fotsiny ny #ReliefPH

Olana/sakana iraisampirnena iray ireny trano mafy tsy taka-bidy naorina ho an'ireo tra-boinan'i Yolanda ireny, sady tsy manara-penitra izy ireny no toy ny tranon-kisoa. Tsy mahavita azy!

Nefa Dinky Soliman, Sekreteran'ny Fiahiana Ara-tsosialy, dia manome toky ny vahoaka fa nanohy tsy nitsahatra nanome izay endrim-panohanana rehetra ho an'ireo tra-boina tamin'ilay rivomahery ny governemanta:

Nitontaly 3845 ny takelaka GI notsinjaraina tao Brgy. San Isidro , Tanauan , Leyte

Nitatitra ny Tudla, vondrona multimedia iray, fa ny sasany amin'ireny trano fatoriana tsy taka-bidy ireny no mijanona tsy misy mipetraka :

Volana roa mahery taorian'ny namelezan'i Yolanda (Haiyan) an'i Filipina, tsy misy mipetraka hatramin'izao ireo trano fialofana vonjimaika, na trano fatoriana ao Bliss, Tacloban .

No occupants for these controversial bunkhouses.  Photo from Tudla

Tsy misy mipetraka ireto trano fatoriana miteraka resabe ireto. Sary avy amin'ny Tudla

Manoratra mikasika izay fomba hanatsaràna ny dingana fanarenana i Eric Aseo :

Satria mbola miaritra ireo orambe mivatravatra any anaty tranolay dobo rano sy trano mitete ireo tra-boina tamin'i Yolanda, tena maika ny tokony hanaovan'ny governemanta sy ny mpitan-tsoroka iraisampirenena ny fanampenana ireny lavaka mitete ireny sy izay karazana tete rehetra mba ho tena mivaingana sy ho afaka miroso tokoa ny ezaka fanarenana.

Na eo aza ny fanehoam-pahavononana hanampy avy amin'ny firenena maro, tsy mbola tonga any Filipina ny vola araka ny  voalazan'ny Sekreteran'ny Tetibola, Florencio Abad :

Raha izay henontsika nolazain-dry zareo tany ampiandohan'ny ezaka famonjena noho ny loza naterak'i Yolanda no oharina amin'izay fahitànareo an-dry zareo amin'izao fotoana izao amin'ny fandrotsahana vola, misy tsy fitoviana be mihitsy

Mandritra izany, ireo olom-pirenena voakasik'izany, ao anatin'ny Kusog Tacloban, dia namorona fanangonan-tsonia ety anaty aterineto hangatahana amin'ireo governemanta vahiny mba hanao fitànana amin'ny antsipirihany ny fandrotsaham-bola nomeny ny governemanta ao Filipina, mba hanaraha-maso ny fampiasàna ny fanampiana iraisampirenena  :

Ny mangarahara tanteraka avy aminareo, governemanta nanolotra fanampiana, dia hahafahanay, vondrona mpanara-maso, ary olom-pirenena miasa loha amin'izany, hanery ny governemanta sy ireo mpifanaraka tsy miankina mba hitazona ny kaonty tao anatin'ny asa sarotra sy maharitra ho fanarenana sy fananganana taorian'ny Rivomahery Yolanda. Araka izany dia antenainay fa hitohy hanampy anay ianareo, governemanta vahiny— miangavy mba ampio izahay hanara-maso n y asa fananganana indray ny tanindrazanay.

Azonareo jerena ihany koa ny pejinay manokana “Mandravarava an'i Filipina i Haiyan”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.