“Vaovao Avy Eny An-doharano”: Famerenana Mamoaka Ny Rising Voices Ao Amin'ny Oximity

Tamin'ny Novambra, nifanome tànana ny Global Voices sy ny tranonkala Oximity, maodely iray vaovao mahafehy ny lahatsoratra miresaka vaovao orijinaly avy amin'olon-tsotra sy manangona ireo vaovao avy amin'ny tranonkala hafa ihany koa. Ankehitriny, hirotsaka ao koa ny Rising Voices, miaraka amin'ny “playlist” azy ireo manokana, mizara avy hatrany ny lahatsoratra. Azonareo atao ny mahita anay ho toy ny “playlist” azo trandrahana eo amin'ny tranonkala fototr'izy ireo.

Araka ny ambaran-dry zareo :

Ny iraka tontosain'ny Oximity dia ny hamerina handrafitra ny indostrian'ny filazam-baovao manontolo amin'ny alàlan'ny fanomezana safidy miainga avy any ifotony sy nasiam-panatsaràna ho an'ireo filazam-baovao tranainy ho toy ny mpamatsy vaova an'ireo filazam-baovao mahazatra amin'izao fotoana izao. Ny anatanterahantsika izany dia amin'ny alàlan'ny fanangonana mivantana ny vaovao avy eny an-doharano, fanamoràna ny fanangonana, famoahana ary fizaràna vaovao ataon'ireo mpamaky, sy fanapariahana ny votoatim-baovao amin'ny aterineto.

Toy izao no fandehany, araka ny fanazavàn'ny Global Voices:

Ny tanjon-dry zareo dia ny hanome “vaovao avy eny an-doharano” ho toy ny fanolo manoloana an'ireo filazam-baovao tranainy mpamatsy vaovao ho an'ny daholobe. Na iza na iza fikambanana na olon-tsotra dia afaka daholo hampiasa ilay tranonkala ho toy ny sehatra famoahana amin'ny anaran'ny tenany na ny famantarana azy manokana. Ary azon'ireo mpamaky atao mora foana ny mifantina avy amin'ireo votoaty marobe (amin'ny fiteny samihafa) amin'ny alàlan'ny famoronana “Playlists” an'ireo loharano na marika (Tags) aminà pejy fandraisana namboariny ho azy.

Tena mifanaraka tsara mihitsy amin'ny iraka tontosain'ny Rising Voives ny Oximity. Ny tsindrimpeon'ny Oximity dia mipetraka amin'ny “mpanoratra, fikambanana, lohahevitra ary faritra izay tsy dia mahazo fandrakofana loatra avy amin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra, sy/na mety iharan'ny familiviliana sy ny fanambaràna diso.” Ahitàna mpanoratra avy aminà ONG ka hatraminà fikambanana mpanabe sy mpanao asa soa ao amin-dry zareo – ary amin'ny tenim-pirenana maro.

Screen shot of the Rising Voices "playlist" on Oximity

Dikasarin'ny “playlist” an'ny Rising Voices oa amin'ny Oximity, 17 Janoary 2014

 Gabriela Garcia Calderon> Ny “Saharawi Voice / Feon'ny Saharaoui” dia manangona tantara avy amin'ireo olona adino any amin'ireo zanatany farany tao Afrika, ka ny tanjona dia ny hampita ny fahatsapan'ny fiainana andavanandro any Sahara Andrefana sy ny hasarotr'izany hoe miaina anaty faritra iray voabodo izany. Sahara Andrefana dia faritany iray ifandritàhana ao amin'ny faritra Maghreb, Afrika Avaratra, ary iray amin'ireo….

Eddy Avila> Fitsidihana nataonà Danois iray mpanao gazety, izay nikarakara atrikasa nandritry ny andro roa momba ny fandraisana feo tao amin'ny Paro College of Education (PCE), any Bhutan, no voalohany nahasarika ny sain'i Karma Dupchu tamin'ity sehatry ny fanaovana gazetin'olon-tsotra ity. Taorian'izay zavatra niainany izay, lasa mpandridra tao amin'ny Klioba Media-n'ny PCE izy izay..

 

Raha mahaliana anao n yhanoratra na hamerina hamoaka ny asanao ao amin'ny Oximity, jereo ny torolàlan-dry zareo ho an'ny mpanoratra, ary mifandraisa aminy !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.