GV Face: Fampikatsoana An'i Bangkok Sy Làlana Irosoana

An'aliny maro ireo nameno ny fihaonan-dàlana tao Bangkok, renivohitr'i Thailand tamin'ity herinandro ity, noho ireo vondronà mpanohitra nanamafy ny fikirizany hanongana ny governemantan'ny Praiminisitra Yingluck Shinawatra.

Ny hetsi-panoherana notarihan'ilay mpisolovava taloha, Suthep Thaugsuban, dia mikendry ny ‘hampikatso’ an'i Bangkok mandritry ny andro maro na mandra-panàla an'i Yingluck tsy ho eo amin'ny fahefana.

Ampangaina ho saribakolin'ny zokilahiny Praiminisitra taloha, Thaksin Shinawatra i Yingluck. Voaongana tanaty fanonganam-panjakana tamin'ny 2006 i Thaksin , saingy ny antokony kosa mbola mitoetra ho mpandresy hatrany tamin'ireo fitsapan-kevitra. Any an-tsesintany izy taorian'ny nanamelohan'ny fitsarana iray tao an-toerana azy ho nanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.

Ato amin'ity fizaràna anatin'ny “GV Face” ity izahay dia miresaka amin'i Saksith Saiyasombut, Thai iray mitàna bilaogy pôlitika monina ao Alemaina, ary  Aim Sinpeng, mpanoratray ao Thailand & Mong Palatino, lefitry ny mpamoaka lahatsoartra ao Azia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.