Fifandonan-Kevitry ny Hetsika #RespectMyVote (Hajao Ny Safidiko) Sy Ny ‘Bangkok Shutdown’ (Fanakatonana an'i Bangkok) Ao Thailand

A Thai farmer holds a sign that reads 'Respect My Vote' as she poses with a Thai national flag. Photo by Matthew Richards, Copyright @Demotix (1/15/2014)

Tantsaha Thailandey mitondra soratra ‘Respect My Vote’ (hajao ny safidiko) maka sary miaraka amin'ny sainam-pirenena thailandey. Saripikan'i Matthew Richards, Copyright @Demotix (1/15/2014)

Tokony hanohana sy handray anjara amin'ny fifidianana amin'ny 2 febroary ireo tezitra manohitra ny kolikoly fa tsy hanosika mankany amin'ny fananganana Vaomieram-Bahoaka tsy voafidy.

Izany no hafatra avy amin'ny vondrona sivika sy olon-tsotra izay nanao hetsika fandrehetana labozia izay any avaratr'i Thailand ny ankamaroany ho fanoherana ny hetsika fanentanana ‘Bangkok Shutdown’ [fanakatonana an'i Bangkok]. Mampiasa ny diezy Twitter #RespectMyVote ry zareo.

Ny kendren'ny mpanao fihetsiketsehana voalohany ao Bangkok dia ny hanongana ny Praiminisitra Yingluck Shinawatra izay ampangaina ho saribakolin'ny zokilahiny, ny praiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra. Tafala tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana 2006 moa i Thaksin saingy mbola nandresy ihany ny antokony tamin'ny fifidianana. Lasa sesintany izy rehefa nomelohan'ny fitsarana ao an-toerana ho nanodikodim-bola.

Nanafoana ny parlemanta i Yingluck mba ho famahana ny krizy politika. Misy fifidianana kasaina hotontosaina amin'ny volana ho avy io saingy nilaza ny ao amin'ny fanoherana fa hanao ankivy ny fombam-pifidianana ‘voakolikoly’. Nihamafy ny Hetsi-panoherana tao anatin'ny andro vitsivitsy saingy tsy nahovoka tamin'ny tsy fanetsehana tanteraka an'i Bangkok sy ny faritra hafa ao amin'ny firenena ny ao amin'ny fanoherana. Nahavita nibodo ny fihaonan-dalana lehibe fito  ao Bangkok ny mpanao fihetsiketsehana:

Tonga amin'ny andro fahadimy amin'ny #BangkokShutdown isika izao, na dia lasa tahaka ny Fibodoana ny kihon-dalana 7 ao #Bangkok sy ireo lalana sasantsasany ho an'ny mpandeha an-tongotra

Noho ny fitsipahan-dry zareo ny fifidianana, dia voatsikera ho manao hetsika ‘anti-demokratika’ ny mpanao fihetsiketsehana ao Bangkok. Nipongatra avy amin'ny maro ny diezy #RespectMyVote (HajaoNySafidiko)tao anatin'ny andro vitsivitsy handrisihana ny mpanao fihetsiketsehana hiady ho amin'ny fiovana amin'ny alalan'ny fifidianana amin'ny volana ho avy.

Hamoaka ny loniloniko ao amin'ny fifidianana ho avy. Izany farafaharatsiny no fomba tsara indrindra azo atao ao anatin'ny fampanajana ny lalàna. #respectmyvote

Izaho sy ny vadiko ao anatin'ny fandrehetan-dabozia ho amin'ny fandriampahalemana ao benjasiri #respectmyvote #nofacism

Lavitry ny #BkkShutDown sy ny fifantohan'ny fampitam-baovao, fihaonan'ny mpanohana ny fifidianana #RespectMyVote any Kalasin (Isan)

Hajao ny safidiko

Hajao ny safidiko

Eny misy olona maro any Bangkok, ary mankaleo ihany ny sioka raha marina amin'ny tenantsika isika. Ahoana kosa raha mitodika kely any amin'ireo mpandala ny #RespectMyVote

Hajao ny safidiko

Amin'ny sary ianareo mahita olona mankany amin'ny #BKKShutdown. Saingy misy olona maro manohitra azy! #RespectMyVote #PheuThai

Nisy mpanakorontana iray aza nahavita nandefa mivantana ny hafatra #RespectMyVote tany amin'ny praiminisitra teo aloha sady mpitarika ny mpanohitra Abhisit Vejjajiva.

Mandritra izany fotoana izany i Fuadi Pitsuwan miampanga ny ‘didiko fe-lehiben'ny fanehoan-kevitra manerantany’ ary miaro ny fihetsiketseham-panoheran'ny ‘Fanakatonana an'i Bangkok’:

These global commentators should spend more time pondering why some 500,000-1 million people – many of whom used to be quite complacent about and uninterested in politics – have taken to the streets demanding an end to the Thaksin regime. There must be compelling reasons to this uprising against an elected government. Its size alone makes this an unprecedented phenomenon in Thai political history.

Tokony haka fotoana betsaka kokoa ireo mpaneho hevitra manerantany ireo mamakafaka hoe fa maninona no misy olona 500.000-1 tapitrisa – izay mpanaiky ihany sy tsy liana politika ny maro amin'izy ireo nidina an-dalambe ary mitaky ny fialan'ny fitondrana Thaksin. Tsy maintsy misy antony lehibe no mahatonga ny fitroarana hanohitra ny governemanta voafidy. Na ny habeny fotsiny aza dia efa zavatra tsy mbola nisy mihitsy tamin'ny tantaram-politika thailandey

Nandritra ny tafatafa nalefa mivantana nandritra ny fotoana no nanazavan'ny mpitarika ny fihetsiketsehana ny Dr Seriny antony tsy hanohanany ny fifidianana ho avy:

Elections is just a process of democracy, but It is not democracy in itself. Being elected doesn’t mean that your corruption will be legalized or legitimized. Even when you are elected but if you do something unlawful, if you violate the laws, you violate the constitution, we have to overthrow you.

Lalana iray ao amin'ny demokrasia ihany ny fifidianana, fa tsy io akory no demokrasia. Ny nahavoafidy anao tsy midika fa lasa ara-dalana sy nekena ho ara-drariny ny kolikoly nataonao. Fa na dia voafidy aza ianao ary manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny lalàna, raha mandika ny lalàna ianao dia mandika ny lalampanorenana, tsy maintsy manongana anao izahay.

Saingy mieritreritra i Ryan Zander fa hiteraka olana bebe kokoa ho an'ny mpanohitra io Vaomieram-Bahoaka natsangana io:

How could such a council claim any authority? Doesn’t it make a million times more sense to try to win a majority of seats in the fresh round of elections so that your side could claim to represent the will of the people?

Ahoana moa no anambaran'ny vaomiera tahaka itony ny fahefany? Moa ve tsy misy dikany iray tapitrisa avo heny kokoa ny miezaka mahazo ny maro an'isan'ny toerana amin'ny fifidianana vaovao mba ahafahan'ny any aminareo milaza fa ianareo no misolotena ny faniriam-bahoaka?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.