Mandrisika ny Indiana Hanao Ny ‘Take the Poo to the Loo’

A village school in Moradabad district, Uttar Pradesh, India with toilet facilities for both boys and girls. Image by author.

Sekoly iray any an-tanàna ambanivohitr'i Uttar Pradesh, India ahitana efitra fidiovana ho an'ny zazalahy sy ho an'ny zazavavy. Ampirisihana (amin'ny alalan'ny sary sy soratra) ihany koa ny ankizy hisasa tanana amin'ny savony mialoha ny sakafo sy rehefa avy mankany an-kabone. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Tamin'ny fomba fampiasana fandaharan'asa vaovao ny fanentanana UNICEF India antsoina hoe ‘Take the Poo to the Loo’ [mifanakaiky amin'ny dikanteny hoe ataovy amin'ny pô ny loa na ataovy anaty lavaka ny diky araka ny fiteny amin'ny zazakely] no miezaka sady manaitra ny olona tsy hangery ankalamanjana intsony no hampiasa efitra fidiovana vonjimaika (maina) izay diovin'ny mpandroaka maloto.

Araka ny tatitry ny Fikambanana Mondialy misahana ny Fahasalamana (OMS) sy ny Firenena Mikambana Misahana ny Fiahiana ny Zaza (UNICEF) manombana [pdf] ny olona ao India ho eo ho eo amin'ny 620 tapitrisa, izany hoe mihoatra ny atsasa-manilan'ny mponina no mbola mangery ankalamanjana. Na dia ny tahirin-kevitra avy amin'ny fanadihadiana nataon'ny governemantan'i India (GOI) farany teo aza dia mametraka ny tarehimarika ho manodidinia ny 50 isanjato. Raha mbola mitsipozipozy hatrany ny GOI eo amin'ny fisahanana andraikitra mifandraika amin'ny fahadiovana, ny fanadihadiana farany indrindra dia mampiseho fa betsaka kokoa ny tokantrano manana telefonina/ finday noho ny tokantrano manana efitra fidiovana.

Mihoatra noho ny tsy fisian'ny efitra fidiovana

Fantatry ny manampahefana misahana ny tetikasam-panadiovana fa raha te-hanapitra fomba taloha amin'ny fanaovana maloto ankalamanjana, dia tsy maintsy atao tsapan'ny olona aloha voalohany indrindra ny antony ilana sy ampiasana efitra fidiovana ara-pahasalamana – asa sarotra indrindra any amin'ny faritra ambanivohitra izay efa nentim-paharazana, raha tsy hoe izay koa no fenitra ao amin'ny fiaraha-monina ny tsy fisian'ny henatra mandeha any an-tsaha, anaty kirihitr'ala sns hanala poritra sy/na hangery. Zavatra tsotra izany satria ‘nanao izany daholo ny olon-drehetra’. Ny marinadia tsy tian'ny olona ny manana efitra fidiovana ao an-tranony noho ny antony ara-pivavahana sy ‘ara-pahadiovana’,ny fandresen-dahatra ao amin-dry zareo dia hoe tsy mety ny mampiaraka ao anaty trano iray ny efitra fidiovana, izay zavatra ‘tsy madio’ (maloto), amin'ny lakozia sy ny toera-pivavahana.

Screenshot from the "Take the poo to the Loo" campaign website

Pikantsary avy amin'ny tranonkalan'ny fanentanana “Take the poo to the Loo”

Malathy M, tanora matihanina miasa ao amin'ny fanjakana Maharashtra misahana ny fiainana ambanivohitra, mieritreritra momba ny lohahevitra rehefa nahita ny fanaovan'ny olona ny amoron'arabe ho fanaovana maloto ankalamanjana. Misioka izy:

Zavamisy any India ny fangerena ankalamanjana ary tsy misy ny vahaolana mora.. tsy resaka tsy fahampian'ny kabone fotsiny io

Na dia ny fampiasanany kabone vonona aza dia efa fanontaniana.. Ahoana moa ny lanjan'izy io ho an'ny fianakaviana any ambanivohitra raha heverina ny zavamisy ara-piarahamonina sy ara-kolontsaina any an-toerana?

Saingy ny ankizy no mizaka indrindra ity fomba tsy mendrika ity

Ny ankizy no mora andairan'aretina indrindra rehefa kitoatoa ny fitandroana ny fahasalamana avy amin'ny faharatsian'ny toeram-pidiovana, tsy fisian'ny fahadiovana miaraka amin'ny fanaovana maloto ankalamanjana. Araka ny tatitra [pdf] navoakan'ny Sekolin'i London Misahana ny Fahadiovana (Hygiene) sy ny Fitsaboana Tropikaly,

Diarrhoeal diseases caused by inadequate sanitation and unhygienic conditions put children at multiple risks leading to vitamin and mineral deficiencies, high morbidity, malnutrition, stunting and death.

Mametraka ny ankizy ho marefo indrindra mitarika mankany amin'ny tsy fahampian'ny vitamina sy ny mineraly, taham-pahalemena (faharariana) avo, tsy fahampiantsakafo, fahataram-pitomboana ary fahafatesana ny aretin-kibo avy amin'ny tsy fisian'ny toera-pidiovana sahaza sy fepetra tsy mifanaraka amin'ny fahadiovana

Mety miharihary izany olana izany ao India, satria,

Latsaky ny 12% amin'ny ankizy any ambanivohitra nomampiasa kabone; tsara kokoa ny taha any an-drenivohitra, fa mbola tsy mahatratra ny atsasany (47%)

28 tapitrisa ny ankizy tsy manana kabone madio. Fa 5 tapitrisa monja mbola vitsy noho ny mpisera Twitter manerantany.

Rehefa nahatsapa ny faharatsian'ny toe-draharaha ny governemantan'i India dia nitady ny UNICEF India ho mpiara-miombon'antoka fototra amin'ny ady amin'ny fanaovana maloto ankalamanjana. Raha efa mpiara-miombon'antoka tamin'ny fisantarana andraikitra tamin'ny ambaratonga maro ny UNICEF, ny fanentanana #poo2loo amin'izao fotoana izao kosa dia mampiditra ihany koa ny mponina an-tanandehibe sy hanaitaitra azy ireo amin'ny tsy tokony hanaovana maloto ankalamanjana, tsy any amin'ny faritra ambanivohitra ihany fa any ambonivohitra ihany koa (ka tafiditra amin'izany koa ny ambany tanàna)

UNICEF India mampiasa tetika vaovao mampandray andraikitra ny olom-pirenena sy manao fanairana ny olona handà ny fangerena ankalamanjana.

 Amin'ny lahatsoratra roa manaraka no hijerentsika ny a) hamainan'ny efitra fidiovana sy ny fampifangaroana amin'ny ratsy ny asan'ny mpandroaka maloto any amin'ny faritra sasany ao India sy ny b) herimpon'ny ‘Mpiadin'ny Efitra Fidiovana’ sasantsasany amin'ny ezaka hampisy fiovana ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy sy ny fitakiana hanana efitra fidiovana madio sy toera-pitsaboana tsaratsara kokoa – manangana fanantenana fa ho tantara lasa tokoa izany fanaovana maloto eny ankalamanjana sy izany asan'ny mpandroaka maloto izany.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.