Ady Amin'ny Kolikoly : Kaomoro, Kamerona Ary Madagasikara

CPI Index 2013 for ssAfrica via Transparency International CC-License-BY

Tondron'ny fahitàna ny kolikoly tamin'ny 2013 tao amin'ny seha-panjakana any amin'ireo faritr'i Afrika mainty navoakan'ny Transparency International CC-Licence-BY

Tsy mino ny fisian'ny fahamarinana eo amin'ny seha-panjakana intsony ireo mponina ao Kaomoro, Kamerona ary Madagasikara, raha tsy hijery afa-tsy ny Tondro milaza ny fahitàna ny kolikoly – Index de perception de la corruption (IPC) eo amin'ny seha-panjakana, izay apetraky ny Transparency International isan-taona.

Mandrefy ny tahan'ny kolikoly eo amin'ny seha-panjakana ilay fanadihadiana navoaka ary koa “natao ho fampahatsiahivana fa mbola mitohy mandravarava any anaty fiarahamonina any ny fanamparam-pahefana, ny varo-maizina sy ny tsolotra madinidinika manerana izao tontolo izao,” hoy ny voasoratra ao amin'ilay vohikala [anglisy]. Aminà maridrefy 0 (tena feno kolikoly) hatramin'ny 100 (tena madio), dia hita fa maherin'ny roa ampahatelon'ireo firenena ao amin'ilay fanadihadiana no any ambanin'ny 50.

Mitovy ny laharana nisy an'i kaomoro sy i Madagasikara, faha 127 aminà firenena miisa 177, tamin'ny isa 28. Ambony noho izay kosa ny tao Kamerona, izay  laharana faha 144 tamin'ny isa 25.

Fijerena ifotony ireo firenena telo mampiasa ny teny frantsay ireo.

Kaomoro

Momban'ny kolikoly

March against Corruption in Moroni in November 2013 via Comores actualités - Public Domain

Diabe iadiana amin'ny kolikoly tao Moroni ny volana Novambra 2013 navoakan'i Comores actualités – SEhatra ho an'ny daholobe

Toyb Ahmed izay avy ao Moroni miasa ao amin'ny filazam-baovao AlWatan Info dia namehy ny zava-misy mikasika ny resaka  kolikoly ao Kaomoro toy izao :

Faha 127 i Kaomoro amin'ireo firenena 177 nanaovana fanadihadiana, ary nahazo isa valo amby roapolo amin'ny isa zato.  Niakatra toerana enina izany raha oharina amin'ny isa navoaka ny taona 2012. Ny fametrahana kaomisiona nasionaly misoroka sy miady amin'ny kolikoly na ny Commission nationale de prévention et lutte contre la corruption (Cnplc) izay nataon'ny filoha Ikililou Dhoinine no nahatonga izany. Teo anatrehan'izany, noporofoin'ny filoha ny finiavany hanao ny mangarahara eo amin'ny seha-panjakana tamin'ny nanaovany sonia ilay didy hitsivolana nametraka ny sampan-draharaham-panjakana mandrindra ny varotra ifanaovana amin'ny fanjakana na ny Autorité de régulation des marchés publics (Armp). Voatondro molotra hatrany ny fitsarana Kaomoriana, voalaza ho manao fitondrantena malezolezo amin'ny famoretana ny endrika kolikoly rehetra.

Vahaolana

Al-hamdi Abdillah Hamdi, mpanao gazety monina ao Moroni, dia nanolo-kevitra toy izao mba hampihenana ny kolikoly ao Kaomoro :

Afaka raisintsika ny fametrahana ny kaomisiona manokana miady amin'ny kolikoly sy ny sampan-draharaha manara-maso ny fanolorana tsenam-panjakana.
  Ilay mpisolovava frantsay-kaomoriana Me Ben Ali Ahmed izao vao nanoritsoritra ny tsy fahatomombanan'ny ady amin'ny kolikoly tamin'ny filazàny fa tsy niova ireo fahazaran-dratsy na ny kely aza. Ankoatra ireo fomba fanao tsy Silamo any amin'ireo fitantanan-draharaham-panjakana sy ny tsy fahavitàn'izy ireo tatitra ho an'ny mpiara-belona, dia tena malahelo maro ireo herivelona eo amin'ny firnena amin'ny fisian'ny tsimatimanota azon'ireo manampahefana sasantsasany.

Kameroana

Momban'ny kolikoly

Olana goavana ny haavon'ny tahan'ny kolikoly ao Kaomoro. Na dia eo aza ireo tsindry iraisampirenena sy ireo drafitra marobe ary ireo lalàna momba ny ady amin'ny kolikoly napetraka nandritry ny folo taona izay, dia tena mbola hita mazava ihany amin'ny andavanandrom-piainan'ireo mponina ao Kameroana ny fanaovana kolikoly .

Maherin'ny 50 % amin'ireo tokantrano ao kameroana no efa nanao tsolotra [anglisy]. Araky ny volazan'i Samuel Ekoum, filohan'ilay fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana ao Kameroana ONG SOS Corruption, very vola eo amin'ny 400 miliara CFA isan-taona ny fanjakana Kameroana (manodidina ny 610 tapitrisa Euro) noho ny kolikoly.

Ireo vahaolana

Fikambanana maro no manomana drafitr'asa isan-karazany hahafahana mandrindra ny fizaràna ireo fanampiana natokana ho an'i Kameroana ; ao anatin'ity lahatsary manaraka ity ny iray amin'ireo drafitr'asa ireo, ahitantsika fikambanana tsy miankina iray  manara-maso ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny vola natao ho an'ny tetikasa fanorenan-trano :

Ben Christy Moudio avy ao Douala dia manadihady ny antony mahatonga ny tsy fahombiazana matetika ao amin'ny fireneny momba io ady amin'ny kolikoly io :

Dynamique Citoyenne, tambajotra tsy miankina mpanara-maso  ny politikam-panjakana sy ny drafi-piaraha-miasa dia mitaky indray ny tokony hanarahan'ireo olom-panjakana ambony ny amin'ny tokony hanaovana fanambaram-pananana, toy ilay filoham-pirenena Paul Biya izay voakasik'ity artikla ity . Ny tsy fanarahana izany lalàna izany rahateo no isan'ny antony mandrisika ny fanodikodinam-bolam-bahoaka sy ny fanaovana kolikoly ao Kameroana. Izany indrindra no nahatonga an'i Kameroana ho eo amin'ny toerana faha 144 tamin'iny taona 2013 iny toy ny tamin'ny taona 2012 ihany. Ny tsy fahaizan'i Kameroana miaina anaty lojika demokratika sy ny fampiharana tanteraka ny ady amin'ny kolikoly no manamarina io isa  25/100 io.

Madagasikara

Momban'ny kolikoly

Ao amin'ilay tondro nataony ho an'ny 2013, ny Transparency International dia manoratra mikasika ny fiakaran'ny tahan'ny kolikoly ao Madagasikara :

Amin'ireo sehatra rehetra voalaza fa iharan'ny kolikoly ao Madagasikara dia azontsika lazaina ny Zandarimaria Nasionaly, ireo solontenam-panjakana isam-paritra nitsinjaram-pahefàna, ny Fitsarana, ny sampan-draharahan'ny fananan-tany ary ny fanabeazana. 58% tamin'ireo nanaovana fanadihadiana no nilaza fa niha-niakatra ny tahan'ny kolikoly tato anatin'ny roa taona izao ary ny fitsarana no tena hita fa mpanao kolikoly indrindra. 32% no niaiky fa efa nanao tsolotra, na izany mba hanafainganana ny fandehan-javatra atao eny amin'ny seha-panjakana isan-karazany, na satria izany irery ihany no hany lalàna hahatafavoahany, raha toa kosa ka 54% ireo nanambara fa tsy mahavita azy akory ny hetsika ataon'ny fanjakana hiadiana amin'izany kolikoly izany.

Ireo Vahaolana

Ny rafi-pitsarana no tena manana anjara toerana lehibe amin'ny fampidinana ny tahan'ny kolikoly. Zava-dehibe ny fitehirizana ny fahaleovantenany mba hiantohana fa azo ampiharina daholo ireo fepetra hiadiana amin'ny kolikoly. Araky ny voka-panadihadiana mikasika ny kolikoly maneran-tany navoakan'ny Transparency International dia misy ny foto-kevitra vitsivitsy afaka ampiharina  mba hampahomby izany rafitra izany [PDF, anglisy] : 

  • Tokony ambaran'ireo mpitsara any aminà sampan-draharaha iray tsy miankina ny vola miditra amin'izy ireo
  • Tokony ho voafidin'ireo mpitsara toa azy ihany ireo mpikambana ao amin'ny Fitsarana avo
  • Tokony avoaka ampahibemaso ny lalàna mikasika ny fanendrena mpitsara
  • Tokony asiana rosia avokoa ny vola aloa eny amin'ny tribonaly
  • Tokony asiana zotram-pitsaràna natao ho an'ireo mpiasam-panjakana manao kolikoly

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.