“No” [Tsia], Ilay Fanentanana Mamirapiratra Sy Mijery Lafitsaran-Javatra Nampahavitrika Revolisiona Iray

"No" campaign logo. Released to public domain.

Fangon'ny fanentanana “Tsia”. Navoaka any amin'ny valam-bahoaka.

Augusto Pinochet, ilay nanatontosa ny fanonganam-panjakana tany Chile tamin'ny 1973, dia tafala tamin'ny herin'ny vatom-pifidianana tamin'ny 1988. Izy irery ihany teo amin'ny tantara no mpanao didijadona nanomana fifidianana hanapa-kevitra ny ho amin'ny hoaviny, ary dia nesorina tamin'ny fomba demokratika izy. Tahaka izay misy amin'ny hazakazaka politika, misy ny fanentanana (fampielezankevitra) manohana ny andaniny sy ny ankilany. Ny “Eny” no manohana ho amin'ny fifidianana indray an'i Pinochet; Ny “Tsia” kosa indray mikendry ny hamaranana ny fitondrana jadon'ny miaramila. Asa feno herimpo tokoa ny fahasahiana manohitra ankarihary ny fitondrana miaramila izay mifehy ny fampitam-baovao, eny fa na dia amin'izao fotoana izao aza. Saingy nampiasa hafatra feno fanantenana kosa ny fanentanana hampanao “Tsia” — mitondra fomba fijery vaovao eo amin'ny fahaizana manolotra ny bolongam-pangirifiriana eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona — ary tamin'izany no nahafahana nampiainga revolisiona.

Ny sarimihetsika nivoaka tamin'ny 2012 mitondra ny lohateny hoe “No” notontosain'i Pablo Larraín, no milaza ny tantaran'ny fitsapa-kevi-bahoakan'i Pinochet tamin'ny 5 oktobra 1988 amin'ny fijery miabo – fa tsy lasa sarimihetsika fanadihadiana akory izy io. Ny mpilalao fototra tamin'io – René Saavedra (Gabriel García Bernal) dia tanora mamiratra mpiasan'ny fanaovana dokambarotra mahatsangana zava-baovao sady zanaka mpitarika mpanohitra fanta-daza izay niverina tany Chile rehefa lehibe tany an-tsesintana tao Meksika. Ny talentany sy ny fianakaviana niaviany no nisarika ny lehiben'ny fanentanana ho amin'ny “No” [tsia], José Tomás Urrutia (Luis Gnecco), niangavy azy handray anjara amin'ny fanaovana tetipanorona sy ny fanaingoana ny “sisindamba” (anarana nomena ny fandaharana ofisialy 15 minitra ao amin'ny fahitalavitra natao hanaovan'ny antoko rehetra propagandy politika).

Tamin'ny voalohany ny mpikambana ao amin'ny Concertación (vondron'antoko mpanohitra) nikasa ny hampiseho ny haratsian'ny zavamisin'ny didijadona: famonoan'olona, fampijaliana ary fanjavonan'olona, ho fomba hanokafana ny mason'ny vahoaka ary hampirona ny fihevitry ny olona any amin'ny hevitra marina tohanandry zareo. Niezaka i René nandresy lahatra ny mpanohitra (hahasahy) hiloka amin'ity fivarotana ny demokrasia ho vokatra maha-te-hitsiriritra fa tsy hampivoitra ny haratsian'ny zavamisy ankehitriny. Lasa fanentanana miresaka momba ny fiainana am-pifaliana ao anaty fahafahana ny “No”. Ary dia nandresy an'i Pinochet ny “No” [tsia].

Lasa tsontsa loatra kosa raha mieritreritra fa ilay dokambarotra nandritra ny fifidianana irery dia nahavita nanala mpanao didijadona irayr. Saingy mahaliana ny manome lanja ilay hevitra natolotra nandritra ity fanentanana [propagandy] ity: mandinika indray ny fomba iarovana ny ankehitriny amin'ny alalan'ny famindra-toerana ny zavatra miiba, ny ratsy ary ny hirifiry mankany amin'ny fanantenana sy ny fahasambarana – ary nahoana tokoa moa ny tsikitsiky – izay mety ho entin'ny ampitso. Tao anatin'ny taona vitsivitsy, nanatri-maso ny hetsika revolisionera manerana izao tontolo izao isika, saingy nahita ihany koa ny tsy rariny sy herisetran'ny daholobe. Maro amintsika no efa nahatratra ny fertan'ny hafa-pitolomana tafahoatra izay mahakivy matetika. Misy ny manampahaizana momba ny Media tahaka an'i Wendy Johnston sy Graham Davey nandalina ny fahitana fa ny fahamaroan'ny sary sy ny tantara feno faharatsiana mihoampampana dia mety ho ampy hahatonga ny olona iray ho tsy miraharaha, na lasa tsy mahavita na inona na inona aza. Mety miankina aman'aina tokoa ny mitady lalam-baovao hanelezana io fahatsapana fahamehana mankany amin'ny filaminana sy ny fahafahana io — maro ny mpikatroka efa manao izany, ary mitsena fahombiazana tokoa. Ny lahatsary mampihomehy “No Woman, No Drive” (teny vilana amin'ny hiran'i Bob Marley amin'ny “No Woman, No Cry”) natsangan'ilay mpanao hatsikana Saodiana Hisham Fageeh ho fanohanany ny fanentanana Women2Drive [VehivavyHamilyFiara] izao dia ohatra iray amin'izany fahaiza-mampiseho fahaizana izany — Hafa koa i Syria Untold, sehatra an-tserrasera mampisongadina ny tetikasa vaovao sy ara-panaovan-gazety ao anatin'ny fitroarana tsy mampiasa herisetra.

Mbola ilaina hanaovana tahirinkevitra sy zaraina malalaka ny andavanandrom-piainana sarotra lalovan'ny olona ao anatin'ireny toe-draharaha ireny — saingy afa-mameno ireny fomba fitantarana ireny miaraka amin'ny tsiky, fanantenana, fijery lafitsaran-javatra mizotra mankany amin'nyfiovana tadiavin'ity planeta ity izany.

Tao amin'ny GV Face nokarakaraina vao tsy ela izay, ny mpiara-manorina ny GV Ethan Zuckerman sy ireo Tonian'i GV Solana Larsen, Sahar Habib Ghazi, ary Ellery Roberts Biddle no niresadresaka momba ireo ampidirina sy avoaka amin'ny “fanaovan-gazety mamaha olana.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.