Iran Voices: Tranonkala Vaovao Manontanintany Ny Olompirenena Momba Ny Fitantanam-Panjakana Isam-Paritra

Iran Voices Homepage

Pejy fandraisan'ny Iran Voices (Feon'i Iran)

Manana iraka hafa noho ny ankamaroan'ny tranonkala miresaka Iran ny Iran Voices (Ireo Feon'i Iran). Miantso ny fandraisana andraikitry (mangarahara) ny manampahefana ao an-toerana amin'ny alalan'ny fanadihadiana atao amin'ny olom-pirenena an-tserasera ilay tranonkala vaovao.

Isam-potoana ny Iran Voices (Ireo Feon'i Iran) no hamoaka tatitry ny fanadihadiana amin'ny tanàna manokana vitsivitsy ary handefa azy ireny ho an'ny fampitam-baovao, ny mpanao politika ao an-toerana ary ilay fiadidiana ny tanàna voatonona ihany koa.

Ny tatitra natao voalohany indrindra, tamin'ny Oktobra 2013, dia momba ny tanànan'i Ahwaz, ao anatin'ny faritanin'i Khuzestan manankarena solitany. Ny tatitra dia niankina tamin'ny valim-panadihadiana olom-pirenena 52.

Ahwaz bridge source: http://commons.wikimedia.org/

Tetezana Ahwaz. Saripikan'i Arad M. zaraina amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 3.0)

Araka ny tatitra, ny tanjona voalohan'ny fanadihadiana ireo mamaly ny resaka dia ny mba hananana faritra maitso bebe kokoa, arahin'ny fanolorana asa bebe kokoa, filaminana bebe kokoa ary ny vahaolan'ny fandotoan-drivotra. Amin'ireo andrim-panjakana misy, dia lazain'ny olom-pirenena fa ny rafi-pitsarana sy ny mpitandro ny filaminana no tsy mahafa-po azy ireo indrindra, dia arahin'ny asam-panjakana, hopitaly, banky ary ny fiadidiana ny tanàna.

Mahafantatra ny Iran Voices (Ireo Feon'i Iran) fa tsy mahasolontena ny tanàna iray manontolo ny tsongan'olo-tsotra vitsy, saingy efa efa marika hamantarana ny fanirian'ny olona ihany. Any amin'ny farany moa, ny hevitra voalohany ambadik'ity tetikasa ity dia ny mba handrenesana ny feo rehetra.

Nilaza ny 60%-n'ireo namaly fanadihadiana tao an-toerana fa tsy mbola nanontaniana mihitsy tamin'izay heviny, raha namaly ny 90% fa tian-dry zareo ho heno ny feony.

Toeram-pihaonam-baovao ao an-toerana

Kendren'ny Iran Voices (Ireo Feon'i Iran) ihany koa ny hanangona sy ny hanasongadina ny vaovao anatin'i Iran (any amin'ny faritra), izay matetika adinon'ny media miorina any Tehran izay mifantoka amin'ny politika nasionaly.

Manantena ny Iran Voices (Ireo Feon'i Iran) ny ho lasa sehatra ahafahan'ny olom-pirenena Iraniana miresaka momba ny olana sy ny zava-manahirana mitranga ao an-tanàna ambanivohitra, ambonivohitra, tanàn-dehibe, faritany ary faritra misy an-dry zareo, sehatra iray ifanakalozan-kevitra sy hahatratra ny manampahefana.

Tale iray an'i Iran Voices (Ireo Feon'i Iran) niteny tamin'ny Global Voices, “Ny fandraisana andraikitra ataonay dia ny hanaitra, mihoatra noho ny adi-varotra sy ny fanelingelenana, momba ny zava-misy  manahirana amin'ny andavanandron'ny mponina ka tafiditra amin'izany ny fihetsiky ny manampahefana.”

“An-tapitrisany ny lohahevitra momba an'i Iran izay mandeha amin'ny tambajotra sosialy amin'ny teny Farsi momba ny andavanandrom-piainana, saingy ny ankamaroan'izy ireny dia miompana amin'ny politika ankapobeny sy ny tranga misy ao an-drenivohitra,” hoy ny tale, izay maniry ny tsy hotononina anarana.

“Mino izahay ato amin'ny Iran Voices (Ireo Feon'i Iran) fa tsy latsa-danja amin'izay mitranga any Tehran renivohitra ny zava-mitranga any amin'ny faritany, tanandehibe ary tanàna kely hafa. Fa mandroso dingana kokoa ny tranonkalanay mba hitatitra ny zavamisy any amin'ireny faritra hafa ireny.”

Sokajian'ny Iran Voices (Ireo Feon'i Iran) amin'ny alalan'ny lohateny [zoro] hoy ny toekarena, fahasalamana, kolontsaina, fanatanjahantena ary fanabeazana ny vaovao ao aminy. Mampiasa  ny rindrambaiko Ushahidi izay mamela ny mpisera hanasokajy ny vaovao ara-jeografia sy mametraka izany ao amin'ny Google Map ihany koa ny tranonkala.

Manome fanampiana ara-bola ny tetikasa ny National Endowment for Democracy (NED) ao Etazonia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.