Tsy Ny Afo ihany No Ady Atrehan'ireo Peroviana Mpamono Afo An-tsitrapo

Nandritra ny andro 24 voalohany tamin'ny Desambra 2013 fotsiny, afo 454 tao Lima, Callao sy Ica no nosahanin'ny Andian'ireo Mpamono Afo An-tsitrapo ao Però [es].

Iray amin'ireo afo tena henjana indrindra ny nitranga tamin'ny Talata 10 Desambra 2013, tao aminà trano fanatobiana kodiarana tao amin'ny distrikan'i Lima ao La Victoria, izay maty ihany taorian'ny asa mafy naharitra ora maro nataon'ireo mpamono afo. Mikasika azy io, nitatitra [es] ny bilaogy Prensarte hoe :

Luego que el jefe departamental de Lima […] denunció que empleadores de tres bomberos de la compañía 115 de Chaclacayo los despidieron por ausentarse de sus centros de labores mientras atendían el incendio en la av. Nicolás Arriola en La Victoria, El jefe de Comunicaciones de la Compañía […] rectificó que se trataba de la preocupación de varios bomberos que sentían sus puestos de trabajo amenazados y que así se lo comentaron.

Por su parte, León, aclaró horas después reincorporaron en sus trabajos a los bomberos denunciantes quienes no quisieron identificarse para evitar más problemas con ellos.

Taorian'ny nilazan'ny tomponandrakitra departemantaly tao Lima fa noroahana noho ny tsy nanatanterahany ny asany tamin'ny famonoana ny afo tao Nicolás Arriola Avenue in La Victoria ny mpamono afo miisa telo avy amin'ny Andiany 115 avy ao  Chaclacayo, nahitsin'ny […] Lehiben'ny Birao Fifandraisana ao amin'ilay andiany hoe zavatra mampiasa loha ny maro amin'ireo mpamono afo io, izay mahatsapa fa tandindonin-doza ny asan-dry zareo ary dia nampahafantarin-dry zareo azy izany.

Mandritra izany, nanazava i León fa ora maro taty aoriana dia naverina tamin'ny asany ireo mpiasa noroahana, ary tsy tian-dry zareo ny hahalalàna ny anarany mba hisorohana ny disadisa.

Ireo izay antsoina hoe “bandy mitafy mena” dia misoroka, mifehy ary mamono afo, manampy ireo fiara tra-doza ary asa vonjy taitra, asa famonjena ireo tandindonin-doza ny ainy, izany rehetra izany miainga amin'ny fototry ny asa an-tsitrapo daholo, midika hoe tsy mandray karama amin'ny zavatra atolony izy ireo.

Vao tany am-piandohan'ny Novambra 2012, ny bilaogy “Nuevo Reporte” dia efa nampahafantatra ny [es] “ny toe-draharaha mampalahelo/sarotra atrehan'ny Andian'ireo Mpamono Afo An-tsitrapo Ao Però”:

Desde hace varios años, se vienen detectando fallas en los equipos antiquísimos con los que cuenta para hacer su denodada labor los muy pocas reconocidos Bomberos Voluntarios del Perú. Pues, los equipos son inutilizables debido a averías, roturas e ineficiencias presentadas en el momento que más se necesitan, al salvar vidas.

Efa an-taona maro, marobe ny lesoka tsikaritra amin'ireo fitaovana efa tranainy ampiasaina hanatanterahana ny asa feno fahasahiana ataon'ireo Mpamono Afo An-tsitrapo izay zara raha misy mankasitraka ao amin'ny Mpamono Afo An-tsitrapo ao Però ireo. Indrindra fa zara raha azo ampiasaina ny fitaovan-dry zareo noho ny fahasimbàny, ny faharovitany ary ny tsy fetezana mitranga rehefa ao anatin'ny tena ilàn-dry zareo azy, rehefa mamonjy aina.

Lavidavitra kokoa noho izay,  mitety ampahany amin'ny tantaran'ireo [es] Peroviana mpamono afo ny tranonkala Sin sentido sady manazava ny teo-draharaha iainan-dry zareo amin'izao fotoana izao :

Bombero

Sary an'i ms. akr ao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Actualmente, si bien sus miembros trabajan ad honorem – a diferencia de lo que sucede en otros países – el Cuerpo de Bomberos es un organismo descentralizado que depende de la Presidencia del Consejo de Ministros y cuenta con un presupuesto para compra de materiales, equipos y mantenimiento de unidades. Sin embargo, muchas de sus compañías se encuentran en pésimo estado, […] [lo que] ha dificultado su trabajo, no obstante los bomberos mantienen su espíritu en alto y cada vez son más los jóvenes que desean ser parte del servicio voluntario. […] Recuerden que los bomberos siempre están prestos a atender todo tipo de emergencias las 24 horas del día, por lo que deberíamos ayudarlos a que hagan mucho mejor su labor 🙂

Ankehitriny, na dia miasa an-tsitrapo aza ireo mpikambana ao anatiny – tsy toy ny any amin'ny firenena hafa – dia rantsana iray itsinjaram-pahefana eo ambany fiadidian'ny Fitantanana ny Kabinetran'ny Ministera ny Andian'ny Mpamono Afo, ary manana tetibola natkana hividianana kojakoja sy fitaovana. Na izany aza, maro amin'ireo sampany ao aminy no miaina anaty fepetra faran'izay mampalahelo […] [ary io no] mampananosarotra ny fanatanterahany ny asany; na eo aza izany, manohy mampitraka hatrany ny lohany ireo mpamono afo ary isak'izay fotoana azo anaovana izany dia misy tanora marobe maniry ny hiditra ho isan'ireo mpirotsaka an-tsitrapo. […] Ataovy an-tsaina fa ireo mpamono afo dia vonona mandrakariva hiatrika ireo karazana hamehana isankarazany, 24 ora isanandro, noho izany dia tokony hanampy azy ireny isika hahatanterahan-dry zareo ny asany amin'ny fomba faran'izay mendrika indrindra 🙂

Araka izay voalazan'ny tranonkala Bilaogin'i Doug Copp, nisy Peroviana Mpamono Afo an-tsitrapo tao anatin'ny ezaka famonjena tany New York vantany vao nitranga ny fanafihana tamin'ny 9/11 :

Efrain Huaman Carrion no anarako ary mpamono afo an-tsitrapo avy ao Però aho. Mpikambana ao amin'ny Tarika Amerikana Mpanao asa Famonjena Iraisampirenena aho. […] Nirotsaka an-tsitrapo aho namonjy taorian'ny fanafihana ireo Tilikambo Kambana tao amin'ny World Trade Center.
[…]
Fony nitranga ilay fanafihana, tsy nila nisaina in-droa aho mikasika ny handehanana hanao fanampiana saingy tsy nahita toerana tamin'ny sidina. Farany moa dia afaka nividy tapakila ihany aho ary tonga nanampy ireo rahalahiko mpamono afo sy ny polisy.

Tao amin'ny Twitter, ireo mpampiasa io tambajotra io dia naneho ny fankasitrahany ny asan'ireo mpamono afo, izay matetika voahelingelin'ny filàna isanandro atrehany sy ireo sakantsakana samihafa ara-taratasy :

Fiarahabana manokana noho ny Taona Vaovao ho anareo mpamono afo an-tsitrapo eto Però, izay mandray risika isanandro ho anay rehetra. MISAOTRA!!

Peroviana mpamono afo – ireo Peroviana vaovao.

“Derainay ny teo-panahy tia ny asany ananan'ireo mpamono afo”.

Ahoana no mba nankalazàn'ireo [Peroviana] mpamono afo ny Taona Vaovao ?

Niatrika famonoana afo niisa 54 ary lozam-piarakodia niisa 23 ireo Mpamono afo tamin'ny Taona Vaovao: niatrika famonoana afo niisa 54 ny Andiana Mpamono Afo…

Farany, nibitsika ny gazety Diario16 :

Manolotra sosokevitra hanomezana fisotroan-dronono mandrapahafaty ho an'ireo mpamono afo ny Kaongresim-Pirenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.