Ahoana Ny Tokony Ho Fiakanjon'ny Vehivavin'ny Afovoany Atsinanana Eny Ampahibemaso?

How should Middle Eastern women dress? The way they want

Ahoana ny tokony ho fiakanjon'ny vehivavy Afovoany Atsinanana eny ampahibemaso? Ny fomba itiavan-dry zareo azy

Nahasarika fihomehezana sy tsikera an-tserasera ity fanontaniana izay napetraky ny fanadihadiana iray navoakan'ny Oniversiten'i Michigan ity. Maro ny fanehoan-kevitra nivoaka taorian'ity tatitra tao amin'ny Huffington Post ity.

Ny fanadihadiana, izay notontosaina tany amin'ny “Firenena fito be miozolomana” no namoaka ny antsipirihan'ny eritreritry ny olona ho fomba fiakanjon'ny vehivavy azo ekena eny imasom-bahoaka ao amin'ny firenen-dry zareo. Araka ny valin'ny fitsapan-kevitra, ny ankamaroan'ny olona any amin'ireo firenena ireo dia “tsy mieritreritra fa tsy tokony hanafina tanteraka ny tavany ny vehivavy iray.” Any Arabia Saodita, ohatra, ny 63 isanjaton'ny vehivavy nanontaniana dia nilaza fa tokony hisarom-boaly manakona ny tavany ny vehivavy,saingy mampiseho ny masony – fomba fiakanjo iraisana ao amin'ity fitondram-panjaka mitahiry ny nenin-drazana ity. Ny mpamaly avy any Libanona sy Torkia kosa nisafidy ny tsy hanafina ny tavany – na ny volony.

Ao amin'ny bilaogin'ny Washington Post i Max Fisher no nanamarika:

Veiling is such a sensitive issue in much of the Middle East because, in many ways, it's about much more than just clothing. It's about religious vs. secular identity, about the degree to which women are or are not afforded equality and about embracing or rejecting social norms that are seen as distinctly Islamic.

Resaka manahiran-tsaina tokoa ity fanaovam-boaly ity any Afovoany Atsinanana satria, amin'ny lafiny maro, dia mihoatra lavitra noho ny fiakanjoana tsotra io. Miresaka fifanandrinan'ny fijoroana maha-mpivavaka sy maha-olon'izao tontolo izao, miresaka fahazakana na tsy fahazakana fitoviana ary miresaka fandraisana na fitsipahana ny fitsipi-piainam-piarahamonina izay hita mampiavaka ny mahasilamo.

Masiaka kokoa ny valin-kafatra ao amin'ny Twitter.

Manontany ilay Palestiniana Lena Jarrar:

Fa t** inona koa ity? RT @HuffPostLive: Ahoana ny tokony ho fiakanjon'ny vehivavy Afovoany Atsinanana eny ampahibemaso?

Nanampy i M Ibrahim:

Izay rehetra mahazatra loatra amin'i Lady Gaga RT @HuffPostLive: Ahoana ny tokony ho fiakanjon'ny vehivavy Afovoany Atsinanana eny ampahibemaso?

Hend, avy any Libya, nameno toerana maromaro tao amin'ny fitsapa-kevitra. Nisioka izy:

Tsy manao fitsapa-kevitra RT @HuffPostLive: Ahoana ny tokony ho fiakanjon'ny vehivavy Afovoany Atsinanana eny ampahibemaso?

Tahaka ny ataon'ny lehilahin'ny Afovoany Atsinanana – eo ivelan'ny vatany RT @HuffPostLive: Ahoana ny tokony ho fiakanjon'ny vehivavy Afovoany Atsinanana eny ampahibemaso?

Amin'ny fanombohana aloha indrindra mandritra ny fahazazana. Tsara kokoa raha ilay vao teraka iny mihitsy. RT @HuffPostLive: Ahoana ny tokony ho fiakanjon'ny vehivavy Afovoany Atsinanana eny ampahibemaso?

Miditra ao anatin'ny fifanosehana ihany koa ilay Ejipsiana Mohamed El Dahshan, tamin'ny filazana hoe:

Atin'akanjo aloha no voalohany. Raha tsy hoe vehivavy matanjaka be izy, raha amin'izay fotoana izay manko dia ny atin'akanjo no ampidirina farany RT @HuffPostLive: Ahoana ny tokony ho fiakanjon'ny vehivavy Afovoany Atsinanana eny ampahibemaso?

Ao anaty fitafiana vita amin'ny lamba. Na hodi-biby. tsara kokoa raha tsy misy polyesteranefa. RT @HuffPostLive: Ahoana ny tokony ho fiakanjon'ny vehivavy Afovoany Atsinanana eny ampahibemaso?

Ary manontany tena i Siddhartha Chatterje:

Fa maninona izy ity no mamparary andoha ny vondron'olona ankoatra ny vehivavin'ny Afovoany Atsinanana? MT @HuffPostLive: Ahoana ny tokony ho fiakanjon'ny vehivavy Afovoany Atsinanana eny ampahibemaso?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.