Malezia: Baiboly Nogiazana Fa Nampiasa Ny ‘Allah’ Hanondroana An'Andriamanitra

Baiboly 300 mahery no nogiazana tao amin'ny biraon'ny Trano Mpampiely Baiboly tao Malezia nandritry ny bemidina iray notarihan'ny Departemantan'ny Finoana Silamo Selangor na “Jais” izay maniry ny hampiharana ny lalàna mandràra ireo tsy Silamo tsy hampiasa ny teny hoe Allah any amin'ny bokim-pinoan-dry zareo. Nampiasaina hanondroana an'Andriamanitra ny “Allah” ao anatin'ny fandikàna ny baiboly ho amin'ny teny Bahasa.

Nahavory teny 25 sy fehezanteny tsy azon'ny tsy Silamo ampiasaina ny Didim-pinoana Fandraràna ny Tsy Silamo tamin'ny 1988 ho (Fanaraha-maso ny Fiparitahana eny anivon'ny Miozolmana). Volana vitsy lasa izao, namoaka didy ny Fitsarana Avo ao Malezia fa tsy azon'ny gazety Katolika iray ampiasaina ny teny hoe “Allah” hilazana an'Andriamanitra satria mety hiteraka fisavoritahana enyanivon'ny Miozolmana izany.

Niteraka adihevitra henjana tao Malezia ilay olana, firenena izay Miozolmana no ankabeazan'ny mponiny. Manodidina ny 10 isanjaton'ny vahoaka no Kristiana, izay nampiasa ny teny hoe “Allah” hilazana an'Andriamanitra any anatin'ireo famoahana bokim-pinoana sy fombafombam-pivavahan-dry zareo efa an-taona maro izao.

Na teo aza ny didy navoakan'ny fitsarana, nilaza ny pretra Katolika iray fa hitohy hampiasa hatrany ny teny hoe “Allah” izy mandritry ny sorona masina any am-piangonana, izay nahatezitra vondrona Miozolmana vitsivitsy. Ny Sekretariàn'ny Firaisankinan'ireo Miozolmana Klang, vovonan'ireo ONG Miozolmana, dia nanatanteraka firotsahana an-dalambe hanoherany ny fampiasan'ireo tsy Silamo ny teny hoe “Allah”.

Ity saripika manaraka ity,tao amin'ny Twitter, dia ahitàna ireo Miozolmana liam-pivoarana maneho ny firaisankinan-dry zareo amin'ireo Kristiana taorian'ny nanaovan'ireo vondrona Miozolmana voady fa hanao fihetsiketsehana goavana be.

Miozolmana maneho firaisankina amin'ny Fiangonana mba hisian'ny fandriampahalemana sy firindràm-piarahamonina. Tsara loatra avy amin'ireo Miozolmana tony fihetsika

Mandritra izany fotoana izany, ny Filankevitra Ho Fampiraisam-Pirenena dia niasa nandinika vahaolana ahitàna teboka 10 ho entina miatrika am-pilaminana ilay olana. Iray amin'ireo tolo-dalàna ny hametrahana mari-pamantarana hoe “Fanontàm-boky Kristiana” sy sarinà hazo fijaliana eny amin'ny baiboly mba tsy hampisavoritaka ireo Miozolmana.

June H.L. Wong mihevitra fa mety ho afaka hanampy an'i Malezia hamaha ity raharaha miteraka resabe ity ny fampiantsoana fihaonana iraisampirenena:

…Raha tsy vitantsika avy ato anatny ny mamaha azy ity, angamba mila mitady fihaonana iraisampirenena isika, ahitàna ireo manampahaizana manokana, mba hiasa toy ny mpanelanelana hanampy antsika hivoaka amin'ity kizo ity, amin'ny fomba mijery ny tena zava-misy sy tsy mitanila.

Tsy misy mahamenatra ny mitdika amin'ny any ivelany mba hanampy rehefa anaty fotoanan'ny krzy ary raha tsy krizy izy ity, dia tsy haiko intsony hoe inona.

Marobe ireo fikambanana tanora Shinoa no niantso ny ankolafy rehetra mba hfandefitra sy hifanaja :

Anaty firenena iray ahitàna firnana maro tahaka ny antsika, mila manohy mifandefitra ny ankolafy rehetra sady mifanaja sy mifankatia. Mangataka ny andaniny sy ny ankilany ihany koa izahay mba handray anjara mavitrika amin'ny fifampiresahana hiasàna hikarohana vahaolana amin'ity olana ity, miainga amin'ny fototra fitoviana sy firindràm-piarahamonina.

Tsy tohanan'i Melati Timurthat ny tohan-kevitra hoe mety hanalefaka ny finoan'ireo Miozolmana ny fampiasan'ny Kristiana ny teny hoe “Allah” :

Fa nahoana ny finoana Miozolmana no raisina ho toy ny faran'izay marefo indrindra, mila fiarovana mismisy kokoa? Tsy namabara tamintska isaky ny mihetsika ve ny fahambonian'io finoana io, io finoan'ny ankamaroan'ny mpitondra sy ny sangany ara-politika io? Raha faran'izay ambony ary ity izy, nahoana ny fisavoritahantsika no raisina ho tsy azo ialàna raha ampitahaina amin'ireo olona avy amin'ny finoana hafa? Milaza ve ianarao fa misy zavatra tsy manjary ao amin'ny finoantsika ao amin'izao fotoana izao, zavatra faran'izay marivo tototra ka fampiasàna kely fotsiny ny teny Arabo midika hoe Andriamanitra ataon'ireo Kristiana dia mety hampibaribary ny zavatra rehetra sy hanomezantsika rehetra lamosina ny finoana Silamo  ?.

Tsy mino koa i Lucia Lai hoe hikorotan-tsaina ny Miozolmana raha hampiasa ny teny hoe Allah ny Kristiana :

no. 1: Mankany am-piangonana mihaino ny toritenin-dry zareo angaha ny miozolmana rehefa Alahady? raha tsia, inona no mety hampikorotan-tsaina azy ireo ?

no. 2: na mandre toriteny misy ny teny hoe ‘allah’ ao anatiny aza ny miozolmana, ahoana no iheveranao fa mety hikorotan-ary zareo? tsotra ihany! satra ianao tsy matoky ireo rahalahinao miozolmana – heverinao fa marefo ny finoan'izy ireo ka ny fihainoana an'io fotsiny dia efa hampikorotan-tsaina na hampivadika finoana azy ireo.

Marina Mahathir, zanaka vavin'i Mahathir Mohamad, Praiminisitra fahiny, dia naneho ny firaisankinany tamin'ireo Kristiana tamin'ny nitsidihany asam-piangonana iray:

Tao amin'ny Fiangonana Notre-Dame de Lourdes Église tao Klang mba haneho ny tena dikan'ny hoe “finoana ho amin'ny fandriampahalemana ny finoana Silamo”..

Miezaka ny mitsapa ny halalin'ny antony mahatonga ny miozolmana sasany ho tsy mahazo aina amin'ny fampiasàn'ny Kristiana ny teny hoe “Allah” i anas zubed :

Azo takarina ihany amin'ny lafiny iray ny ahiahin-dry zareo, indrindra fa teo ireo ezaka nataon'ire misionera Kristiana fony vanim-potoana fanjanahantany hameraka ny finoany amin'ireo Miozolmana sy ireo olona avy amin'ny finoana hafa. Na dia tamin'ny vanim-potoana taty aorian'ny fanjanahana aza dia nitohy tamin'ny endrika hafa sy tamin'nyalàlan'ny fantsona samihafa.

Hajiantsary avy amin'i @fzdotcom no nampiasaina

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.