Taonan'ny Fanentanana Ho An'i Iran

Just Access

Saripika avy amin'ny Just Access, fanentanana nataon'ny Arseh Sevom hanasongadinana ny fiantraikan'ny fanasaziana amin'ny Iraniana olon-tsotra.

Vavolombelon'ny toe-javatra politika roa lehibe ny Iraniana tamin'ny 2013: Ny fifidianana ny filoham-pirenena vaovao [mg] sy ny fanombohan'ny fifampiraharahana amin'ny resaka nokleary [mg]. Samy nampamirapiratra ny fanantenana ao am-pon'ny Iraniana maro ho amin'ny tsaratsara kokoa sy hahakely kokoa ny fijaliana rahatrizay ireo vaovao roa ireo.

Mandritra izany fotoana izany dia mbola mitohy ny fanenjehana sy ny fanapenam-bava ao amin'ny firenena: miainga amin'ny fanatatavanana ny WeChat [mg] ka hatrany amin'ny fisamborana faobe [mg] olona mahay ny teknolojia sy ny poety.

Maro ny fanentanana tamin'ny aterineto ahitana lohahevitra isan-karazany no navoaka tamin'ny 2013 ka ao ny ady amin'ny homamiadana ary hita ao ihany koa ny fanalan'andro amin'ny praiminisitra Isiraelianina; misy ny fiarovana ny amboa ka tonga hatramin'ny fampielezan-kevitra kandida filoham-pirenena saintsainina fotsiny.

Fahavalo Iombonana

Mpanao sarimihetsika Iraniana roa, ny iray ao amin'ny firenena ary ny iray any an-tsesintany, no niray soroka nanao fanentanana hanomezana tohana ireo mpiray tanindrazana ampijalian'ny homamiadana.

Tamin'ny Mey, Bahram Radan tao Iran no niara-dia tamin'ilay kalaza teo aloha, Golshifteh Farahani, izay miaina an-tsesintany amin'izao fotoana any Paris, tao amin'ny lahatsary YouTube ho anisan'ny fanentanana hamonjena aina an'i Shahrzad, namana Iraniana mararin'ny Acute Myeloid Leukaemia (AML) [homamiadan'ny selafotsy amin'ny tsoka?].

Mihetsika Tahaka ny Lehilahy, Mitafy Tahaka ny Vehivavy

Lehilahy Kiorda Maro no naka sary ny tenany [mg] manao fitafiam-behivavy ho anisan'ny fanentanana Facebook hitenenana hoe, “Tsy atao fitaovana hanasaziana na hanalana baraka na iza na iza raha vehivavy ny olona iray.” Ireo sary ireo dia mivoaka ao amin'ny pejy Facebook antsoina hoe “Lehilahy Kiorda Ho Amin'ny Fitoviana”. The story began when a man dressed in a red dress was paraded by security forces through the streets of Marivan in the Kurdistan province of Iran in April as punishment by a local court for a domestic dispute.

manwoman-253x300

#IranJeans: Eny Mitafy Jeans Izahay

Tamin'ny Oktobra, ny Iraniana no nameno [mg] ny aterineto tamin'ny alalan'ny lahatsoratra, sioka ary saripika ho fanesoana ny fanamarihan'ny Praiminisitr’ Isiraely, Benjamian Netanyahu, milaza fa tsy afa-manao jeans ny Iraniana.

jeans_Iran (1)

Olon'ny Tantara Foronina Hofidiana ho Filoha

Tamin'ny Mey, ny mpikatroky ny tranonkala United4Iran sy mpamoaka tantara an-tsary mitohy amin'ny tranonkala Paradisan'i Zahra no namoaka [mg] fanentanana virtoaly “Zahra Ho Filoha 2013″ ho famoahana ny rafitra politika feno kolikolin'i Iran amin'ny alalan'ny hatsikana fanesoana.

zahra2-375x137

Just Access

Ny fitambaran'ny fanasaziana iraisampirenena sy ny tsy fahavitan'ny governemanta iraniana araka tokony ho izy ny fitantanana ny fanafody no melohina amin'ny fisavoritahana ara-panafody ao Iran.
JUST ACCESS avy amin'ny fikambanana mpandala ny zon'olombelona Arseh Sevom no iray amin'ny fanentanana natao hampiverenana ny fahazoana fanafody, zavatra iaina vonjy voina mahaolombelona, ary ny zavatra hafa tsy voasazy ho an'ny vahoaka miaina ao Iran.

Nitatitra ny toe-draharaha ara-panafody tamin'ny alalan'ny fitafatafana tamin'ireo Iraniana monina ao amin'ny firenena ny Global Voices.

justacces

Famonjena ny “Namana Tsara Indrindra”

Nanomboka ny asany tamin'ny faran'ny volana oktobra niaraka tamin'ny fanentanana virtoaly ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana fokolokoloana ny alika mirenireny, Pardis Fialofan'ny Biby, ao Tabriz. Tsy ankasitrahan'ny fitondrana ao Iran ny fananana alika sy ny alika amin'ny ankapobeny. Milaza ny faniriany ao amin'ny pejy Facebook ry zareo, “Ho feo sy fialofan'ireo voary tsy manampeo sy tsy misy mpiaro!”

Pardise animal shelter Facebook page

Pejy Facebook ny fialofana paradisan'ny biby

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.