Nahazo Ny Fon'ny Maro Ny Antoko Aam Aadmi Ao Inde Ary Nanangana Governemanta Ao Delhi

Arvind Kerjiwal, leader of Aam Aadmi Party addressing  a crowd. Image by Rohit Gautam. Copyright Demotix (10/6/2013)

I Arvind Kerjiwal, mpitarika ny antoko Aam Aadmi Party, mikabary eo anoloan'ny vahoaka. Sary nalain'i Rohit Gautam. Fizakàmanana Demotix (10/6/2013)

Namoaka rivo-baovao teo amin'ny sehatry ny politika ilay antoko politika vaovao, Aam Admi Party, nanamafy ny fanohanany an'ireo mpikambana ao amin'ny Kaongresy Nasionaly Indiana mba hanangana governemanta.

Ny Aam Admi Party (Common Man's Party, nafohezina hoe: AAP), izay tarihan'i Arvind Kejriwal, mpiady amin'ny kolikoly, no lasa faharoa amin'ireo antoko lehibe indrindra tao anatin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka tao Delhi ny 4 Desambra 2013, nitàna toeran'ny mpanimba ny Indian National Congress izay naka ny laharana fahatelo ary namarana ny 15 taonan'ny nifehezany  ny governemanta tao Delhi. 

Taorian'ny tsy nahombiazan'ny ezaka voalohany hananganana governemanta, dia nanokatra ny làlana ho an'ny AAP ny fanohanan'ny Indian National Congress’ ka nahazoany toerana miisa 36 amin'ireo maro an'isa ao amin'ny Antenimiera ao Delhi. Teo amin'ny faha 45 taonany i Kejriwal no lasa Lehiben'ny Minisitra tao Delhi ary nangataka folo andro hamoronana rafitra iray hamahàna ny olan'ireo vahoaka ao Delhi.

Fifidianana iray fitspàna ny fitokisana tao amin'ny tranoben'ny Antenimiera natao ny 2 Janoary 2014, niaraka tamin'ny mpikambana miisa 28 avy ao amin'ny antoko AAP, ireo mpikambana miisa fito avy ao amin'ny Kaongresy, mpikambana iray avy ao amin'ny JD(U) MLA ary iray tsy miankina mpomba azy, no tompon'ny teny farany momba an'i Kejriwal sy ny antokony. Talohan'ny fifidianana dia nitondra ny raharaha hoan’ny antoko AAP sy ny Common man tamin'ny alalan'ny kabary i Kejriwal:

Iza no atao hoe aam aadmi? Mieritreritra ny AAP fa ny manana fari-piainana antonony dia ampahany amin'ny aam aadmi, ka na iza na iza reraka amin'ity fitondrana tsy misy ilàna azy ity dia aam aadmi.

Namaky aho hoe nisy olona roa matin'ny hatsiaka tao Delhi. Antapitrisany maro no lany taorian'ny fahaleovantena ary angamba mety ho azo nosorohana io raha nolaniana araka ny tokony ho izy ny vola. Fa nankaiza daholo ary ny vola e? Mba tian'ny aam aadmi ho fantatra. Tsy maintsy ekentsika fa lasa resaka heloka bevava ny politika eto amin'ity firenena ity.

Nitarika resabe tsy misy ohatr'izany tao amin'ny Twitter ilay kabary:

Latsa-dranomaso tamin'ny kabarin'i #arvind kejriwals. Manome toky aho androany fa hifidy #aap ary hanohana azy ireo amin'ny fomba rehetra. Manameloka ireo antoko hafa rehetra

Raha jerena ny kabarin'i Arvind Kerjriwal. Hita ho azo iainana kokoa ny taona 2014. Maniry India tsaratsara kokoa. #AAP

I Aamir Khan ao amin'ny NDTV, matetika ny antoko hafa no milaza hoe omeo anay ny vatonareo dia izahay no hitondra anareo, Arvind kejriwal kosa milaza hoe omeo anay ny vatonareo ary avelanay hitondra ianareo.#AAP

Hafahafa ny mahita ireo fihetsika misavoritaka mitranga amin'izao fotoana any an-damosin'ieo antoko politika efa tranainy taorian'ny nahaterahan'ny  #AAP. #BJP & #Congress. #India

Ho an'ireo olom-pirenena tanora sy efa zokiny ao India: manontania tena amim-pahatsorana raha efa nandre olana tahaka izany nentina tamin'ny lahatsoratra manokan'ny antenimiera toy izao ianareo #aap @Riczb

Maneho fahalinana kokoa amin'ny politika ny olona raha mitaha amin'ny cricket noho ny #AAP! pic.twitter.com/Z7rQxEeU8W

#2014Hitondra zava-baovao eo amin'ny tontolon'ny politika noho ny #AAP !!

Kanefa mampahatsiahy ny fanambaran'ny AAP tamin'ny 10 Desambra i Shamit Manchanda ho tsy haka na hanitatra ny fanohanana ny BJP na ny Kongresy izy satria hoe nisy antoko vaovao niorina ho safidy iray ho azy ireo:

Efa mpanohana ny #AAP aho. Ny manorisory, nambarany mialohan'ny fifidianana fa tsy haka /hanome tohana ny BJP/Cong ry zareo, Nahoana no nivadi-pitokisana tamiko izy ireo

Nikatsaka ny hevitry ny vahoaka ny AAP taorian'ny nanohanan'ny kongresy ireo teboka efa ho 18 avy aminy sy nanomezany tolotra ho fanohanany ny fananganana governemanta ary nahazo valiny mahafa-po. “Tsy antoko izahay fa solontenan'ny vahoaka” hoy ity antoko ity. Tao anatin'ny telo herinandro nisesy izao, no voalaza ho nahazoan'ny AAP mpikambana vaovao miisa 500.000 ary birao miisa 300 manodidina an'i India ary ikendreny ireo fifidianana manerana ny firenena amin'ny fifidianana Lokshava 2014.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.