Mpiasan'ny Fanaovana Akanjo Ao Kambodza Mitokona Faobe Ho Fampakarana Ny Karama

A worker holding a sign calling for a $160 dollar monthly minimum wage. Photo from the blog of Mu Sochua

MPiasa mitazona marika miantso ho amin'ny fampakarana karama farany ambany ho $160 isam-bolana. Saripika avy amin'ny bilaogin'i Mu Sochua

An'aliny ny mpiasan'ny fanaovana akanjo ao Kambodza no nandray anjara tamin'ny fitokonana faobe nanerana ny firenena hanery ny governemanta hampakatra ny karama farany ambany isam-bolana ho 160 dolara amerikana. Ny karama farany ambany amin'izao fotoana izao moa 80 dolara ary ny filakevi-pirenena momba ny asa dia nanaiky hanampy 15 dolara amin'ny karama fototra. Nilaza ihany koa ny tompon'andraikitra iray ao amin'ny governemanta fa amin'ny 2018 any vao mety ho tontosa ny fitakian'ny mpiasa ho 160 olara ny karama farany ambany.

Mahatratra 5 miliara dolara ny sandan'ny vokatra aondran'ny sokajin'asam-panaovan'akanjo ao Kambodza izay mampiasa olona mihoatra ny 600.000.

Nametraka barazy tao Phnom Penh ny mpiasa mitokona ankoatra ny fitokonana manoloana ny Minisiteran'ny Asa. Rehefa nihanahazo vahana ny fitokonana, dia nahazo baiko hampitsahatra ny asany ny orinasa. Mitatitra i John Vink:

The roadblock in front of the Ministry of Labour was kept all through the day by workers striking for a salary rise.

Another roadblock, in front of the Special Economic Zone in Kambol, some 19 km outside of Phnom Penh, was set up by striking workers after they were pushed back by riot police when trying to enter the SEZ. The SEZ was sealed off with a double layer of containers and fences with barbed wire.

Nofehezin'ny mpiasa mitokona mitaky fisondrotan-karama nandritra ny tontolo andro ny barazy manoloana ny minisiteran'ny asa.

Misy barazy hafa natsangan'ny mpiasa mitokona teo anoloan'ny Faritra Ara-Toekarena Manokana ao Kambol, eo ho eo amin'ny 19 km miala an'i Phnom Penh, rehefa voatosiky ny polisy misahana ny rotaka tsy hiditra ao anatin'ny Faritra ry zareo. Voahodidina fefy roa sosona amin'ny alalan'ny kontenera sy tariby mihorongorona misy tsilotsilony ny Faritra Ara-Toekarena Manokana.

Mitohy am-pilaminana ny fihetsiketsehan'ny mpiasan'ny fanaovan'akanjo manoloana ny Minisiteran'ny Asa fa maro ireo mampiseho ny hatezerany amin'ny governemanta noho ny tsy firaharahian'ity farany ny fahasahiranana ara-toekarena mihatra amin'izy ireo

Sary hafa tamin'ity maraina ity raha nanakana ny lalana manoloana ny minisiteran'ny asa ny mpiasa 2000

Vavahadin'ny Minisiteran'ny Asa, Phnom Penh

Mitsinjara tsara indray ny haren'ny firenena mihoatra noho ny 160 dolara. Fiara mirentirenty, villas na fiainana mendrika ho an'ny rehetra

Eto ambany ny lahatsary mampiseho ny fifandonana teo amin'ny mpiasa sy ny polisy:

 

Tsanganana avy amin'i camnews.

Nahazo fanohanana avy amin'ny antoko mpanohitra Antokon'ny Fanavotam-Pirenena Kambodza izay namoaka fanambarana mirona ho amin'ny karama farany ambany $160 ny mpiasa:

If the minimum wage is not raised to $160 immediately, rising food prices and living expenses will make it impossible for garment workers to address their basic needs, and strikes that have pledged the garment sector lately will continue.

Rehefa tsy miakatra izao dieny izao ho $160 ny karama farany ambany dia tsy ho azon'ny mpiasan'ny fanaovana akanjo atao ny miatrika ny fiakaran'ny vidin-tsakafo sy ny vidim-piainana hianohany ny filàna fototra ary mbola hitohy ny fitokonana izay efa nahatratra ny sokajin'asan'ny fanaovana akanjo

Nanao fitokonana isan'andro teo amin'ny Kianjan'ny Fahafahana ao Phnom Penh ny mpanohitra ho fanonganana ny governemanta izay voampanga ho nanodikodina ny voka-pifidianana tamin'ny herintaona [2013]. Teo amin'ny fitondrana nandritra ny telopolo taona ny Praiminisitra Hun Sen na dia maro aza ny toerana votsotra tamin'ny antokony nandritra ny fifidianana parlemantera farany.

Maro ny mpiasa no roboka tamin'ny fihaonan'ny mpanohitra izay mety handemy ny fitondran'i Hun Sen. Nianiana ny hanohy ny fihetsiketsehana ny dendikà mandra-pahatontosan'ny governemanta ny fitakian'izy ireo.

Mandritra izany fotoana izany ny tompon'ny orinasa dia nampitandrina fa hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny toekarena ao an-toerana sy ny fiainan'ny mpiasa ny fitohizan'ny fitokonana. Nandrisika ny governemanta ihany koa ry zareo hampihatra ny ‘fandeferana “zero” amin'ny fitokonana tsy ara-dalàna.’ Notsikerain'ny Foiben'ny Zon'Olombelona Kambodziana (FZOK) izay tia ny hamahana ‘any amin'ny fakany ny fifanandrinana eo amin'ny tontolon'ny asa’ izany antso izany :

CCHR is concerned that such statements calling for zero-tolerance on illegal strikes will only exacerbate problems within the garment sector. Regardless of the legality of the strike, a zero-tolerance policy will only ignore the root causes of the labor dispute and most likely lead to further violent crack downs against workers and union members.

Manahy amin'ny karazana antso hametraka ny fandeferana “zero” amin'ny fitokonana tsy ara-dalàna tahaka izany ny FZOK fa handranitra ny olana ao amin'ny sokajin'asan'ny fanaovan-damba izany. Raha tsy ijerena izay maha-ara-dalàna na tsia ny fitokonana, ny “zero” fandeferana dia tsy firaharahiana ny antony fototra nahatonga ny fifandirana eo amin'ny sehatry ny asa ary hitarika mankany amin'ny famoretana an-kerisetra ny mpiasa sy ny mpikambana amin'ny sendika

Ny fitokonana amin'izaofotoana izao no nampitodika mankany amin'ny fiainana mampahonenan'ny mpiasan'ny fanaovana akanjo ao Kambodza ary indrindra ny tsy maintsy hifanarahan'ny governemanta sy ny mpandraharahan'ny fanaovan-damba amin'ny fametrahana drafitra fanatsarana ny fiainan'ny mpiasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.