Tranonà Mpisolovava Mpanohitra Nanaovan'ny Manampahefana Tao Ekoatora Bemidina

[Mankany amin'ny pejy amin'ny fiteny Espaniôla daholo ny rohy rehetra, raha tsy misy fanamarihana.]

Ny marainan'ny 26 Desambra 2013, nanao bemidina tao an-tranon'i Fernando Villavicencio nitondra didy avy amin'ny fitsaràna navoakan'ny Lehiben'ny Fampanoavana ireo olona sangany ao amin'ny polisy ao Ekoatora (GIR)

Villavicencio no mpanolotsaina araka ny lalàna an'i Clever Jiménez, mpikambana iray ao amin'ny antenimiera ary avy amin'ny antoko Pachakutik [en]. Tany ampiandohan'ny taona 2013, Jiménez sy ilay mpikatroka mafàna fo, Carlos Figueroa, dia voaheloka hifonja 18 volana noho ny resaka fanalàna baraka ny filohan'i Ekoatora, Rafael Correa. Tamin'ny 2011, nampangain'ireto lehilahy telo ireto ny filoham-panjakana ho nanome baiko fanafihana mitam-piadiana tao amin'ny Hospital de la Policía (Hopitalin'ny Polisy) nandritry ilay fitroarana [en] tamin'ny Septambra 2010 [en]

Naharitra hatramin'ny 3 ora maraina ilay hetsika natao tany an-tranon'i Villavicencio – natao teo ambanin'ny didy navoakan'i Jorge Blum, ilay mpitsara ao amin'ny Fitsaram-Pirenena. Ny biraon'ny fampanoavana ao amin'ilay distrika dia nikaroka vaovao voatahiry tany anatin'ny solosaina na findainy, izay nogiazana ho toy ny ampahany amin'ny fanadihadiana mikasika ahiahy raharaham-pitsikilovana mifandray amin'ireo mailaka nalefan'ireo manampahefana ambony ao amin'ny governemanta.

Mahavoarohirohy an'ilay mpikambana ao amin'ny Antenimiera, Clever Jiménez, ihany koa ilay fanadihadiana, izay nanaovana bemidina ihany koa ny biraony tao amin'ny antenimiera. Niaiky ampahibemaso i Jiménez fa manana mailaka marobe avy amin'ny Filoha sy ny Filoha lefitra, Jorge Glas, mifandray amin'ny raharaha Chevron [en]

Tondraky ny fanehoankevitra momba ilay raharaha ny media sosialy, isan'ireny ny avy amin'i Alfredo Velazco (@alfredovelazco)  izay nibitsika sy naneho hevitra tao amin'ny Facebook mikasika ny fifanoheran-kevitra sy ny mizàna tsindrian'ila eo amin'ny firenena :

Nanome fialofana ho an'i #Assange i #Ecuador noho ny namoahany ireo mailaky ny manampahefana ambony ao amin'ny #EEUU (USA) fa kosa manao bemidina any an-tranon'i #Villavicencio…  http://t.co/MTpzhXj6al

Notsindrian'i Verónica Potes ‏(@veropotes) tsara fa tsy kilalao ny resa-pitsaràna :

Tsy manao kinanga amin'ny dingana tokony harahana ianareo, @Galo_Chiriboga @ppsesa, tokony ho fantatrareo izany vantany vao lasa mpisolovava #Villavicencio

Carlos Andrés Vera (@Polificcion), mpamokatra sarimihetsika dia nandray ilay tranga ho fanararaotam-pahefana izay toa horakofana fampielezan-kevitry ny media hamelezana an'i Villavicencio:

11.- Izao rehetra izao dia maneho indray ny fanararaotam-pahefana izay horakofana aminà fampielezankevitra tsy alehany hamelezana an'i Villavicencio any anatin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra

Nibitsika fanehoankevitra iray manesoeso mikasika ny Sekretariam-panjakana momba ny Fifandraisana na SECOM i Diana Amores Moreno (@Diana_Amores) mikasika ilay bemidina :

Arahaba maraina ry Revolisionan'ny fanaovana fandidiana atidoha alefa fahitalavitra! Efa nilaza izay tokony hosainina momba ny fanafihana an'i #Villavicencio ve ny SECOM? Tsara loatra!

Plan V, tranonkala iray nanokan-tena amin'ny famokarana izay votoaty ho azy manokana miaraka amin'ny fandraisana anjaran'ireo mpanao gazety avy amin'ny tontolon'ny asa fanaovana gazety Ekoatoriana, dia namoaka lahatsoratra hoe “Cuando el terror llama a tu puerta…” (Rehefa mandom-baravarana ao aminao ny horohoro…”). Miresaka ny zavatra niainan'i Fernando Villavicencio, ny vadiny Verónica ary ireo ankizy kely zanany ilay lahatsoatra ary nozaraina betsaka tety anaty tambajotra maro

Namoaka ity saripika manaraka ity i Pablo Jaramillo Viteri  tao amin'ny kaontiny Twitter :

Polisin'ny GIR niisa folo nirongo fiadiana no nanao bemidina tao an-tranon'i Fernando Villavicencio, nanatontosa iraka niaraka tamin'ny didy navoakan'ilay mpitsaram-panjakana, Jorge Blum.

Ny Filohan'i Ekoatora, Rafael Correa, dia nandefa hafatra tao amin'ny kaontiny Facebook sy Twitter (@MashiRafael) fa nisy firaketana an'ilay bemidina ary mazava loatra fa haseho ho hitan'ny besinimaro izany amin'ny fotoana maha-mety azy :

Volana vitsy lasa izao, nijirika ny kaontin'ny Filoha sy ireo manampahefana ambony hafa izy. Napetraka ny fanadihadiana manenjika an'i Cléver Jiménez sy Fernando “mpanolotsaina” azy …

…Villavicencio. Natao niaraka tamin'ny didy avy amin'ny fitsarana ilay bemidina. Nampivanàka ny zavatra hita. Voarakitray anaty sary daholo izany rehetra izany, araka izany ny fironan-dry zareo amin'ny filalaovana ny …

…hoe iharan'ny tsy rariny dia tsy hanampy azy ireo velively. Misy zavatra tena saropady tratra tao. Tamin'ny fotoana nilàna azy ary mifanaraka amin'ny…

…zotra ara-dalàna tokony ho izy dia ho fantatry ny firenena ny rehetra miasika azy ity. Tena mampivarahontsana ny fetran'ny zavatra vitan'ireto olona ireto!…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.