SARIPIKA: Olombelon'i Portiogaly

Taorian'ilay fironana erantany ifampizaràna saripika sy tantaran'olombelona avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, aingam-panahy nateraky ny asa natombok'i Brandon Stanton tamin'ny 2010 niaraka tamin'ny Humans of New York (HONY) – Olombelon'i New York, nizara ihany koa ny an'ny vahoakany avy amin'ireo tanàna samihafa manerana ny fireneny i Portiogaly, ahitàna fantina angna samihafa ao amin'ny Facebook.

Nandritry ny teo taona nisesy, nahita ny fihenàn'ny isan'ny mponiny ity firenena izay zara raha misy olona 10.5 tapitrisa ity (araka ny rakitra tamin'ny 2012). Tsy hoe fotsiny be fahafatesana tamin'ny 2012 mitaha amin'ny fahaterahana, fa koa nitombo be tsy nisy toa azy ny isan'ny olona nandeha nifindra monina [pt], tsy mbola fahita hatramin'ny taona 1960. Vinavina niainga tamin'ny 2010 no manondro fa 5 tapitrisa ireo Portiogey monina any ivelan'ny fireneny.

Ndeha isika hamantatra ny sasany amin'ireo olombelona izay nijanona na nandalo tao Portiogaly.

The poster reads: "Humans in Power". Photo from a demonstration in Lisbon by © Jsl Photography

Mivaky toy izao ny soratra: “Olombelona anatin'ny Hery”. Sary avy amin'ny hetsi-panoherana ny fepetram-pitsitsiana (Martsa 2013) nozarain'ny Olombelon'i Lisbona – Humans of Lisbon, avy amin'i © Jsl Photography…

“Tsy misy revolisiona rehefa ny fiarahamonina no manaiky ny teknolojia vaovao, rehefa miova fitondrantena ny fiarahamonina vao misy izany”. Ilay fitanisàna, avy amin'i Clay Shirky, dia voamarika tao anatin'ny gazetiboky “Bastart”, tao anaty tafatafa niarahana tamin'i João Sá Leão izay namorona ny pejy Facebook Humans of Lisbon tamin'i May 2012. Soritan'i João ny endri-javatra nanosika azy hanomboka hanao kisary ny tantaran'i Lisbona: 

Alaivo sary antsaina fotsiny. Indray andro any, mety hoe sarintany vaovaon'izao tontolo izao no hananantsika. Rehefa mipotsitra anaran-tanàna iray isika dia mety hahita ny olona ao: ireo monina ao hatramin'izay sy mandalo fotsiny koa. Fomba iray hafa tanteraka mihitsy “hitetezana” tanàna iray …

"Today I introduce you Maria Isabel. I often see her in the morning in the cafe 'Floresta de Madrid "in Av. de Madrid reading the newspaper or smoking a cigarette ... before another journey start." © Jsl Photography

“Matetika aho mahita an'i [Maria Isabel] amin'ny maraina ao amin'ny fisotroana kafe ‘Floresta de Madrid’ , Av. de Madrid mamaky gazety na mifoka sigara … alohan'ny hanombohany dia iray hafa.” © Jsl Photography

Iray amin'ireo tantaran'olombelona tena nozaraina betsaka tao amin'ny pejin'ny Humans of Lisbon (efa nahazo mpitia 3.187 sahady) dia ny an'i Maria Isabel, vehivavy iray mifanena isanandro amin'ilay mpakasary eny an-dàlany handeha na hody avy miasa. Miresaka izy ireo indraindray rehefa manajanona ny fiarany eo amin'ny jiro fandrindràna fifamoivoizana i João :

… taorian'ireo fihaonana im-betsaka teo amin'ny jiro teo, tsy dia niresaka firy intsony momba ny asa fanaovantsoa na fiangonana izy fa mikasika ny governemanta indray, ny toetrandro, manontany vaovao momba an-janako, mitaraina fa misy nify maharary azy…sns…mandra-pivadiky ny jiro ho maitso sy misy olona mampaneno anjomara, ka tsy maintsy miala aho … fa ny ampitson'iny indray izahay dia mihaona.

Farany dia nataoko naka sisiny mihitsy ny fiara androany ary nanolotra sakafo ho azy aho sady niresadresaka kely, tsy mikorapaka.
Tsaroany ny anaran'ny zanako rehetra ary mazàna izy no miarahaba ahy eo amin'ny fitaratry ny fiara … na dia indraindray aza izy mikapoka azy ireo… fa farany dia haiko ny anarany ary fantany ny ahy.

Mbola manana fotoana hiresahana momba ny krizy sy ny politika … “na ny New York Times aza dia miresaka tsy manjary momba an'i Portiogaly …”, “…Tsy manampy mihitsy ity krizy ity… tsy manome mihitsy ny olona na zara raha manolotra, saingy misy andro tsara noho ny sasany…”, hoy izy

Indraindray ny masoandro migaingaina be nefa izy mbola mipetraka eo miandry fitserana ihany…. fa avy ao anaty fiarako kosa ho mahita ny hafa manidy ny fitaratra raha vao manatona izy, sahala amin'ireny hoe hidaroka an-dry zareo ireny ery izy…. mampalahelo ny tonga amin'izao taona izao kanefa dia anakatonan'ny olona “varavarana”!

Raha mahita azy ianareo…. aza manidy fitaratra….. miantrà fotsiny!

“The grinder which, formerly, was also an umbrellas repairman , is a traveling trader, who carries on a bicycle or motorcycle to offer their services sharpening knives, scissors and other cutting instruments.”   In Inatel / Alvalade  © Jsl - Photography

“Ilay mpitoto koba, izay efa mpanamboatra elo ihany koa taloha, dia mpanao varo-mandeha, mitaingina bisikilety na moto manao asa fandranitàna antsy, hety na zava-maranitra hafa.” In Inatel / Alvalade. Sary: © Jsl – Photography.

 

"My name is José Reis and I'm from Cape Verde. I always carry this crucifix to protect me."

“José Reis no anarako ary avy any Cape Verde. Mitondra ity hazofijaliana ity hatrany aho mba hiaro ahy.” Sary navoaka tao aminà pejy Facebook iray hafan'ny Humans of Lisbon, izay noforonina ny Desambra 2013 ary nahazo mpitia 643 tamin'ny fotoana namoahana ity lahatsoratra ity.

Noforonina ny 1 Novambra 2013, ny pejy Facebook Humans of Porto (Olombelon'i Porto) ary efa nahangona mpitia 1.916. Ny sary voalohany, nalaina teny an-dalamben'ny tanàna faharoa lehibe ao Portiogaly , dia manasongadina “ramaroa iray tena miavaka ao Ribeira” izay mivarotra châtaignes, poa-katsaka, voanà “lupin” sy oliva… izay rehetra ilaina e, amin'ny fotoana rehetra ilàna azy”

There is a very special lady at Ribeira every time we go there. She sells chestnuts, popcorn, lupin beans and olives... whatever is needed, when it's needed. "If I knew I was going to be photographed today, I would have brought my earrings. But that's alright because the true beauty lies within", she said. Either way, she made sure to show off her hat to us. "This hat was given to me by Princess Beatrix of the Netherlands!", she said proudly and continued working with a smile on her face.

“Raha fantatro fa ho alaina sary aho androany, mety mba nanaovako ny kaviko. Nefa tsy maninona satria avy ao anaty ny tena hatsaràna”, hoy izy. Sady izao koa e, maka antoka tsara izy mampidera ny satrony amintsika. “Ny Printsy vavin'i Pays-Bas, Beaxtrix, no nanome ahy ity satroka ity!”, hoy izy feno fireherehana no sady nanohy niasa tamin-tsiky nandravaka ny tavany. Sary: Erge Sonn

Ny fampandehanana ny “Humans of Porto” dia iantsorohanà tarika iray tsy misy afa-tsy vehivavy – iray mpandrakitra lahatsary , iray mpanao gazety ary iray mpaka saripika – izay milaza fa ny iraka efain-dry zareo dia :

ny handrakitra ny tena antom-pisian'i Porto sy ny fanahy mandrafitra ny zava-maroloko eto amin'ity toerana mahavariana ity

“Art is an honest way to make a living”. This is Sérgio’s motto, the artist we met in Santa Catarina that decided to make an exception to his “no interviews” policy and talk with us. He confessed that he exposes his art works in galleries at times, but is on the streets because he prefers to get involved with the whole process and sell his own work.

“Fomba iray ahafaha-mivelona ny taokanto”. Io no teny mandrisika an'i Sérgio, ilay artista nifanena taminay tao Santa Catarina izay nanapa-kevitra hiala amin'ny politikany mahazatra azy “tsy mila tafatafa” ary niresaka taminay. Noborahany fa nisy fotoana nampiranty ny asa taokanto vitany tany amin'ireny ‘galeries’ ireny izy, nefa izao ety an'arabe satria safidiny ny hiditra ao anatin'ilay dingana manontolo sy hivarotra izy tenany ihany ny asa nataony. Sary: Erge Sonn

Miezaka hatrany ry zareo hirakitra ireo tantaram-piainana ao ambadik'ireny saripika ireny toy ny an'i Sérgio, izay nanolotra ny tenany :

Nampiana-tena aho. Naniry ny hianarako zavakanto ny raiko saingy tsy izany velively no tiako natao. Nanapa-kevitra ny hianatra amin'ny fombako ahy manokana aho ary dia teny an'arabe satria ety ianao afaka mianatra zavatra isanandro isanandro ary miaraka amin'ireo olona mifanerasera aminao.

“Film me and put it on the Internet. I want to be a Youtube star”. The Ukrainian guy was once a well-known boxer in the Soviet Union, but now he plays music for a living, entertaining the tourists near Sé. Photo: Erge Sonn

“Raketo anaty lahatsary aho ary apetraho ao amin'ny aterineto. Te-mba ho kintana iray ao amin'ny Youtube aho”. Hoy ilay bandy Okrainiana iray izay nalaza ho mpiangaly ady totohondry fahiny tany amin'ny Firaisana Sovietika, saingy milalao mozika aminiizao fotoana izao, manala voly ireo mpizahatany any akaikin'i Sé ao Porto, Portiogaly: Erge Sonn

Misy ihany koa ireo sarin'ny Humans of Azores, iray amin'ireo faritra roa mizaka tena ao Portiogaly, itambaran'ireo nosy volkanika sivy hita any amin'ny faritra Oseana Atlantika Avaratra.

A human from the archipelago of Azores driving a peculiar motorcycle. Photo: Cristian Rodríguez

Olombelona iray avy any amin'ny saikinosin'i Azores mitondra moto hafakely Sary: Cristian Rodríguez.

An Azorian tour. Photo taken in Roncha de Relva. by Paula Rodilla.

Fitsidihana ny faritra Azorian . Sary nalaina tao Roncha de Relva. an'i Paula Rodilla.

Manana saripika marobe maneho ny fiainan'ny mpianatra sy ireo fomba amam-panaon'ny anjerimanontolo ao an-tanàna ny  Humans of Coimbra , ary saripikan'ireo olona manodidina ny tanàna koa ny an'ny Humans of Setúbal , saingy izy roa ireo dia samy mizara saripika tsy misy tantara daholo. Toy izay koa ny an'ny Humans of Almada izay ny ankamaroany dia fizaràna sarin-tanàna. Ny Humans of Cascais dia niforona tamin'ny Oktobra saingy sary iray fotsiny no nozarainy hatramin'ny anio.

Mahafantatra tetikasa “Humans of…” hafa ve ianareo ao Portiogaly ao? Ampahafantaro anay ao anaty faritra natao hanehoan-kevitra etsy ambany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.