Hamid Khatib, Siriana Mpakasary, Mandositra Fahafatesana Mba Haka Sary Ny Fiainana

Lahatsoratra iaraha-mamoaka amin'ny Syria Untold ity.

“Tsy misy ny Hamid mpaka sary raha tsy misy ny revolisiona. Antenaintsika mbola hisy iray rehefa mifarana ny revolisiona.” Ireo no tenin'ilay Siriana tanora nahazo ny loka Hamid Khatib, izay nanjohy ny fitroarana tamin'ny Oktobra 2011, taorian'ny nahavitàny ny raharaha miaramila tsy maintsy nefainy. Niaraka amin'ny fakantsariny, naka sary ireo andian-taranaka tanora nidina an-dalambe izy, nahazendana ireo zokiolona tamin'ny fitakiana zava-tsy ho to ihany koa.

 

Boy makes weapon in Aleppo, by Hamid Khatib. Source: the author´s facebook page

Ankizilahy manamboatra fitaovam-piadiana ao Aleppo, avy amin'i Hamid Khatib. Loharano : pejy Facebook-n'ny mpanoratra

 

Ny ankizy sy  ny ady

Tahàka ireo Siriana maro hafa, tao anatin'ny tafatafa iray niarahany tamin'ny “Syria Untold” Hamid Khatib, 23 taona, dia mamaritra ny tenany ho “teraka taorian'ny fitroarana”.

Natombony tamin'ny fandraketana anaty lahatsary ireo fihetsiketsehana sy famoretan'ny tafi-pitondrana an'ireo mpanao hetsi-panoherana izany, ary tsy ela dia nitodika tany amin'ny fakàna sary. Ny sary nalainy “ankizilahy mpihoko manamboatra fitaovam-piadiana” no nofinidin'ny Reuters ho iray amin'ireo sary tsara indrindran'ny taona 2013. Nanomboka teo, niasa ho anà masoivohom-baovao izy, naka sary ireo fotoam-paharavàna, fanantenana, hadisoam-panantenana, fahavoazana sy fiainana andavanandro ao Syria.

Asehon'ilay mpaka sary nahazo loka ny ankizilahy kely iray 10 taona, Issa, mitondra balan-tafondro iray ao aminà toeram-panamboarana fitaovam-piadian'ireo Tafika Siriana Mizaka Tena ao Aleppo.

“Efa fotoana elaela ihany aho no naniry haka sary ny fiantraikan'ny ady amin'ireo ankizy,” hoy izy nanazava. “Nihevitra aho ny hamoaka andiany ahitàna ankizy samihafa, saingy rehefa nifanena tamin'i Issa sy ny rainy aho dia nanohina ahy ny tantaran-dry zareo ary tsy vitako ny tsy hifantoka aminy.”

“Miasa ora folo isanandro manampy an-drainy ao amin'ilay toerana fanamboarana fitaovam-piadiana i Issa, isanandro, afa-tsy ny Zoma. Nanjary lasa nidika zavatra betsaka ho ahy ny tantarany, ho ahy manokana,” hoy i Khatib.

“Tsy voafehinà mpanao gazety izany ny teo-draharaha mitranga ao Syria,” hoy izy. “Ny hany azonao atao dia ny mifandrindra fotsiny amin'izay zava-mitranga eny an-kianja. Fa izaho manokana dia nisafidy ny haneho ny sarim-piainana isanandro ao amin'ny firenena, sy ny voka-dratsin'ny ady amin'ny vahoaka.”

A child in Raqqa, by Hamid Khatib. Source: The author´s Facebook page.

Ankizy iray ao Raqqa, avy amin'i Hamid Khatib. Loharano: pejy Facebook-n'ny mpanoratra.

 

Fivezivezen'ny fahafatesana sy ny fitiavana

Teraka tao Aleppo tamin'ny 1990, nanomboka nanaraka ilay fitroarana i Khatib tany amin'ny fotoana nanodidina ny nitsofohan'ny tafika tamin'ny raharaha. Taorian'ny nahavitany ny raharaha miaramilany, nikisaka nandeha niasa tany amin'ny Emira Arabo Mitambatra izy, saingy vetivety dia nisidina niverina tsy ankiteniteny nankao Aleppo. “Tiako haseho an'izao tontolo izao ny tena endrika mpampihorohoron'ny fitondràna Siriana,” hoy izy.

Nandritr'ireo taona vitsy farany izy dia tsy nahita afa-tsy fahafatesana sy faharavàna, saingy koa tojo fitiavana. Latsa-pitiavana tamin'i Nour Kelze, mpampianatra fahiny tany amin'ny ambaratonga voalohany, izay lasa mpakasary ho an'ny Reuters tamin'ny 2012 taorian'ny nakàny sary tamin'ny findainy. Efa mpivady izy roa ankehitriny.

Syrian photographers Hamid Khatib and Nour Kelze, working in Aleppo. Source: Khatib´s facebook page.

Ireo Siriana mpakasary, Hamid Khatib sy Nour Kelze, miasa ao  Aleppo. Loharano: pejy Facebook an'i Khatib

 

Mifanome tànana amin'ny asany i Nour sy Hamid ao Aleppo, ary efa im-betsaka no nisedra fahafatesana ry zareo.

“Nijoro teto amin'ity toerana ity indrindra aho tamin'izay, saingy nangataka ahy hifindra toerana hiaraka taminy izy, mba haka sary vitsivitsy avy ery,” hoy i Hamid nanazava. “Matanjaka izy ary tsy matahotra na inona na inona. Tampoka teo, reko ny baomba nidoboka, ary hitako ny setroka nivoaka avy any rehetra any, ary tsy nisy zavatra hafa azoko noeritreretina afa-tsy i Nour, ‘Aiza i Nour…?'” Reny ny feony niantso azy, ka nentiny namonjy toeram-pitsaboana teny an-toerana. Naratra teo amin'ny tongony havia ramatoa ary voan'ny piti-by teny amin'ny tanany roa.

Taminà tranga iray hafa dia nanatri-maso zera baomba nataon'ny fitondrana i Hamid, nandritra ireo fihetsiketsehana maro natrehany tany Bustan al-Qasr, tanàna iray fantatra loatra amin'ny famadihana koranam-panambadiana ho lasa fihetsiketsehana faobe hitakiana fahalalahana

Lohatenim-baovao tamin'ny media iraisam-pirenena i Bustan al-Qasr tamin'ny Janoary 2013, rehefa injay nisy lehilahy am-polony nanjavona tsy hita teo amin'ny toerana iray fanaraha-maso napetraky ny fanjakana, ary hita tao amin'ny reniranon'i Queiq taty aoriana, notifirina teo amin'ny lohany daholo ary nofatorana tamin'ny tady plastika daholo avy any an-damosiny ny tànan-dry zareo.

“Naratra na maty ny ankamaroan'ireo olona nanao hetsi-panoherana teo akaikiko tamin'izay fihetsiketsehana izay, fa izaho kosa tafavoaka velona,” hoy i Hamid. 

Tamin'ny andro voalohany niverenany tao amin'ny tanàna niaviany ihany koa dia efa nifanena tamin'ny fahafatesana izy,  tany Azaz – avaratr'i Aleppo – izay efa telo taona no tsy notsidihany. Mifampizara trano misy rihana roa ireo havany rehetra, fianakaviana dimy manontolo. Rehefa notairin'ny fipoahana baomba izy, nihazakazaka nidina tany ambany rihana hijery raha velon'aina soa aman-tsara ireo zaza amam-behivavy, ary nahita azy ireo nikiakan-tomany noho ny tahotra sao maty ireo lehilahy tany ambony rihana. Nitohy nidoboka hatrany ny bala afomanga nandritry ny alina. Manodidina ny 150 teo ireo mpifanolo-bodirindrina maty tao Azaz iny alina iny, ary trano 40 no lasa antontan-korontana.

Niantra an'i Hamid ny fahafatesana, saingy tsy toy izany ho an'ireo namany sy mpiara-miasa aminy toa an-dry Molhem Barakat, 18 taona, mpakasary izay maty raha nandrakotra ny ady iray hakàna ny hopitaly iray ao Aleppo tamin'ny 20 Desambra. Mifofotra manohy ny asany i Hamid, ho fanomezam-boninahitra an'i Molhem sy ireo maritiora rehetra namoy ny ainy hisian'ny Syria mendrika kokoa. “Satria tena tsy nisy Syria mendrika nihitsy talohan'ny revolisiona,” hoy izy nanampy. “Tsy misy  Syria raha tsy misy tolona ho amin'ny fahalalahana namoizan'ny maro ny ainy.”

Lahatsoratra iaraha-mamoaka amin'ny Syria Untold ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.