Nahazo Ny Fon'ny Vahoaka Ny Famonoan'Ilay Tantsaha Menavazana Ny Mpiasan'ny Fandravana Trano Anankiroa

Fan's head was broken

Namoaka ny sarin'i Fan nandritra ny fitsarana tao amin'ny Weibo ny mpisolovavan'ny mpandala ny zon'olombelona Liu Xiaoyuan. Notafihan'ny manampahefanan'ny fandravana trano izy sy ny fianakaviany ka vaky ny lohany..

Niteraka hiakia-panoherana tamin'ny tambajotra sosialy Shinoa ny fisamborana ilay Tantsaha antitra izay nanohitra hatramin'ny farany ny fanalana azy tao an-tanàna atsinanan'i Shina iray antsoina hoe Suzhou.

Nitatitra ny gazety mpivoaka isan'andro ao an-toerana iray, Southern Metropolis, fa namono manampahefanan'ny fandravana trano roa tamin'ny antsy i Fan Mugen, tantsaha 64 taona sady menavazana, rehefa nisy nidaroka ny vadiny sy ny zanany lahy tao amin'ny manodidina an'i Suzhou, tanàna akaikin'i Shanghai, tamin'ny 3 Desambra 2013. Maro ny mpiseraseran'i Shina tao amin'ny tranonkala mitovy amin'ny Twitter ao Shina antsoina hoe Weibo fa azo lazaina ho fiarovan-tena ilay famonoana ary manahy ry zareo fa mety hodidiana hovonoina ho faty i Fan.

Mihoatra ny 50 ny mpisolovava sy ny olom-pirenena nanerana ny firenena tamin'ny 22 desambra no nandeha tao amin'ny hopitaly [zh] hijery an'i Fan sy ny vadiny izay gadraina saingy nobahanan'ny polisy maro dia maro.

Nanambara [zh] ny Southern Metropolis fa ny tranon'i Fan sisa no tsy voakitika tao amin'ny tanàna ambanivohitra nisy azy noho ny tsy fifanarahana teo amin'ny fampihenana ny fandoavam-bola. Nanomboka nanango-tsonia izy tamin'ny 2004 ary efa nandeha in-droa tany Beijing hanango-tsonia tamin'ity taona ity. Nametraka fijoroana vavolombelona i Fan fa noterena hanasonia fifanaraham-pandravana trano tamin'ny Novambra. Mpikambana ao amin'ny Antoko Komonista ihany koa i Fan.

Nampahatsiahy ny didim-pamonoana ho faty an'i Xia Junfeng, mpivarotra amoron-dalana voaheloka ho namono chengguan roa , na polisy misahana ny fitantanana sy fandrindrana ny tanandehibe, teo amin'ny mpiserasera maro izao toe-javatra izao, fa novonoina ilay zalahy io tamin'ny Septambra na dia nisy aza ny antsom-bahoaka nitady famindram-po, ka nahadiso fanantenana ireo mpikatroky ny lalàna izay milaza fa tsy maharo ny niangarana ny rafi-pitsarana ka manafay azy mafy loatra. Maro ny olona mandresy lahatra fa ao anatin'ny sokajin'ny fiarovan-tena ny fihetsik'i Xia satria miaritra mafy ny daroka maherivaika izy.

Namoaka ny fivoarana farany ho an'ny mpiserasera ao amin'ny kaonty Weibo Ny ivon-toerana miaro ny zon'olompirenena ao Suzhou :

律师和公民五十余人来到苏州市高新区人民医院探望范木根的妻子顾盘珍,范木根因反抗入侵者保护家人正当防卫刺死两名入室行凶者,现被以故意伤害罪名刑事拘留,范妻被入侵者打断胳膊正在住院治疗。苏州辅警在医院列队 严阵以待!!

Mihoatra ny dimampolo ny mpisolovava sy ny olom-pirenena nandeha namangy an'i Gu Panzhen, vadin'i Fan Mugen, ao amin'ny hopitalim-bahoaka ny faritra High-tech, ao Suzhou. Nosamborina noho ny finiavana handratra i Fan taorian'ny namonoany ireo mpanafika roa ho fiarovany ny fianakaviany. Notsaboina tao amin'ny hopitaly i Gu rehefa notapahin'ireo niditra an-tranon'olona ny tanany. Efa niatrana tao amin'ny hopitaly ny mpanampy polisin'i Suzhou! 

Manazavazava ny zava-niainan'ny fianakaviana Fan ny mpisolovavan'ny zon'olombelona Liu Xiaoyuan ary navoitrany fa fihetsi-piarova-tena no nisy tamin'ny tranga:

“2013”年度人物候选人:范木根,苏州农民,年轻时在内蒙古参军。因房屋被强拆,他在2013年10月底出外躲藏一个月。2013年12月2日回到家中。2013年12月3日,拆迁公司人员又到家中逼迁。他在头部被打破,儿子头部被打伤,妻子右手骨头被打断时,拔打刺死两名逼迁人员。这是今年最大的一起血迁事件。

Kandidà ho amin'ny olon'ny taona 2013 i Fan Mugen, tantsahan'i Suzhou, niditra ho miaramila tao amin'ny Faritra mizakatenan'i Mongolia fahatanora. Tsy tao an-trano iray volana izy hialana amin'ny fandravana hatramin'ny faran'ny volana oktobra ary nody tamin'ny 2 Desambra. Niverina tao an-tranon'i Fan indray ny orinasam-pamindran-toerana ny 3 Desambra hanery azy hiala. Novonoiny ny roa tamin'ireo nitsofoka an-keriny raha toa ka vaky ny lohany, naratra ny lohan'ny zananilahy ary tapaka ny tanana ankavanan'ny vadiny. Io no fandravan-drano nisiana ra mandriaka indrindra tamin'ity taona ity.

Nilaza ny mpanoratra mahaleotena Wang Qingfu fa maherifo i Fan:

范木根,典型的正当防卫。范木根是不畏强权的英雄!

Fiarovan-tena azo hamarinina tsara ny nataon'i Fan Mugen. Maherifon'ny fijoroana manoloana ny fahefana izy!

Nanampy feo an'i Wang ny mpisera Weibo, “Ankizy sekoly Jiang Nan”:

苏州范木根是一个了不起的军人!当老范面对暴徒,三刀两命。有多少人拍手称快?有多少人从内心里佩服老范的勇气!他做了许多人想却不敢做的事情。全国掀起了新一轮范木根无罪浪潮!因为他们很多在拆迁中都体会到那种无奈与绝望。拆迁办的黑社会化,政府的推皮球,公安的冷漠。

Miaramila mahery i Fan. Nahasahy namono mpihetraketraka roa tamin'ny antsy izy. Maro ny olona nitehaka tamin'ny nataony! Maro ny olona nanaja ny fahasahiam-pony! Vitany ny tian'ny maro atao saingy tsy sahy manatontosa izany. Maro amin'ny niharan'ny fanerena hiala ny trano no ketraka rehefa miatrika ny sarintsarim-pitsaran'ny biraom-pandravana trano, ny fanipazan'andraikitry ny governemanta, ary ny tsy firaharahian'ny polisy.

Nanaika ny olona hijery kely ny toe-draharaha i Yang Cuifang :

关注。关注这个保护妻儿保卫家园的血性汉子。关注这个时代里草民抗暴事件以及这起事件最终的走向。见证每一个个体活在当下的不易

Jereo anie ny fahasahisahian'ilay lehilahy izay niezaka ny hiaro ny vadiny, ny zanany ary ny tranony. Jereo ny fomba fanoheran'ny eny am-potony ny herisetra sy ny fironan'ity raharaha ity. Ijoroy vavolombelona ny hamafin'ny fiainan'ny tsirairay.

Ny fandravana an-terisetra no lohahevitra nampisara-tsaina indrindra tany Shina tao anatin'ny taona vitsivitsy izao. Miankina amin'ny fivarotan-tany ny ampahany betsaka amin'ny vola raisin'ny ao amin'ny fiadidiam-paritra any an-toerana, ka izany no miteraka fitsiriritana handroaka ny tompontrano sy mahatonga ny fandraharahana madinika hanangana tetikasam-pampandrosoana indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.